DRAE Vakinankaratra 2026

DRAE Vakinankaratra 2026 Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from DRAE Vakinankaratra 2026, Government Organization, Antsirabe.

FIDINANA IFOTONY SY FITSIDIHANA IREO MPISEHATRA AMIN’NY RONONO AO AMIN’NY DISTRIKA BETAFO NIARAHAN’NY DRAE VAKINANKARATR...
25/03/2026

FIDINANA IFOTONY SY FITSIDIHANA IREO MPISEHATRA AMIN’NY RONONO AO AMIN’NY DISTRIKA BETAFO NIARAHAN’NY DRAE VAKINANKARATRA SY NY TETIKASA PROFI-LAIT.

Anisany zava-dehibe sy miantoka ny fahatratrarana ny tanjona napetraka amin’ny asa na Tetikasa iray ny fifaneraserana matetika eo amin’ireo rafitra mpandindra sy mpanatanteraka ary ireo mpisitraka na mpanao tantsoroka samihafa. Manoloana izany dia nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Betafo, sy Kaominina Ranomafana distrika Betafo, izay niarahan’ny teo anivon’ny Fitalevam-paritra miadidy ny Fambolena sy Fiompiana Vakinankaratra ( DRAE) sy ny avy eo anivon’ny Tetikasa PROFI-LAIT. Ny tanjona dia ny hijerevana ny zava misy mahakasika ny fiaraha miasa, sy handraisana ny hetahetan’ireo mpisehatra tsirairay mahakasika ny fanatsarana ny fiaraha-miasa, fa indrindra ny an’ireo tantsaha mpiompy. Anisany nivoitra tamin’ny fitsidihana ireo olana sedrain’ireo tantsaha mahakasika ny fanagonana ronono, ny mahakasika ny voly vilona sy ny sakana ara-pitaovana, ka ho ezahina ny hamahana izany araka ny andraikitra izay tandrify ny tsirairay.

FANAOVANA FITSIRIHANA IREO TOERAM-PIVAROTAN-KENA ANTSIRABE RENIVOHITRAAnisany zava-dehibe  sy miantoka ny fahasalaman’ny...
19/03/2026

FANAOVANA FITSIRIHANA IREO TOERAM-PIVAROTAN-KENA ANTSIRABE RENIVOHITRA

Anisany zava-dehibe sy miantoka ny fahasalaman’ny mpanjifa ny fanarahan’ireo mpivarotra ny fenitra napetraka. Mba hisorohana ny gaboraraka sy ahafahana manao fanentanana ireo mpisehatra amin’ny asa fivarotan-kena dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo teknisianina tomponandraikitra ao amin’ny DRAE Vakinankaratra sy ny teknisianina eo anivon’ny Birao Monisipaly misahana ny fahadiovana. Mpivarotra maromaro no noezahina notetezina manerana ny kaominina Ambonivohitra Antsirabe : Mahazina, Ambavahadimangatsiaka, Antsenakely, Avaratsena, Ambohimianrdrisoa, Mahazoarivo atsimo sy avaratra ary Tomboarivo. Notsindriana manokana nandritra ny fandalovana ny mahakasika ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana, ny fahazahoan-dalana (agrément sanitaire) sy ny fisavana ireo trano sy ny hena amidy eny ambony ankalana.

FAMPIOFANANA MAHAKASIKA NY FAMBOLENA IREO TANORA MIARAMILA MANAO FANOMPOAM-PIRENENA TAO AMIN’NY ENSOA ANTSIRABE Ao anati...
17/03/2026

FAMPIOFANANA MAHAKASIKA NY FAMBOLENA IREO TANORA MIARAMILA MANAO FANOMPOAM-PIRENENA TAO AMIN’NY ENSOA ANTSIRABE

Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENSOA (Ecole Nationale des Sous-Officiers de l’Armée) Antsirabe sy ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy Fiompiana (DRAE) Vakinankaratra dia nanatontosa fampiofanana ireo tanora Miaramila manao fanompoam-pirenena (FRRAD 4ème Vague) mahakasika ny fambolena vary, fambolena legioma, fambolena mangahazo ara-teknika (basket compost), ary ny fikarakarana ny voly ireo teknisianina eo anivon’ny DRAE vakinankaratra.

FIDINANA IFOTONY SY FANJOHIANA NY FAMPIHARANA NY TEKNIKA P-DIPPING TAO AMIN’NY KAOMININA AMBATOLAHY DISTRIKA ANTANIFOTSY...
12/03/2026

FIDINANA IFOTONY SY FANJOHIANA NY FAMPIHARANA NY TEKNIKA P-DIPPING TAO AMIN’NY KAOMININA AMBATOLAHY DISTRIKA ANTANIFOTSY/ FARITRA VAKINANKARATRA

Mba ahafahana mijery ifotony sy mandrefy ny tohana nataon’ny Tetikasa FY-VARY, mahakasika ny fampiharana ny teknika P-dipping, dia nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny kaominina Ambatolahy, Distrika Antanifotsy- Vakinankaratra, ireo teknisianina eo anivon’ny DRAE Vakinankaratra izay notarihin-dRamatoa talem-paritry ny Fambolena sy Fiompiana. Marihina moa fa ny Tetikasa FY-VARY dia Tetikasa iray vatsian’ny JICA vola, ary miara miasa ami’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana amin’ny fanatsarana sy fampitomboana ny voka-bary.

Address

Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DRAE Vakinankaratra 2026 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share