04/09/2026
Salama tompoko!
Alizay antonony miha malefaka no mandrafitra ny mety ho toetry ny andro eto ANALAMANGA.
SABOTSY 05 SEPTAMBRA 2026
🌤️☁️ Maraina : Handrahona any Manjakandriana sy Andramasina. Hifandimby kosa ny rahona sy ny masoandro amin'ny distrika sisa.
🌤️☁️ Tolakandro/hariva : Hifandimby ny rahona sy ny masoandro any Ankazobe, Anjozorobe sy Andramasina. Handrahona kosa ny distrika sisa.
🌡️🌡️ Maripàna : 10°C - 24°C
ALAHADY 06 SEPTEMBRE 2026
☁️🌤️ Maraina : Handrahona any Ankazobe. Hifandimby kosa ny rahona sy ny masoandro amin'ny distrika sisa.
☁️🌤️ Tolakandro/hariva : Hifandimby ny rahona sy ny masoandro any Anjozorobe. handrahona kosa ny distrika sisa.
🌡️🌡️ Maripàna : 09°C - 25°C
ALATSINAINY 07 SEPTEMBRE 2026
🌤️🌤️ Maraina : Hifandimby ny rahona sy ny masoandro manerana ny faritra.
☁️🌤️ Tolakandro/hariva : Handrahona any Ankazobe sy Manjakandriana. Hifandimby kosa ny rahona sy ny masoandro amin'ny distrika sisa.
🌡️🌡️ Maripàna : 11°C - 24°C
Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra ho antsika!!