31/07/2026
Vita soa aman-tsara ny famindram-pitantanana teo amin'ny Filoha teo aloha RATOVO ALITERA Serge sy ny Filoha vaovao SEMPIFAFI ANDRIAMAHERIARISOA Lazahasina Jocelyn anio zoma 31jolay 2026.
Isaorana ny solo-tenan'ny "Solidarité Syndicale de Madagascar" izay nisoloan'Andriamatoa Sekretera Jeneraly sy ny mpisahana ny lafiny serasera tena nanome voninahitra izany.
Ankasitrahana tanteraka ny Filoha teo aloha tamin'ny asa vitany sy ny ezaka nataony teo anivon'ny birao SEMPIFAFI.
Nitso-drano ny birao vaovao izy hahaleo hahalasana.
Nankasitraka ny asa vitany kosa ny Filoha vaovao ary nanome toky fa hanao ny ezaka rehetra hanatrarana ireo tanjona kendren'ny Fikambanana sendikaly.
Nitso-drano ny birao vaovao koa ny Sekretera Jeneraly SSM ary nilaza fa zava-dehibe ny fisian'ny Fikambanana sendikaly eo anivon'ny Minisitera.
Tsy mpanao fahagagana hoy izy ny birao sendikaly fa manao dingana tsikelikely ary tena zava-dehibe ny miezaka manampitra ireo dingana fifampiresahana rehetra rehefa manao fitakiana.