05/06/2025
🔶🔷CUA / DEAH.
⚜️ Androany 05/06/25 , andro iraisam- pirenena ho an' ny tontolo ianainana.
🎯Tontolo iainana dia trano be iombonana , miantoka ny fahavelomana , fahasalamana .
🌏Tontolo iainana dia tany , rano , afo ,rivotra.
👭 Tany : Olombelona , biby , zava- maniry .
💥Afo : manafana , mazava .
🗻Rano : Aina mamelona ny zava- manan'aina rehetra , manadio .
🌀Rivo : Miantoka ny fahavelomana , fahasalamana .
✍️ Ry olom- pirenena :
👉Tsy afaka misaraka amin' ny zava- manan' aina ireo singa efatra ireo .
➡️Andao hiaraka hikolo ny tontolo ianaina :
📝Andao arovana ny rano : Tsy lotoina , kajina .
📝Andao hiaraka ampiasa angovo maitso
👉Ahena ny fampiasana ireo akora manimba ny tontolo iainana : plastika , setroka orin' asa , setroka avy amin' ny fitrandrahana ny ala.
🚫Atsahatra ny fitrandrahana ny ala sy ireo zava - manan' aina.
📝Andao hiaraka haneho fihetsika tsotra miainga ao an- tokatrano :
👉Rehefa tsy mandoto enao dia manadio .
👉Rehefa tsy manimba ny fananana iombonana dia efa mandray andraikitra .
👉Rehefa tonga saina ianao dia efa mitondra fanovana .
" Atsahatra ny fahazaran- dratsy ka soloina fandraisana andraikitra " ✊✊