I-Trust Doc : Services & Courses à Tana

I-Trust Doc : Services & Courses à Tana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from I-Trust Doc : Services & Courses à Tana, Public & Government Service, Madera Namontana, Antananarivo.

I-Trust Doc – Votre bras droit à Antananarivo
🩺 La rigueur médicale au service de vos courses.
📄 ADMIN : Retrait diplômes, légalisations, ministères.
🛍️ ACHATS : Prospection, vérification qualité et achats (grossistes/marchés).
📦 Dépôt et récupération

📌 𝐎𝐟𝐟𝐫𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐛𝐨𝐮𝐫𝐬𝐞𝐬 𝐝'𝐞́𝐭𝐮𝐝𝐞𝐬 𝐝𝐮 𝐆𝐨𝐮𝐯𝐞𝐫𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐚𝐥𝐠𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐧 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥'𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 𝐮𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟔-𝟐𝟎𝟐𝟕👉 Azonao atao ny manatitra ...
13/08/2026

📌 𝐎𝐟𝐟𝐫𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐛𝐨𝐮𝐫𝐬𝐞𝐬 𝐝'𝐞́𝐭𝐮𝐝𝐞𝐬 𝐝𝐮 𝐆𝐨𝐮𝐯𝐞𝐫𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐚𝐥𝐠𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐧 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥'𝐚𝐧𝐧𝐞́𝐞 𝐮𝐧𝐢𝐯𝐞𝐫𝐬𝐢𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟔-𝟐𝟎𝟐𝟕

👉 Azonao atao ny manatitra mivantana ny antontan-taratasy eny amin'ny Service des Bourses Extérieures (SBEX) na

👉 mametraka ny fangatahanao amin'ny alalan'ny dépôt en ligne amin'ny sehatra ôfisialy, izay natao hanamorana ny fandraisana ny antontan-taratasy: https://boursesext.mesupres.edu.mg/
Nalaina ta amin’ny pejin’ny

📚 RENTRÉE, CONCOURS, DOSSIERS ADMINISTRATIFS… I-TRUST DOC ETO MIASA HOANAO !Efa manakaiky ny fidiran’ny mpianatra ary ma...
12/08/2026

📚 RENTRÉE, CONCOURS, DOSSIERS ADMINISTRATIFS… I-TRUST DOC ETO MIASA HOANAO !

Efa manakaiky ny fidiran’ny mpianatra ary maro amintsika no mila manomana antontan-taratasy toy ny copie, certificat de nationalité, bulletin n°3, sns.

Mety ho an’ny:
🎓 Fisoratana anarana amin’ny sekoly sy oniversite
📝 Concours administratifs isan-karazany
🏛️ Dossier hidirana ho mpiasam-panjakana
📂 Ary ireo démarches administratives maro hafa.

😩 Tsy manam-potoana hilahatra eny amin’ny biraom-panjakana?
💼 Miasa mandritra ny andro?
🚶 Tsy te handany fotoana amin’ny fivezivezena sy filaharana?

👉 Avelao izahay no hisolo tena anao!

📲 Alefaso MP amin’ny pejy na mifandraisa aminay amin’ny WhatsApp +261 34 69 603 21 dia resaho mivantana aminay ny zavatra ilainao.

🎁 BONUS: GRATUIT ny récupération sy livraison raha ao amin’ny Centre-ville.

⚡ Mahazoa fotoana. Aza mandany andro amin’ny filaharana.
I-Trust Doc — Misolo tena anao eto Antananarivo. 🇲🇬

📩 MP | WhatsApp — Mifandraisa aminay dieny izao!

😍😍😍😍😍Mizara zavatra mahasoa hoanao😍😍😍😍😍🇲🇬FANGATAHANA TANIM-PANJAKANA                            𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚1️⃣ ...
29/07/2026

😍😍😍😍😍Mizara zavatra mahasoa hoanao😍😍😍😍😍

🇲🇬FANGATAHANA TANIM-PANJAKANA

𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐝𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚𝐡𝐢𝐧𝐚

1️⃣ 𝑭𝒂𝒎𝒂𝒓𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒔𝒂𝒕𝒂-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒉𝒂𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂

Ny lalàna 60-004 no nihatra mahakasika ny tanim-panjakana talohan’ny fanavaozana azy tamin’ny 2005.

Taorian’ny 2005 dia teraka ny lalàna 2005-019/17 Oktobra 2005 mikasika ny sata-tany : tanim-panjakana, tany an’olon-tsotra ary misy ny tany manana ny sata manokana.

Nisy ny fanovana ny lalàna tamin’ny 2005. Ankehitriny, ny lalàna 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 no manankery amin’ny fangatahana tanim-panjakana.

2️⃣ 𝑰𝒛𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?

Afaka mangataka avokoa ny olon-drehetra.

3️⃣ 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒓𝒆𝒇𝒚 𝒕𝒐𝒂 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒂𝒇𝒂𝒌𝒂 𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 ?

Tsy voafetra ny refin’ny tany azo angatahina.

-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : tanim-panjakana tsy misy titra, tsy misy kadasitra, na efa manana titra amin’ny Fanjakana .

-𝓣𝓪𝓷𝓲𝓶-𝓹𝓪𝓷𝓳𝓪𝓴𝓪𝓷𝓪 𝓽𝓼𝔂 𝓪𝔃𝓸 𝓪𝓶𝓲𝓭𝔂 : natokana ho an’ny Minisitera, Domaine Public (ampiasaina hoan’ny vahoaka).

4️⃣ 𝑹𝒆𝒉𝒆𝒇𝒂 𝒊𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒏𝒐 𝒍𝒂𝒔𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝒐𝒍𝒐𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 ?

👉🏻Miafara amin’ny fahazoana 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 ny dingana arahina amin’ny fahazoana tany. 𝑇𝑖𝑡𝑟𝑎 izay milaza fa an’ny Fanjakana Malagasy aloha ny tany, ary izy no manome izany ho an’ny mpangataka.

🫴🏻 Misy karazany maromaro ny fanomezana tany ataon’ny Fanjakana :
𝐹𝑖𝑣𝑎𝑟𝑜𝑡𝑎𝑛𝑎 (vente)
𝐹𝑎𝑛𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑛𝑦 (affectation) raha ho an’ny Minisitera
𝐹𝑎𝑛𝑜𝑙𝑜𝑟𝑎𝑛𝑎 (Dotation) raha hoan’ny Kaominina
Fampanofana : fampanofana tsotra (bail ordinaire), bail emphytéotique.

5️⃣ 𝑰𝒏𝒐𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒅𝒊𝒏𝒈𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂𝒉𝒊𝒏𝒂 𝒓𝒂𝒉𝒂 𝒕𝒐𝒂 𝒌𝒂 𝒉𝒂𝒏𝒈𝒂𝒕𝒂𝒌𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂?

👉🏻Fanaovana saritany (plan) any amin’ny sampandraharahan’ny Fadrefesantany (service topographique) ka tsy maintsy midina any an-toerana izy mamaritra ny tany izay hangatahina.

👉🏻 Raha azo angatahina ny tany dia afaka miroso amin’ny famenoana ny « formulaire ».

👉🏻 Aterina ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany (Service des domaines) ny « formulaire » hitahirizana (enregistrement) ny antontan-taratasy. Miaraka amin’izay ny fahazoana ny laharan’ny tany, ary iny ihany koa ny daty fanombohan’ny fangatahana any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany ialohavan’ny fandoavam-bola antoka (cautionnement).

👉🏻 Misy ny fidinana ifotony (constatation des lieux) izay ataon’ny Kaomisionina tarihin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany. Ka antsoina ny tompony sy ireo mpiray vody rindrina mialohan’izany.
Ny Kaomisiaonina no manao fintanana an-tsoratra ny mahakasika ny eo ambonin’ilay tany angatahina : fanorenana nafambolena ary izay nanazary izany. Izy ireo ihany koa no mametraka ny heviny (avis) amin’ny fanomezana na tsia ilay tany.

👉🏻 Mitohy amin’ny fitsirihana faharoa (2nd repérage) ny dingana aorian’ny fahazoan’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany ny antontan-taratasy .

👉🏻 Rehefa vita izany dia alefa any amin’ny «autorités des décisions».

👉🏻 Manome tolokevitra ny lehiben’ny fari-piadidiana (chef circonscription) : omena na tsia ny tany, ny anton’izany ary mametra ny vidiny .

👉🏻 Mametraka ny sampandraharaham-paritra : mitombina ve ny fanomezana na tsia, ary ihany koa ny fanampahan-kevitra (décision) ao.

👉🏻 Rehefa tsy misy fanamarihana avy amin’ny «autorités des décisions» dia miroso amin’ny «immatriculation» ny tany. Satria ny tany voasoratra amin'ny anaran'ny Fanjakana Malagasy ihany no azo omena ny mpangataka.

👉🏻 Raha tsy mitombina kosa ny fangatahana, dia tsy tohizana intsony ny dingana.

👉🏻 Rehefa ekena ny fangatahana dia mety ho ny tany rehetra (totalité) na mety ho ampahany, arakarakin’ny zava-misy ao amin’ny fangatahana.

👉🏻 Amin’ny fotoana hivoahan’ny ny fanampahan-kevitra (décision) dia ampahafantarina (notifier) ny mpangataka.

👉🏻 Homanina ny antontan-taratasy rehetra hanaovana ny «Immatriculation» sy ny tsato-bato dia alefa any amin’ny sampandraharahan’ny Fandrefesantany. Ny titra kosa dia any amin’ny sampandraharahan’ny Fanananantany. Ary ny tompon’ny tany no manome ny anaran’ny tany izay mety aminy.

👉🏻 Rehefa vita izany dia midina ifotony ny Sampandraharahan’ny Fandrefesantany manao ny tsato-bato, ary misy fiantsoana ireo voakasika indray.

👉🏻 Raha tsy misy olana ny fanatanterahana ny tsato-bato dia averina any amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany indray ny antontantaratasy sy ny tatitra (PV) nanaovana ny «immatriculation» ary ny saritany mifanaraka amin’izany.

👉🏻 Ampahafantarina an’ilay mpangataka ny tany amin’ny alalan’ny «avis de paiement» ny vola tokony aloany, any amin’ny «Provision Domaniale» ary mahazo fanamarinana (quittance) izy rehefa voahefa izany. Ao anatin’ny iray (1) taona no tokony handoavana izany, ka raha tsy tanteraka izany ao anatin’io fe-potoana io dia azo atao ny manao fanafohanana ny fangatahany.

👉🏻 Manao sonia ny taratasim-pivarotana (acte de vente) ny mpangataka ary alefa any amin’ny «autorités d’approbation» : fileovana (préfet) na any amin’ny foibe.

👉🏻 Miverina any amin’ny foibem-pitantanana ara-ketra (centre fiscal) anaovana ny « enregistrement ».

👉🏻 Miroso amin’ny fanoratana amin’ny «livre foncier» izay «registre» ampiasain’ny sampandraharahan’ny Fananantany hanoratana ny titra an’ny olona tsirairay izay misoratra ao.

🫴🏻 Omena ny tompony ny « Duplicatat du titre » na dika mitovy amin’ilay « livre foncier » ao amin’ny Sampandraharahan’ny Fananantany.

6️⃣ 𝑭𝒆-𝒑𝒐𝒕𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒐𝒚 𝒏𝒚 𝒂𝒉𝒐𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒉𝒂𝒉𝒂𝒗𝒊𝒕𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒛𝒂𝒏𝒚 ?
Miankina amin’ny fahavononan’ny mpangataka, ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ary ireo sampana teknika izay miara miasa amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany sy ny Fandrefesantany ny fahafainganan’izany.

Amin’izao, noho ny ODOC na titra faobe izay karakarain’ny Minisitera dia haingana sy mora kokoa ny fangatahana ny tany. Mitambatra amin’ny toerana ny fangatahana ka manamora ny fanatanterahana ny «procédure», sy ny vidin’ny tany satria ny Fanjakana dia mitsinjo manokana an’ireo mpangataka tafiditra ao anatin’ny ODOC.

7️⃣ 𝑵𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒊𝒍𝒂 𝒉𝒐𝒎𝒂𝒏𝒊𝒏𝒂
Eny amin’ny peta-dridrina eny amin’ny circonscription tsirairay avy.
Nalaina tao amin’ny pejin’ny MATSF
📷sary nindramina

Eeeh😱😱😱😱fantatrao ve fa 1 volana mahery kely sisa dia tampitra ny fametrahana dossier hoan’ny concours fidirana manambon...
27/07/2026

Eeeh😱😱😱😱fantatrao ve fa 1 volana mahery kely sisa dia tampitra ny fametrahana dossier hoan’ny concours fidirana manamboninahitra ao Antsirabe jereo ato sao mbola misy tsy feno ny dossier-nao 🇲🇬🇲🇬🇲🇬🎊
Ireto avy ireo antontan-taratasy tsy maintsy fenoina amin'ny dossier-nao:

I. Documents administratifs & État civil :

1. Demande manuscrite d'inscription (miantefa amin'ny Ministre des Forces Armées).
2. Acte de naissance (latsaky ny 1 taona).
3. Extrait de casier judiciaire bulletin n°3 (latsaky ny 3 volana).
4. Certificat de nationalité malagasy (latsaky ny 1 taona).
5. Certificat de résidence (latsaky ny 3 volana).
6. Photos d'identité 2 (refy 4x4).
II. Diplômes :

1. Diplôme de Baccalauréat (copie certifiée conforme an-tsary noir et blanc).
2. Diplôme de spécialité (copie certifiée conforme).
3. Équivalence administrative du diplôme (navoakan'ny Ministère du Travail).
III. Pièces spécifiques (miankina amin'ny statut) :

👉 Pour les civils : Enquête de moralité (Gendarmerie), Certificat de position vis-à-vis du Service National, ary Autorisation de concourir + Certificat de situation administrative (raha efa mpiasam-panjakana).

👉 Pour les militaires : Demande visée par la hiérarchie, Certificat de situation administrative, Relevé de punition (3 taona farany), ary État de services.

IV. Pièces médicales (Atao any amin'ny Dokotera Miaramila) :

1. Certificat médical d'aptitude sy Certificat de toise.
2. Attestation de non contagiosité (miaraka amin'ny valin'ny fitiliana HIV, Syphilis, Hépatite B).
3. Attestation de non grossesse (ho an'ny vehivavy).

V. Frais & Imprimés (Eny amin'ny biraon'ny concours) :

1. Mandat poste 50 000 Ar (Droit d'inscription aloa any amin'ny Paositra).
2. Enveloppes VONONA na timbrées miisa 2 (misy adiresy sy laharana finday).
3. Fiche de renseignement sy Lettre d'engagement ho célibataire (raha manambady/manan-janaka).

Efa vonona ve ianao🇲🇬🇲🇬Afaka mifantoka amin’ny révision ianao de izahay no mikarakara ny dossier-nao

23/07/2026

Raha tsy manam-potoana nefa mila dossier hokarakaraina😊, azo atao tsara ny miresaka mivantana aminay fa manana vahaolana hoanao izahay.
Ianao mifantoka amin’ny asa aman-draharahanao andavanandro fa izahay no misahana ny fikarakarana manontolo🙏🙏✍
I-Trust Doc misolo tena anao eto Antananarivo😁

Arabaina izay afaka😍🙏Azo atao tsara ny mijery ny valim-panadinana ’ito🇲🇬
11/07/2026

Arabaina izay afaka😍🙏
Azo atao tsara ny mijery ny valim-panadinana ’ito🇲🇬

🇲🇬📊📈 𝐀𝐕𝐈𝐒 𝐃'𝐀𝐏𝐏𝐄𝐋 À 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐅𝐄𝐒𝐓𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐃'𝐈𝐍𝐓É𝐑Ê𝐓𝘊𝘰𝘭𝘭𝘦𝘤𝘵𝘦 𝘥𝘦 𝘥𝘰𝘯𝘯é𝘦𝘴 𝘴𝘰𝘤𝘪𝘰-é𝘤𝘰𝘯𝘰𝘮𝘪𝘲𝘶𝘦𝘴 𝘱𝘢𝘳 𝘥𝘦𝘴 𝘷𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘴 à 𝘥𝘰𝘮𝘪𝘤𝘪𝘭𝘦 𝘥𝘢𝘯𝘴 𝘭𝘦 𝘤𝘢𝘥𝘳...
29/06/2026

🇲🇬📊📈 𝐀𝐕𝐈𝐒 𝐃'𝐀𝐏𝐏𝐄𝐋 À 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐅𝐄𝐒𝐓𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐃'𝐈𝐍𝐓É𝐑Ê𝐓

𝘊𝘰𝘭𝘭𝘦𝘤𝘵𝘦 𝘥𝘦 𝘥𝘰𝘯𝘯é𝘦𝘴 𝘴𝘰𝘤𝘪𝘰-é𝘤𝘰𝘯𝘰𝘮𝘪𝘲𝘶𝘦𝘴 𝘱𝘢𝘳 𝘥𝘦𝘴 𝘷𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘴 à 𝘥𝘰𝘮𝘪𝘤𝘪𝘭𝘦 𝘥𝘢𝘯𝘴 𝘭𝘦 𝘤𝘢𝘥𝘳𝘦 𝘥𝘦 𝘭𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘦 𝘦𝘯 𝘱𝘭𝘢𝘤𝘦 𝘥𝘶 𝘙𝘦𝘨𝘪𝘴𝘵𝘳𝘦 𝘚𝘰𝘤𝘪𝘢𝘭 𝘜𝘯𝘪𝘲𝘶𝘦 (𝘙𝘚𝘜)
𝐏𝐨𝐬𝐭𝐞 𝐝𝐞 𝐂𝐡𝐞𝐟 𝐝'é𝐪𝐮𝐢𝐩𝐞
𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐜𝐭𝐬 : Amboasary Atsimo, Ambohidratrimo, Ambovombe Androy, Ampanihy Ouest, Ankazoabo, Antalaha, Antananarivo Avaradrano, Antanimora Atsimo, Antsiranana I, Bealanana, Bekily, Beloha, Benenitra, Beroroha, Betioky Atsimo, Betroka, Faratsiho, Fenerive Est, Fianarantsoa I, Ihosy, Isandra, Lalangina, Mandritsara, Morombe, Sakaraha, Taolagnaro, Toliary 1, Toliary II, Tsihombe, Vavatenina, Vohibato.

😁🙏😁AFAKA MANAMPY ANAO HATRANY I-TRUST DOC 🥰

‼️AVIS DE RECRUTEMENT OUVERT ‼️▶️ PERSONNELS ADMINISTRATIFS BÉNÉVOLES CTC▶️ PERSONNELS D'APPUI BÉNÉVOLES CTC ▶️ CHIRURGI...
29/06/2026

‼️AVIS DE RECRUTEMENT OUVERT ‼️

▶️ PERSONNELS ADMINISTRATIFS BÉNÉVOLES CTC
▶️ PERSONNELS D'APPUI BÉNÉVOLES CTC
▶️ CHIRURGIENS DENTISTES
▶️ ÉLECTRICIENS
▶️ MÉDECINS GÉNÉRALISTES (GESTES D'URGENCE EN CHIRURGIE PÉDIATRIQUE)
▶️ INFIRMIERS GÉNÉRALISTES BÉNÉVOLES
▶️ INFIRMIERS GÉNÉRALISTES IFIRP
▶️ TECHNICIENS DE MAINTENANCE
▶️ MÉDECINS GÉNÉRALISTES
▶️ MÉDECINS SPÉCIALISTES
▶️ PHARMACIENS
▶️ SAGES FEMMES BÉNÉVOLES
▶️ SAGES FEMMES IFIRP
▶️ TECHNICIENS DE LABORATOIRE
▶️ MÉDECINS URGENTISTES

💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.

🚨🚨🚨🚨Filazana zavatra very📣📣📣🚨🚨🚨🚨Iangaviana ny tompon’ito passeport ito na izay mahalala ny tompony fa hita latsaka teo i...
24/06/2026

🚨🚨🚨🚨Filazana zavatra very📣📣📣🚨🚨🚨🚨
Iangaviana ny tompon’ito passeport ito na izay mahalala ny tompony fa hita latsaka teo isotry izy ity
Partagez au max mb1 hohitan’ny tompony

📌 𝐎𝐅𝐅𝐑𝐄𝐒 𝐃𝐄 𝐁𝐎𝐔𝐑𝐒𝐄𝐒 𝐃'𝐄𝐓𝐔𝐃𝐄𝐒 𝐃𝐔 𝐆𝐎𝐔𝐕𝐄𝐑𝐍𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐄́𝐆𝐘𝐏𝐓𝐈𝐄𝐍 𝐄𝐓 𝐃'𝐀𝐋-𝐀𝐙𝐇𝐀𝐑 𝐀𝐋-𝐒𝐇𝐀𝐑𝐈𝐅 𝐏𝐎𝐔𝐑 𝐋'𝐀𝐍𝐍𝐄𝐄 𝐔𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐀𝐈𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟔-𝟐𝟎𝟐𝟕𝐰𝐰𝐰.𝐦...
24/06/2026

📌 𝐎𝐅𝐅𝐑𝐄𝐒 𝐃𝐄 𝐁𝐎𝐔𝐑𝐒𝐄𝐒 𝐃'𝐄𝐓𝐔𝐃𝐄𝐒 𝐃𝐔 𝐆𝐎𝐔𝐕𝐄𝐑𝐍𝐄𝐌𝐄𝐍𝐓 𝐄́𝐆𝐘𝐏𝐓𝐈𝐄𝐍 𝐄𝐓 𝐃'𝐀𝐋-𝐀𝐙𝐇𝐀𝐑 𝐀𝐋-𝐒𝐇𝐀𝐑𝐈𝐅 𝐏𝐎𝐔𝐑 𝐋'𝐀𝐍𝐍𝐄𝐄 𝐔𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐀𝐈𝐑𝐄 𝟐𝟎𝟐𝟔-𝟐𝟎𝟐𝟕

𝐰𝐰𝐰.𝐦𝐞𝐬𝐮𝐩𝐫𝐞𝐬.𝐠𝐨𝐯.𝐦𝐠
Publication nadika avy ao ’ny MESUPRES

Address

Madera Namontana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 15:00
Sunday 09:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when I-Trust Doc : Services & Courses à Tana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share