17/02/2026
🎨 " Tsiaro ny Lasa" - Varotra fampirantiana haikanto Malagasy tsy tokony ho adino.
🗓️ Alakamisy 19 Febroary 2026
🕦 Amin'ny 11h30 - Fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny fampirantiana
➡️ Ivokolo Analakely - Galerie d'Art R.R.Raparivo
Ny sanganasan'i Hans Ranaivosoa sy ny Mpianany Andiany voalohany no haranty amin'ny alalan'ny hosodoko. Ity fampirantiana ity dia antso avo ho an'ny fanomezan-danja ny talentan'ny mpanakanto sy ny kanto Malagasy.
🕦 Misokatra isan'andro manomboka amin'ny 09 ora maraina hatramin'ny 04 ora hariva ny tahala. Tsy misy vidim-pidirana koa tongava maro.