20/07/2026
ROVAN' ANTANANARIVO
REHEFA feno 7 taona aho dia nentin' ny raiko nitsidika ny Rovan' Antananarivo. Ny nahagaga dia izaho irery no nentiny teny tamin'ireo zanany.
Rehefa tonga teny dia nentiny nijery ny fasana fito miandalana sy ny fasan' ny mpanjakavavy sy Mpanjaka lahy aho ary niteny mora izy fa havany no ao sady razambeany. Rehefa vita izany dia niditra tao @ Tranovola ka ny nahavariana ahy dia ny fankafizan' ny raiko mitantara ny momban' ny Mpanjaka Radama I.
Toerana mitahiry tantaram-pianakaviana tantaram-pirenena efa ho 400 taona izao ny ROVAN' ANTANANARIVO! Teto no nandrafetana ny fanjakan' Imerina efatra toko sy Enintoko ary ny fanjakan' ny Madagasikara ary teto koa no nandravana fanjakan' Andrianampoinimerina sy ny fanjakan' ny Madagasikara.
Tsy adala ny frantsay nanaja araka izay fàntany sy azony atao eo @ lafiny ara-pitondrana, politika sy koltoraly ny hasin ' ny Rovan' Antananarivo. Ny nahagaga anefa dia isika malagasy no mpanimbazimba sy mpanotada fady ary manitsakitsaka ny hasin' ny Rova.
Raha mihevitra izao fitondrana izao fa tsy maika ny fanatanterahana ilay didipitsarana navoakan'ny fitsarana dia tokony ho fantany fa manankasina sy mananjina io Rova io!