20/02/2026
Fokontany Talatamaty Ambohinambo : Fanamboarana lalana vita pavé mirefy 580 metatra
Ny fisian’ny fotodrafitrasa manara-penitra dia isan’ireo andry lehibe mampandroso ny fiarahamonina iray. Ao anatin’izany tanjona izany dia namboarina lalana mirefy 580 metatra ao amin’ny Fokontany Talatamaty Ambohinambo, mba hanamorana ny fivezivezen’ny mponina sy hanatsarana ny fitaterana, ka tokantrano manodidina ny enin-jato (600) no misitraka izany.
Anisan’ireo laharam-pahamehan’ny Tetikasa Lalankely III ity asa ity, izay mikendry ny hanamboatra lalana miisa 15, ka tafiditra ao anatin’izany ireo ao amin’ny Fokontany Talatamaty Ambohinambo.
Efa tsapa sahady ny fahafaham-pon’ny mponina, ary manaporofo ny fisian’ny asa vita maharitra sy azo tsapain-tanana ireo fotodrafitrasa ireo. Manamora ny fidirana mankany amin’ny lalana mankany amin’ny tsenan’i Talatamaty, mankany amin’ny biraon’ny Fokontany Ambohinambo, ary mankany amin’ny Lalam-pirenena faha-efatra mankany Mahajanga, izay lalana fototra mampitohy ny faritra amin’ny tanànan’Antananarivo.
Ny tanjona dia ny haharetan’ireo asa fanamboarana ireo ka ho lasa lova maharitra ho an’ny taranaka mifandimby.
Fokontany Talatamaty Ambohinambo : Aménagement d’une voie carrossable de 580 mètres
La disponibilité d’infrastructures de qualité constitue l’un des leviers essentiels du développement d’une communauté. C’est dans cette optique que, au sein du Fokontany Talatamaty Ambohinambo, une voie carrossable d’une longueur de 580 mètres a été aménagée afin de faciliter la mobilité des habitants et d’améliorer les conditions de transport, au bénéfice d’environ six cents (600) ménages.
Ce projet figure parmi les priorités du projet Lalankely III, lequel prévoit l’aménagement de 15 voies carrossables, dont celles du Fokontany Talatamaty Ambohinambo.
La satisfaction des habitants est d’ores et déjà perceptible. Ces infrastructures constituent une réalisation concrète et durable, améliorant l’accessibilité vers la route menant au marché de Talatamaty, vers le bureau du Fokontany d’Ambohinambo, ainsi que vers la Route Nationale RN4 en direction de Mahajanga, axe stratégique reliant la zone à la ville d’Antananarivo.
L’objectif est que ces aménagements se pérennisent dans le temps et deviennent un véritable héritage pour les générations futures.