Mafi-M

Mafi-M MAFI-M est une plateforme apolitique engagée pour le développement, la transparence et la participation citoyenne à Madagascar.

Nous œuvrons pour une société juste, inclusive et tournée vers l’avenir.

🇲🇬 Tsy miandry ny hafa hanova ny fiarahamonina isika.Ny tanàna madio dia miainga amin'ny olona iray tsy manary fako.Ny a...
03/08/2026

🇲🇬 Tsy miandry ny hafa hanova ny fiarahamonina isika.

Ny tanàna madio dia miainga amin'ny olona iray tsy manary fako.

Ny ankizy mahazo fanabeazana dia miainga amin'ny ray aman-dreny manohana azy.

Ny fampandrosoana maharitra dia miainga amin'ny firaisankina sy ny fandraisan'andraikitry ny rehetra.

🤝 Andao isika samy ho mpandray anjara amin'ny fanovana tsara eny ifotony.

🇲🇬💙 Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana! 🇲🇬💙

03/08/2026

❤️ **Didim-potrana fahobe – Asa sosialy ho an’ny fiarahamonina ifotony** ❤️👶🏥

📅 Ny **Sabotsy 25 Jolay lasa teo**, dia tontosa soa aman-tsara ny **fanatanterahana didim-potrana ho an’ireo ankizy miisa 45** 👶 tao anatin’ny hetsika ara-tsosialy 🤝 nokarakarain’ny ** (Mijoro Amin’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara)** 🇲🇬.

💙 Tao anatin’ity hetsika ity no nanehoana indray ny fahavononan’ny **MAFI-M** 💪 amin’ny fanatanterahana ireo asa sosialy 🤲 izay mikendry ny **hitsinjovana sy hanohanana ny fiarahamonina ifotony**, indrindra amin’ny lafiny fahasalamana 🏥 sy ny fanomezana lanja ireo ankizy 👧👦, izay antoky ny hoavin’ny firenena 🌱🇲🇬.

✅ Nahatratra ny tanjona ny hetsika, izay tafiditra ao anatin’ireo ezaka ataon’ny ** ** amin’ny fanomezana lanja ny **fahasalamana** 🩺, ny **fiarovana** 🛡️, ny **firaisankina** 🤝 ary ny **fifanomezan-tanana** ❤️ eo anivon’ny fiarahamonina.

🙌 Nandray anjara sy nanohana izao hetsika izao ireo tompon’andraikitra sy mpikambana isan-tsokajiny, anisan’izany ny:

* 👤 **Vp BEZAFI Charli Dominique**
* 🏘️ **Chef Fokontany Ambolomadinika Atsimo sy Avaratra**
* 👨‍⚕️ **Médecin Inspecteur Toamasina I**
* 📍 Ireo **Chef d’antenne ao amin’ny MAFI-M**
* 🤝 Ary tsy hadino ireo **mpikambana rehetra ao amin’ny MAFI-M** izay nifampizara andraikitra sy nifanome tanana tamin’ny fanatanterahana izao asa mendrika izao.

🙏 Mankasitraka sy manome voninahitra 🌟 ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fahombiazana izao hetsika izao. Ny fikarakarana ny fahasalaman’ny ankizy 👶💚 dia andraikitra iombonana, ary dingana lehibe iray amin’ny fanorenana fiarahamonina salama 💚, mirindra 🤝 ary mandroso 🚀.

🤝❤️🇲🇬 **"Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana!"** 🇲🇬✨

🇲🇬 **Fizarana arendrina ho an’ny ankizy – Fokontany Mahabibokely sy Morafeno, Mahajanga** 🇲🇬Ny **25 Jona lasa teo**, dia...
02/08/2026

🇲🇬 **Fizarana arendrina ho an’ny ankizy – Fokontany Mahabibokely sy Morafeno, Mahajanga** 🇲🇬

Ny **25 Jona lasa teo**, dia nanatanteraka **fizarana arendrina ho an’ireo ankizy** tao amin’ny **Fokontany Mahabibokely sy Morafeno, Mahajanga** ireo mpikambana ao amin’ny ** (Mijoro Amin’ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara)** ao an-toerana.

Natao izany hetsika izany mba hanomezana lanja sy hafaliana ho an’ireo ankizy mandritra ny vanim-potoanan’ny fankalazana ny fetim-pirenena. Satria anisan’ny fotoana manan-danja ho azy ireo ihany koa ny fankalazana ny **fahaleovantenan’i Madagasikara**, izay tsaroantsika isan-taona isaky ny **26 Jona**.

Ankoatra ny hafaliana entin’ny fizarana arendrina, dia tanjona ihany koa ny hampita amin’ireo ankizy ny maha-zava-dehibe ny **fahaleovantena, ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisankina ary ireo soatoavina maha-Malagasy**.

Ny ankizy no antoky ny hoavin’ny firenena, ka ilaina ny manome azy ireo fahafahana hiaina sy hankalaza ireo fotoana manan-tantara toy ireny, sady manabe azy ireo amin’ny toe-tsaina tia tanindrazana.

🇲🇬 "Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana!" 🇲🇬

🌉 Ny 11 Aprily 2026 lasa teo, dia notanterahina ny fitokanana ny tetezana tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Belobaka, ...
02/08/2026

🌉 Ny 11 Aprily 2026 lasa teo, dia notanterahina ny fitokanana ny tetezana tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Belobaka, Mahajanga, izay notarihin'ireo mpikamban'ny ASSOCIATION FANANTENANA - ESPÉRANCE MAHAJANGA sy ireo mpikamban'ny -M (Mijoro Amin'ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara) tao an-toerana.

Ity tetezana ity dia niainga taminy firaisankina, ny fifanampiana, ary ny finiavana hampandroso ny fiainan'ny vahoaka. Ny fisian'ny fotodrafitrasa toy izao dia manamora ny fivezivezen'ny mponina, mampiroborobo ny varotra, manamora ny fahazoana fanabeazana sy fitsaboana, ary manampy amin'ny fampandrosoana maharitra.

Izany indrindra no vina entin'ny MAFI-M – Mijoro ho an'ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara: manohana sy mampiroborobo ny fampandrosoana eny ifotony, ho tombontsoan'ny Malagasy rehetra.

🤝 Mankasitraka sy manome voninahitra ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ity tetikasa ity. Ny fampandrosoana dia vokatry ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana.

🇲🇬 "Fampandrosoana ifotony, loharanom-pahombiazana!" 🇲🇬

-M

Ho tena fampandrosona eny Ifotony amin'izao Hakatokiny Fanadinana izao dia nisy fiaraha-miasa natao mba haombiazan'ny An...
11/06/2026

Ho tena fampandrosona eny Ifotony
amin'izao Hakatokiny Fanadinana izao dia nisy fiaraha-miasa natao mba haombiazan'ny Ankizy hiatrika Fanadinana

Avec Namahora Ofisialy – Je fais désormais partie de ses super fans ! 🎉
06/06/2026

Avec Namahora Ofisialy – Je fais désormais partie de ses super fans ! 🎉

04/06/2026
Ny MAFI-M  dia manana VINA sy TANJONA  hoetina hampandroso  ny Madagascar  indrindra  miompana indrindra  amin'ireo foto...
04/06/2026

Ny MAFI-M dia manana VINA sy TANJONA hoetina hampandroso ny Madagascar indrindra miompana indrindra amin'ireo fototra fampiofanana amin.fiompiana sy fambolena mba hahafahana Malagasy mahaleo tena amin'ny fiidiram-bola amin'ny fanatsarana ny fiainanan'ny tsiarairay andavanandro ary ny fahazaka-tena aratsakafo. Vonona.ny hiara-hiasa amin'ireo rehetra te hampandroso ny Madagascar ny MAFI-M.

18/05/2026

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mafi-M posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share