Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana

Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana Page officielle du Ministère du Commerce et de la Consommation, MADAGASCAR

[07 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026] 🇲🇬FANANGANAN-TSAINA𝙉𝙤𝙢𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖, 𝙃𝙖𝙞𝙣𝙜𝙤𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙈𝘼𝘿𝙄𝙎𝙊𝙉, 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙤𝙫𝙖...
07/09/2026

[07 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]
🇲🇬FANANGANAN-TSAINA
𝙉𝙤𝙢𝙚𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖, 𝙃𝙖𝙞𝙣𝙜𝙤𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙈𝘼𝘿𝙄𝙎𝙊𝙉, 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙤𝙫𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 (𝙠𝙞𝙩 𝙨𝙘𝙤𝙡𝙖𝙞𝙧𝙚) 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙠𝙖𝙝𝙚𝙧𝙚𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙯𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙝𝙞𝙯𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙯𝙖𝙣𝙖𝙠𝙮 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖 𝙖𝙛𝙖-𝙥𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖 𝘽𝙖𝙘𝙘𝙖𝙡𝙖𝙪𝙧é𝙖𝙩, 𝙖𝙧𝙮 𝙝𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙖𝙞𝙫𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙨𝙖𝙝𝙞𝙧𝙖𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙢𝙖𝙣-𝙙𝙧𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙩𝙧𝙚𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙙𝙞𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙝𝙞𝙫𝙚𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙚𝙠𝙤𝙡𝙮 𝙩𝙖𝙤𝙧𝙞𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙡𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙖𝙨𝙖𝙩𝙧𝙖. 𝙉𝙖𝙩𝙤𝙡𝙤𝙩𝙧’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙩𝙖𝙣𝙟𝙖𝙝𝙖𝙣𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙣𝙞𝙨𝙤𝙡𝙤 𝙩𝙚𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖 𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝘼𝙎𝙄𝙀𝙁 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙠𝙤𝙨𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙗𝙤𝙖𝙧𝙖 𝙖𝙯𝙤𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙣𝙮 𝙈𝙖𝙣𝙖𝙠𝙖𝙧𝙖.

📗📐« 𝘔𝘢𝘳𝘪𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘬𝘢𝘵𝘪𝘢𝘷𝘢𝘯𝘢, 𝘧𝘪𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢-𝘮𝘪𝘦𝘯𝘵𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘬𝘪𝘯𝘢 », hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) raha niarahaba sy nankasitraka ireo zanaky ny mpiasan’ny Minisitera vao afaka tamin’ny fanadinam-panjakana farany teo izy ka nanome fitaovam-pianarana ho azy ireo. Tsy diso anjara tamin’izany koa ireo izay hiverina an-dakilasy indray hiatrika ny taom-pianarana vaovao. Hafatra nataon’ny Minisitra tamin’izy ireo ny hifantohany foana amin’ny fianarana ka tsy ho voasarika amin’ny rendrarendra samihafa.

🏆🥉Fotoana nandraisana ireo mpanao fanatanjahantena eto amin’ny MinCC nandray anjara tamin’ny ASIEF tany Manakara koa ny androany, nandritra ny fananganan-tsaina. Nitondra medaly volamena 8 sy medaly volafotsy 14 nody izy ireo.

✅Momba ireo asa tanterahana eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana dia nanaovan’ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON tatitra tamin’ny mpiara-miasa :
- Ny fanitarana hatramin’ny 2028 ny fisitrahan’i Madagasikara ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) ka ahafahana manohy ny fanondranana entana tsy misy haban-tseranana mankany Etazonia ;
- Ny fanaovan-tsonia ny Fifanekena iraisam-pirenena momba ny kakao niaraka tamin’ny ICCO (International Cocoa Organization) hanandratana hatrany ny kakao malagasy ;
- Ny fihatsaran’ny vidin’ny lavanila raha mitaha amin’ny vidy (prix de référence) napetraky ny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy),
- Ny fampiatoana ny fakana haban-tseranana sy hetra amin’ny fanafarana vary hitsinjovana ny mpanjifa,
- Ny fividianana vary akotry mivantana eny amin’ny tantsaha mpamboly amin’ny alalan’ny SPM mba tsy hahafaty antoka azy ireo.


[04 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]VOKATRA FANONDRANA𝙉𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙤𝙫𝙮 𝙛𝙞𝙟𝙚𝙧𝙮 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙠𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙠𝙖𝙠𝙖𝙤...
05/09/2026

[04 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]
VOKATRA FANONDRANA
𝙉𝙖𝙢𝙥𝙞𝙩𝙤𝙫𝙮 𝙛𝙞𝙟𝙚𝙧𝙮 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙮 𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙞𝙠𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙠𝙖𝙠𝙖𝙤 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙎𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙨𝙖𝙢𝙞𝙝𝙖𝙛𝙖.

📌Hampandrosoana bebe kokoa ny Sehatra kakao eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON, nandritra ny fifanaovan-tsonia niaraka tamin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Kakao (ICCO) ny 27 Aogositra 2026.
➡️Tetsy amin'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Ambohidahy ireo solontena avy amin'ny Minisitera sy rafitra samihafa no nidinika momba ny ho fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientana mba hampiakarana ny habetsahan'ny vokatra kakao, hanitarana ny famokarana, hampandrosoana ny fanodinana vokatra eto an-toerana ary hampivelarana ny lalam-barotra any ivelany.

✅Nambaran'ny Sekretera jeneralin'ny MinCC, Gilchrist RAKOTOSON, fa ny tena vaindohan-draharaha dia ny fitazonana ny kalitao izay efa ananana mba tena haharitra, sady hanampiana sy hanomezana lanja ny asan’ireo tantsaha mpamokatra voalohany, hahafahan’ny tsena anatiny sy ny mpanjifa eto an-toerana koa migoka ny kalitaon’ny vita malagasy.
"𝘙𝘢𝘩𝘢 𝘦𝘧𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘺, hoy izy, 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘩𝘰 𝘴𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘩𝘪𝘵𝘢 𝘭𝘢𝘭𝘢𝘮-𝘣𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘰𝘦𝘯𝘵𝘪𝘯𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘮𝘪𝘴𝘦𝘩𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘯-𝘵𝘢𝘯𝘺, 𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘬𝘢𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢".

👥Nandray anjara tamin'izany ny avy amin'ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Minisiteran'ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Centre de Cacao Ambanja ary ny FOFIFA.

🍫Tena mitondra avo ny voninahitry ny firenena ny vokatra kakao, ary mbola anisan’ireo manana kalitao tsara indrindra maneran-tany ny kakao malagasy, izay voasokajy ho « 100 % manan-tsiro sy hanitra miavaka ».


🇲🇬FANOMEZAN-DANJA NY MAHA-MALAGASY📃Manao fitafy malagasy ny mpiasam-panjakana isaky ny Zoma, araka ny Didim-panjakana ma...
04/09/2026

🇲🇬FANOMEZAN-DANJA NY MAHA-MALAGASY
📃Manao fitafy malagasy ny mpiasam-panjakana isaky ny Zoma, araka ny Didim-panjakana manan-kery.

Manaraka izany am-pireharehana fa malagasy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON sy ny mpiara-miasa aminy.

04/09/2026

FIAROVANA NY MPANJIFA
Antsoy ny Laharana maitso 📞 0382186104
👉raha mahita trangan-javatra mampiahiahy amin'ny entana amidy eny an-tsena
👉na mahita fanararaotana ara-barotra hanimba ny mpanjifa ianao.

Vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC)📉𝙉𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙖𝙛𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙤𝙝𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥...
03/09/2026

Vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC)

📉𝙉𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙖𝙧𝙮 𝙣𝙖𝙛𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙤𝙝𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙩𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙥𝙞𝙝𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙝𝙖𝙗𝙖 𝙨𝙮 𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙛𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙫𝙖𝙧𝙮. 𝙈𝙖𝙣𝙤𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖-𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙖𝙨𝙤 𝙖𝙫𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾).

👉ANOSY : Roa herinandro taorian'ny nampiatoana ny haba alaina amin’ny fanafarana vary dia efa misy tafaverina 650 Ar ny vidin’ny iray kapoaka amin’ny vary nafarana ankehitriny any amin’ny Faritra Anôsy. Ny iray gony kosa dia efa misy tafidina hatrany amin’ny 100 000 Ar ny vidiny farany ambany. Manana vary tahiry 20 000 taonina ny Faritra izay ampy hamatsiana ny mponina mandritra ny 3 – 5 volana eo ho eo.
👉VAKINANKARATRA : Nahitana fidinany 5.000 Ar hatramin’ny 7.000 Ar isaky ny kitapo ny vidin’ny vary nafarana izay nitarika fidinany manodidina ny 150 Ar isa-kilao eny amin’ny mpanjifa. 2200 – 2600 Ar/kg ny vidin’ny vary nafarana eny an-tsena.
👉ANDROY : Raha 113000 Ar ny vidy farany ambany amin’ny vary nafarana dia lasa 110000 Ar izany amin’izao fotoana izao. 3000 Ar isaky ny lasaka 50kg izay fidinany izay. Ny vidiny kosa dia arakaraka ny kalitaon’ny vary. Ny vary Barea avy any Inde dia 700 – 750 Ar no vidin’ny iray kapoaka ho an’ny mpanjifa.
👉ATSIMO ATSINANANA : Efa hita taratra eo amin'ny tsena any Atsimo Atsinanana ny fiantraikan'ny fanalana ny haba amin'ny vary nafarana satria raha 125000 Ar ny iray gony tamin'ny herin'andro lasa dia tsy nisy nihoatra ny 120000 Ar izany izao. Nisy fidinana 5000 Ar isaky ny gony ny teo anivon'ny mpamongady. Ho an'ireo mpaninjara ihany koa dia hita taratra izany satria lasa 800 Ar ny vidy farany ambony raha 850 Ar izany teo aloha.

[02 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]ANDEMAKA VOHIPENO𝙉𝙖𝙩𝙤𝙢𝙗𝙤𝙠𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙣𝙮 𝙖𝙨𝙖 𝙨𝙤𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙩𝙖𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙠𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 « 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙧𝙮 » 𝙩𝙖...
02/09/2026

[02 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]
ANDEMAKA VOHIPENO
𝙉𝙖𝙩𝙤𝙢𝙗𝙤𝙠𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙤𝙛𝙞𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙣𝙮 𝙖𝙨𝙖 𝙨𝙤𝙨𝙞𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙩𝙖𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙠𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 « 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙧𝙮 » 𝙩𝙖𝙧𝙞𝙝𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙙𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙡𝙤𝙝𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙀𝙡𝙞𝙨𝙖 𝙍𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙉𝙄𝙍𝙄𝙉𝘼.

📌Distrika anisan’ny maro ivontoerana indrindra mandray ka manampy ireo sahirana ny Distrikan’i Vohipeno. Natao tao Andemaka, miala ny renivohitry ny distrika, ny hetsika « mba ho fanavaozana fa tsy misy tany lavitr’Andriana ». Teny nentin’ny Vadin’ny Filoham-panjakana nanazavana ny antony nisafidianana an’Andemaka, nanatanterahana ny lanonana fanokafana ny famaliana ny filàn’ny fiaraha-monina ataon’ny Fikambanana Fanjiry.

🎯Mifantoka amin’ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fivelomana ny asan’ny Fikambanana Fanjiry ary mahaleotena tanteraka izy amin’izany. « 𝘔𝘢𝘯𝘢𝘯𝘵𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘦𝘯𝘢𝘬𝘰 𝘧𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘻𝘢𝘷𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘵𝘢𝘰𝘯𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘮𝘪𝘢𝘭𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘢, 𝘩𝘢𝘮𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘨𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢 », hoy ny Filohan’ny Fikambanana Fanjiry, Elisa RANDRIANIRINA.

👥Nanotrona ny lanonana tany Andemaka Vohipeno ireo Minisitra vehivavy sy vehivavy vadina Minisitra ka anisan’izany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.

✅Ho fanombohana ny asa dia nanolotra fitaovana ho an’ny kaominina mandrafitra ny Distrikan’i Vohipeno ny Vadin’ny Filoha. Izany fitaovana izany dia nahitana milina miaraka amin’ireo kojakoja samihafa fanjairana, milina fitotoam-bary, lakana fiampitana rano, fitaovana hiatrehana ny fiterahana sy kidoro, fanitso ho an’ny toeram-pianarana vitsivitsy. Hisy koa ny fijerena maso maimaim-poana, fampihofanana sy fizarana masom-boly sy zezika, fizaham-pahasalamana maimaim-poana ary fizarana fitaovam-pianarana. « 𝘈𝘮𝘪𝘯’𝘪𝘻𝘢𝘰 𝘷𝘢𝘯𝘪𝘮-𝘱𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘰 𝘯𝘰 𝘩𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘯𝘵𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘷𝘦𝘩𝘪𝘷𝘢𝘷𝘺 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘪𝘬𝘪𝘵𝘳𝘢 𝘮𝘣𝘢 𝘩𝘰 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘢𝘯𝘫𝘢𝘳𝘢 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘪𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 », hoy ny Filohan’ny Fanjiry.


[01 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]🇲🇬🇺🇸 AFRICAN GROWTH AND OPPORTUNITY ACT 𝙑𝙞𝙩𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙩𝙨𝙖-𝙗𝙖𝙩𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙋𝙖𝙧𝙡𝙚𝙢𝙖𝙣𝙩𝙖 𝙖𝙢𝙚𝙧𝙞𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙢𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙢𝙞𝙣’...
02/09/2026

[01 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]
🇲🇬🇺🇸 AFRICAN GROWTH AND OPPORTUNITY ACT
𝙑𝙞𝙩𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙩𝙨𝙖-𝙗𝙖𝙩𝙤𝙣’𝙣𝙮 𝙋𝙖𝙧𝙡𝙚𝙢𝙖𝙣𝙩𝙖 𝙖𝙢𝙚𝙧𝙞𝙠𝙖𝙣𝙖, 𝙢𝙞𝙩𝙤𝙝𝙮 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 2028 𝙣𝙮 𝘼𝙂𝙊𝘼.

📌Dingana lehibe vita ny 01 Septambra 2026, rehefa nolanian’ny House of Representatives amerikana tamin’ny vato 370 noho 48 ny Volavolan-dalàna HR 6500 hanalavana ny AGOA.

Izany dia mameno ny latsa-bato nataon’ny Senate tamin’ny 8 Aogositra 2026, ka vita ny latsa-baton’ny Parlemanta amerikana manontolo momba ny fanitarana ny AGOA hatramin’ny Desambra 2028, tsy nisy fanitsiana.

➡️ Ny dingana manaraka dia ny fiandrasana ny fankatoavan’ny Filoha amerikana, izay hamita ny dingana ara-panjakana hahatonga ity fanitarana ity ho manan-kery.

🇲🇬Ho an’i Madagasikara dia vaovao lehibe sy mahavelom-panantenana izany, satria manome fitoniana sy fahitana mazava kokoa ho an’ireo mpanondrana malagasy ary manampy amin’ny fanamafisana ny fahatokisan’ireo mpampiasa vola amin’ny tsena amerikana.

Ity dingana ity dia vokatry ny fitarihana ara-barotra nataon-dRamatoa Minisitry ny Varotra, Haingotiana ANDRIAMADISON, niaraka tamin’ny fiaraha-miasan’ireo sampan-draharaha teknika voakasika, ary ny ezaka sy ny asa teny ifotony nataon-dRamatoa Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, Lantosoa RAKOTOMALALA.

🔜 Tsy mijanona eo ny ezaka. Ny tanjona manaraka dia ny fanohizana ny fifampidinihana sy ny fanentanana mba hahazoana fanitarana maharitra 10 taona aorian’ny 2028, izay hanome fahamarinan-toerana sy vinavina maharitra ho an’ireo mpanondrana sy mpampiasa vola, ary hanamafy hatrany ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia.

🇲🇬 𝘋𝘪𝘯𝘨𝘢𝘯𝘢 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦 𝘷𝘪𝘵𝘢. 𝘔𝘪𝘵𝘰𝘩𝘺 𝘯𝘺 𝘦𝘻𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘩𝘰𝘢𝘷𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘎𝘖𝘈 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘮𝘣𝘰𝘯𝘵𝘴𝘰𝘢𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢.

[01 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]🔥HAIN-TRANO TANY ANDRANOMAVO MANAKARA𝙏𝙤𝙣𝙜𝙖 𝙣𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙧𝙖𝙗𝙤𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙫𝙚𝙝...
01/09/2026

[01 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]
🔥HAIN-TRANO TANY ANDRANOMAVO MANAKARA
𝙏𝙤𝙣𝙜𝙖 𝙣𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙧𝙖𝙗𝙤𝙞𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙫𝙚𝙝𝙞𝙫𝙖𝙫𝙮 𝙨𝙮 𝙫𝙚𝙝𝙞𝙫𝙖𝙫𝙮 𝙫𝙖𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙖.

📌Nanao rodobe nankahery ireo rava fananana noho ny hain-trano niseho omaly tany Andranomavo, Kaominina Ivatana any amin’ny Distrikan’i Manakara ireo vehivavy mpikambana ao amin’ny Governemanta sy vehivavy vadin’ireo Minisitra lehilahy. Nirahin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM) sy ny Praiminisitra hijery ifotony ny takaitra izy ireo, araka ny fitondran-teny nataon’ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra RAZAFIMANANTSOA.

🛍️Nisy avy hatrany ny fanomezana vatsy sy fanampiana ireo traboina hahafahany miatrika ny zava-misy. Ho an’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON manokana dia fanitso hatao tafo no voarambin’ny tanany ka anisan’ny natolotra ireo niharam-pahavoazana, hanampiana azy amin’ny fanorenana ny simba.

📢Nanterin’ny mpitondra fitenenana moa fa tsy manadino ireo traboina tamin’izao hain-trano izao ny Fitondram-panjakana ka vantany vao nandre dia tonga ny solontena.


[01 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]TAOM-PIOTAZANA LAVANILA MAITSO ANY ANALANJIROFO𝙈𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙩𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙞𝙫𝙤𝙡𝙤 𝙢𝙥𝙖...
01/09/2026

[01 𝘚𝘦𝘱𝘵𝘢𝘮𝘣𝘳𝘢 2026]
TAOM-PIOTAZANA LAVANILA MAITSO ANY ANALANJIROFO
𝙈𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙩𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙗𝙖𝙣𝙞𝙫𝙤𝙡𝙤 𝙢𝙥𝙖𝙢𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙡𝙖𝙫𝙖𝙣𝙞𝙡𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙢𝙞𝙫𝙞𝙙𝙮 𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙡𝙖𝙫𝙖𝙣𝙞𝙡𝙖 𝙢𝙖𝙞𝙩𝙨𝙤 𝙚𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙖𝙣𝙩𝙨𝙖𝙝𝙖.

🗓️Aty amin’ny iray volana sy tapany taorian’ny nisokafan’ny taom-piotazana lavanila maitso ho an’ny Faritra Analanjirofo dia hita midina hatrany amin’ny tanàna sy fokontany samihafa ireo mpandraharaha mpividy lavanila eny amin’ireo mpamokatra, indrindra ireo izay nanao fifanarahana tamin’ny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy).

👉Lavanila maitso milanja 𝟏𝟒.𝟔𝟖𝟎𝐤𝐠 no voahangon’ny Orinasa RAZANDRY Rosin tao Ambalafary, Kaominina Vohipeno any amin’ny Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana nandritra ny hateloana, ny 25 hatramin’ny 27 Aogositra 2026.

👉Ny 27 Aogositra 2026 kosa no nandanjan’ny Orinasa TSIMIAVA Doris ny l avanilan’ny mponina ao Mahatsara, Kaominina Antanifotsy, Distrika Soanierana Ivongo ka nividianany lavanila lava 𝟑.𝟎𝟎𝟎𝐤𝐠.

👉Ny Orinasa kaoperativa TARATRA tao Ambatoharanana , Kaominina Ambatoharanana, Distrika Fenoarivo Atsinanana dia nividy lavanila lava 𝟑.𝟓𝟏𝟒𝐤𝐠 tamin'ny 22 Aogositra 2026.

👉Tafakatra hatrany amin’ny 𝟏𝟐.𝟎𝟎𝟎,𝟒𝟓𝐤𝐠 ny vokatra lavanila lafon’ireo mpamboly tamin’ny Orinasa RAKOTONANDRASANA Anatole tao amin’ny Kaominina Ambatoharanana sy Maromitety, Distrikan’i Vavatenina nandritra ny efatra andro. Nidina tany amin’ny Fokontany Ambatoharanana ny mpividy ny 24 – 25 Aogositra ary nifindra tao Maromitety ny 26 – 27 Aogositra 2026.

👉Fokontany Iampirano, Antara, Amberimanitra ary Sahamirary izay samy ao anatin’ny Kaominina Andapafito kosa no nirotsahan’ny Orinasa TEFY ny 24 hatramin’ny 27 Aogositra 2026 ka nahazoany lavanila maitso 𝟔.𝟐𝟒𝟗,𝟖𝐤𝐠.

👉Ho an’ny Orinasa RAKOTO Romual dia lavanila maitso 𝟑𝟎𝟎𝟎𝐤𝐠 no novidiany tao Vohilengo sy Ambodisary any amin’ny Kaominina Vohilengo Fenoarivo Atsinanana ny 24 hatramin’ny 26 Aogositra 2026.

👉Ny Orinasa kaoperativa FAGNAMPY moa dia nidina tany Iampirano, Antara, Amberimanitra ary Sahamirary ao amin’ny Kaominina Andapafito, Distrika Soanierana Ivongo ihany koa ka nahavory lavanila maitso 𝟑.𝟗𝟔𝟔 𝐤𝐠.




📷Sary nomena

Address

6 Rue Wast Ravelomoria, Ambohidahy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share