03/07/2026
Ho fiarovana sy fampandrosoana an'i Ampanihy Andrefana, dia nametraka ireto fangatahana manaraka ireto tamin'ireo Minisitra voakasika aho :
πΉ Tamin'ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany
Nangatahina ny fanavaozana sy fanamafisana ny Sampan-draharahan'ny Fananantany ao amin'ny Distrikan'Ampanihy.
πΉ Tamin'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony
Nangatahina ny fanatsarana ny foto-drafitrasa ho fanohanana ny fampianarana ambony sy ny fanofanana arak'asa eto amin'ny distrika.
πΉ Tamin'ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena
Nangatahina ny:
β’ Famatsiana fitaovam-pianarana (latabatra, seza, sy ireo fitaovana ilaina hafa) ho an'ireo sekoly.
β’ Fandraisana ho mpampianatra raikitra ireo mpampianatra FRAM mahafeno ny fepetra.
πΉ Tamin'ny Minisitry ny Rano
Nangatahiko ny fanarenana ireo foto-drafitrasa momba ny rano simba, mba hiverenan'izy ireo hiasa sy hahafahan'ny vahoaka misitraka rano fisotro madio.
πΉ Tamin'ny Minisitry ny Harena Ankibon'ny Tany
Nangatahiko ny fananganana komity mpanara-maso ny asan'ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany, mba hiantohana fa tena hahazo ny anjara tombontsoany amin'izany harena izany ny vahoaka.
πΉ Tamin'ny Minisitry ny Angovo
Nangatahiko ny fampandehanana ireo foto-drafitrasa momba ny angovo izay mbola tsy ampiasaina, mba hahafahan'ny mponina misitraka tolotra angovo mendrika.
π€ Izaho, amin'ny maha Solombavambahoakan'i Ampanihy Andrefana ahy, dia hanohy hatrany ny fitondrana ny hetahetan'ny vahoaka eny anivon'ny Governemanta sy ny andrim-panjakana rehetra. Ny tanjoko dia ny hitondra vahaolana mivaingana sy fampandrosoana maharitra ho an'ny Distrikantsika.