Commune Antehiroka Officielle

Commune Antehiroka Officielle Antehiroka tsy maintsy mamiratra

🏃‍♂️🏃‍♀️ Mirary fahombiazana ho an’ny ekipan’ny 2ACA!Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Académie d’Athléti...
29/07/2026

🏃‍♂️🏃‍♀️ Mirary fahombiazana ho an’ny ekipan’ny 2ACA!

Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Académie d’Athlétisme de la Commune d’Antehiroka (2ACA), dia hiatrika ny Championnats de Madagascar ireo atletantsika manomboka ny Zoma 31 Jolay.

Izy ireo no hisolo tena amim-boninahitra ny Commune Antehiroka amin’ity fifaninanam-pirenena ity.

📢 Marihina fa misokatra ho an’ny tanora rehetra monina eto amin’ny Kaominina Antehiroka ihany koa ny Académie d’Athlétisme (2ACA). Koa raha liana amin’ny taranja athlétisme ianao ary te hampivelatra ny talentanao, dia tongava misoratra anarana ary miaraha manofana miaraka aminay.

Koa manentana antsika rehetra mba ho tonga maro hanohana sy hampahery ireo atletantsika amin’ity fifaninanana ity. Ny fanohanantsika no hery hanampy azy ireo hitondra avo ny voninahitr’ny Kaominina Antehiroka.

🙏 Mirary fahombiazana sy fandresena ho an’ny ekipantsika!
Antehiroka iray fo, manohana ny tanorany ary manangana ny hoavin’ny fanatanjahantena. 🏅💙

📢 FILAZANA OFISIALY HO AN’NY MPONINA ETO AMIN’NY KAOMININA ANTEHIROKAFaly izahay mampahafantatra anareo fa efa eo am-pam...
27/07/2026

📢 FILAZANA OFISIALY HO AN’NY MPONINA ETO AMIN’NY KAOMININA ANTEHIROKA

Faly izahay mampahafantatra anareo fa efa eo am-pamaranana ny asa fanamboarana ny Lycée d’Antehiroka ireo mpanatanteraka ny asa.

Koa dia ampahafantarina amin’ny fomba ofisialy fa hisokatra amin’ity taom-pianarana vaovao ity ny Lycée d’Antehiroka.

Momba ny fidirana kosa dia marihina fa misy ny lamina sy fepetra hapetraka, ary tsy hisy fanavakavahana amin’ny fandraisana mpianatra. Ireo nahazo ny BEPC sy afaka hiakatra Seconde, indrindra ireo ankizy monina eto amin’ny Kaominina Antehiroka, dia afaka mangataka hiditra.

Hisy fe-potoana voafaritra handraisana ny antontan-taratasy, izay hambara amin’ny alalan’ny Fokontany 9 sy ny fantsona fifandraisana ofisialin’ny Kaominina. Marihina fa araka ny isan’ny toerana (classe de Seconde) azon’ny lycée raisina no handraisana ny mpianatra.

Havoaka tsy ho ela ny antsipirihan’ny lamina sy ny fepetra rehetra momba ny fisoratana anarana.

Manentana ny ray aman-dreny sy ny tanora rehetra izahay mba hanaraka akaiky ireo fanambarana ofisialy avy amin’ny Kaominina Antehiroka.

Kaominina Antehiroka
Miasa ho an’ny fampandrosoana sy ny fanabeazana.

Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanoloana ireo jiro (ampoules) simba. Ireo contacteurs maty teny Ambohibao sy ...
24/07/2026

Efa nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanoloana ireo jiro (ampoules) simba. Ireo contacteurs maty teny Ambohibao sy Antalamohitra dia efa nosoloina. Mbola mitohy kosa ny fanoloana ireo ampoules manerana ireo Fokontany 9, mba hanatsarana hatrany ny jiro eny amin’ny arabe sy ny fiarovana ny mponina. Misaotra antsika rehetra amin’ny fiaraha-miasa. Natomboka tany Ankadivory.

📢 HETSIKA FIZAHAM-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANANy Fiangonana Adventiste dia mikarakara🩺 Hetsika Fizaham-pahasalamana Maimaim...
23/07/2026

📢 HETSIKA FIZAHAM-PAHASALAMANA MAIMAIMPOANA

Ny Fiangonana Adventiste dia mikarakara
🩺 Hetsika Fizaham-pahasalamana Maimaimpoana

Manasa ny mponina hanatrika ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana.
📅 Alahady 26 Jolay 2026
📍 Amontana – Ambohijanahary
🕗 08:00 maraina – 02:00 hariva
Tolotra: Fizahana ankapobeny, tosi-drĂ , diabeta, maso, ĂŠchographie, fizahana zazakely ary vaksiny.
👉 Tongava maro, mifampilazà

📢🚨 FAMPITANDREMANA⛔Taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny Distrika sy ireo tompon’andraikitra rehetra, ary noho ny toe-...
22/07/2026

📢🚨 FAMPITANDREMANA⛔

Taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny Distrika sy ireo tompon’andraikitra rehetra, ary noho ny toe-javatra misy amin’izao fotoana izao, dia hamafisina ny fanaraha-maso aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana Baccalauréat. 🎓

👨‍👩‍👧 Ry Ray aman-dreny, manentana anareo izahay mba hitsena sy hanara-maso akaiky ny zanakareo , hiezaka hanao izay fara-herinay izahay eto amin'ny Kaominina amin'ny fitanterana ireo zanantsika mody.
⛔Raha azo atao, tsenao ny ankizy ,fantaro ny toerana alehany sy ny olona ifaneraserany, satria maro ny mety hanararaotra amin’izao vanim-potoana izao. ⚠️

🎒 Ry mpianatra, mifalia amin’ny fahavitan’ny fanadinana, saingy , tandremo sy hevero ny atao!
⛔ Aza manaiky ho voatarika amin’ny zavatra mety hanimba ny hoavinareo sy ny ezaka rehetra nataonareo.

🤝 Aoka isika rehetra hiara-hientana hiaro ny zanatsika sy hitandro ny filaminana.

🛡️ Ny fiarovana ny zanaka dia andraikitry ny rehetra.

Kaominina Antehiroka

📢 ASA VONJY VOINA Nanomboka tamin'ny Talata 14 Jolay 2026 ny fanatanterahana ny Tetik'asa ACT PC (Argent Contre Travail)...
21/07/2026

📢 ASA VONJY VOINA

Nanomboka tamin'ny Talata 14 Jolay 2026 ny fanatanterahana ny Tetik'asa ACT PC (Argent Contre Travail), vatsian'ny FID sy ny Banky Iraisam-pirenena.

Ity tetik'asa ity dia mikendry ny fanadiovana sy fanatsarana ny fahadiovan'ny tanĂ na, ka tanterahina ao amin'ireto fokontany ireto:

Morondava

Antalamohitra

Andranoro
Amboaroy

Fiaraha-miasa hanampiana ireo Fokontany nahitana traboina vokatry ny fandalovan'ny rivodoza farany teo.
Maharitra 20 Andro izany asa izany , manentanana antsika mponina mba hifanohana hatrany amin'izany ary hitandro sy ho samy sarotiny hatrany amin'ny fahadiovan'ny tananantsika.

Andao hiara-hiasa ho amin'ny tontolo madio sy salama, ho tombontsoan'ny rehetra.

Kaominina Antehiroka
FID – ACT PC

20/07/2026
Tontosa anio ny fivoriana niaraka tamin'ireo tantsaha eto Antehiroka. Maro ny dinika nifanakalozana hampandrosoana ny fa...
16/07/2026

Tontosa anio ny fivoriana niaraka tamin'ireo tantsaha eto Antehiroka.
Maro ny dinika nifanakalozana hampandrosoana ny fambolena sy fiompiana.
Ho Jerena araka izany ny fampitaovana sy ny zezika, ny fambolem-bary, ny fitsaboana ny biby fiompy sns.

Address

Antehiroka

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Antehiroka Officielle posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share