08/10/2026
โโโ๐ผ๐ธ๐๐๐โ ๐ป๐ผ ๐๐ธ๐๐ผ๐โโ (๐ฝ๐ธ๐๐๐๐ธโ๐ธโ๐ธ ๐ธ๐๐โ'โ๐ ๐๐ธโ๐ป๐ธ ๐๐โ๐ธ๐น๐) ๐๐ โ๐ โ๐ธโ๐ผโโ๐ ๐๐ธ๐ป๐ธ๐พ๐ธ๐๐๐๐ธโ๐ธ
Eo anivonโizao tontolo mifaninana izao, firenena maro no mandroso satria mamorona lanja mihabo aminโny harena ananany. Izany hoe: tsy mivarotra fotsiny ny harena, fa manova azy, manodina azy, manampy asa sy teknolojia, ary mamokatra vokatra avo lenta. Izay no mahatonga ny vidiny tena lafo (ny tsara tsy ho mora izany mihintsy), ary ny firenena no mahazo tombony.
Eto Madagasikara kosa, mbola betsaka ny harena aondrana "manta", tsy misy fanodinana, tsy misy indostria, tsy misy valeur ajoutรฉe. Izany no mahatonga antsika hanana harena be, nefa tsy zara raha mahazo tombony.
๐ณ Ny hazo sarobidy: ohatra mivaingana aminโny tsy fisianโny valeur ajoutรฉe
Ny bois de rose, ny voamboana (palisandre), ary ireo hazo sarobidy maro isankarazany dia anisanโny harena tsy fahita firy eto ambonin'ny tany. Kanefa matetika dia tapahina tanora, aondrana "manta", na indraindray aza avadika ho saribao.
Ny firenena any ivelany, ohatra ny Sinoa anefa dia:
- mikarakara azy ireny (ohatra fanamainana) aminโny teknika avo lenta mba afahana manodina azy
- manamboatra fanaka lavo vidy (latabatra sy seza luxury) avy amin'izy ireny
- manampy asa, manampy fahaiza-manao, manampy famolavolana sy fikarohana avo lenta
Dia amidy aminโny miliara ariary maro ny vokatra vita iray avy eo.
Ny antsika?
Mivarotra hazo tsy voavoatra aminโny vidiny ambany, very asa, very vola, very indostria.
๐ Ny vato sarobidy: harena tsy voavoatra, vola tsy miditra
Madagasikara dia iray aminโireo firenena manankarena vato sarobidy indrindra manerana an'izao tontolo izao: safira, rubis, tsavorite, tourmaline, quartz, sns.
Kanefa ny ankamaroany dia aondrana tsy voapaika, tsy voadio, tsy voasokitra.
Any ivelany no:
- manapaka (taillage)
- manadio (polissage)
- manamboatra firavaka
- manampy famolavolana sy marketing
Dia amidiny aminโny vidiny 100 avo heny reheva avy eo.
Inona no dikanโny โcrรฉation de valeurโ?
Ny crรฉation de valeur dia dingana ara-toekarena izay manampy: asa, fahaiza-manao, teknolojia, famolavolana, fanodinana; aminโny harena iray, ka lasa vokatra avo lenta mitondra vola sy tombontsoa maharitra.
Raha tsy manao izany isika, dia ny firenena any ivelany no mamorona valeur, ary izy no mahazo ny tombony rehetra (heritrereto fa an-jato taonany ny hazo bois de rose iray vao matoy).
Inona no very rehefa tsy mamorona valeur isika?
- Asa anโaliny very
- Teknolojia tsy miditra
- Indostria tsy mivelatra
- Fidiram-bola ho anโny fanjakana tsy misy
- Harena voajanahary lany haingana
- Ny firenena any ivelany no mahazo tombotsoa min'ny fananan'i Madagasikara
Izany no mahatonga firenena maro hanana politika mazava: โTsy aondrana ny harena raha tsy voavoatra.โ
Ahoana no hananganana valeur eto Madagasikara?
- Fanodinana eto an-toerana: trano fanamboarana fanaka, laboratoara manapaka vato sarobidy
- Fampiofanana teknisiana: manampy ny tanora ho lasa mpanamboatra fanaka sy mpanapaka vato
-Fampiasam-bola indostrialy
-Politika hentitra momba ny hazo sy vato sarobidy
-Fampiroboroboana ny "Vita Malagasy" - โMade in Madagascarโ
Ny fanamby dia tsotra:
Tsy ampy ny hoe manana harena akibon'ny tany, andranomasina, zavaboahary. Mila manova/manodina azy ireny ho vokatra avo lenta isika. Izay no antoky ny fandrosoana maharitra.
Fehiny
Madagasikara dia manankarena, fa tsy mampanan-karena ny vahoaka anefa izany fa lasa an'olombitsy sy ny firenena any ivelany.
Azonao atomboka amin'ny asa fanaonao andavanandro ny creation de valeur. Atomboy amin'izay anananao, na loharanon-karena - na fitaovana - na vokatra, aloha dia avy eo manitatra raha ilaina izany.