Prefecture d'Antsirabe

Prefecture d'Antsirabe Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Prefecture d'Antsirabe, Government Organization, Prefecture, Antsirabe.

FANOHANANA  NY TANTSAHA HO AMIN’NY FAMOKARANA Tonga nitsidika vahoaka Vakinankaratra teto Antsirabe  ny Filohan’ny Fanav...
19/09/2026

FANOHANANA NY TANTSAHA HO AMIN’NY FAMOKARANA

Tonga nitsidika vahoaka Vakinankaratra teto Antsirabe ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, sy Ramatoa vadiny teto amin’ny CFAMMA Antsirabe, androany Sabotsy 19 Septambra 2026.

Notronin’ Andriamatoa Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana RAPANARIVO Thierry, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, ary koa ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana sady Minisitra Mpiahy ny Faritra Vakinankaratra. Teo ihany koa ireo Solombavambahoaka avy eto Vakinankaratra sy avy amin’ny Faritra hafa, ary ireo manampahefana sivily sy miaramila.
Nandritra izany no nanolorana ;Traktera, Bisikileta, Kitapo, Labasy, Zezika ary Masomboly, ho fanohanana mivantana ireo tantsaha sy hanamafisana ny fahafahana-mamokatra.

28/08/2026

➡TANY AUTRUCHE SY PISTE - NOLAVIN’NY MINISTERA NY FANGATAHANA TANY NATAON’IREO NIBODO AZY

✅ Araka ny fanambarana nataon’ny fitaleavam-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany eto vakinankaratra dia nolavin’ny ministera ny fangatahan’ireo nibodo tany

✅ Nifarana omaly ny fe-potoana 10 andro tokony hialan’ireo nibodo ny tany eny amin’ny piste sy eny amin’ny Autruche araka ny naoty efa nivokaa

FITSARANA MIARAMILA :Nanomboka androany 26 Aogositra 2026 Fitsarana Miaramila , manomboka  aminy 8 ora maraina ka hatram...
26/08/2026

FITSARANA MIARAMILA :
Nanomboka androany 26 Aogositra 2026 Fitsarana Miaramila , manomboka aminy 8 ora maraina ka hatramin'ny 4 ora ariva ,mbola.mitohy mandritra 4 andro .eto amin'ny Birao Prefektora Antsirabe

25/08/2026

➡ FANANAN-TANY : NITONDRA FANAZAVANA MAHAKASIKA NY FANAJARIANA NY TANY IREO TOMPONANDRAIKITRA

✅ Niverimberina matetika tato ho ato ny hoe fanajariana ny tany ary lasa niteraka olana

✅ Nitondra fanazavana mahakasika ireo didy aman-dalàna mahakasika izany ny teo anivon'ny fananan-tany, ny fanajariana ny tany ary ny fandrefesan-tany eto Vakinankaratra

24/08/2026

FITSARANA MIARAMILA NY 26-27-28-29-30 Aogositra ,eto amin'ny Birao Prefektiora Antsirabe

17/08/2026

PREFECTURE ANTSIRABE ,FANANAN- TANY SY NY FANANJARIANA TANY : Manome 10 andro ireo olona nanorina fotodrafitr'asa eny amin'ny Tany Autriche ,Piste Vatofotsy ,Tsivatrinikamo ,mba handravana ireo trano sy tamboho miorina tsy ara dalana ao anatiny 10 andro

07/08/2026

➡➡FITSARANA MIARAMILA
MANOMBOKA NY 26-30 AOGOSITRA ETO AMIN'NY BIRAO PREFEKTORA ANTSIRABE
TONGAVA MARO

➡FITSARANA MIARAMILA                           FILAZANA  Ilazana isika zatovo lahy sy vavy feno 19 taona ka hatramin'ny ...
06/08/2026

➡FITSARANA MIARAMILA
FILAZANA
Ilazana isika zatovo lahy sy vavy feno 19 taona ka hatramin'ny 31 taona ,fa hisy FITSARANA MIARAMILA NY 26,27,28,29 30 Aogositra 2026 izao atao ao amin'ny biraon'ny Prefektoran'Antsirabe
Manomboka amin'ny 08 ora maraina ka mifarana amin'ny 04 ora hariva fandraisana antsika
Zavatra ilaina :Kara-panondrom-pirenena na kopia ary penina manga.
Na mitondra "VOHOKA "ianao na manana "FAHASEMBANANA" ka mahafeno ny fepetra voalaza etsy ambony dia manantena antsika rehetra amin'ny FITSARANA MIARAMILA

06/08/2026

FANAMBARANA NATAONY RAMATOA PREFET NAMAKY NY DIDIM-PANJAKANA MANENDRY ANDRIAMATOA ANDRIATOMPONIERA Fidinirina Naivoarimino ,Ho Filoha Delegasiona Tanana Antsirabe

CUA ANTSIRABE:Voatendry omaly ariva ny Filohan'ny Delegasiona hitantana ny  Tananan'Antsirabe Andriamatoa ANDRIATOMPONER...
06/08/2026

CUA ANTSIRABE:Voatendry omaly ariva ny Filohan'ny Delegasiona hitantana ny Tananan'Antsirabe Andriamatoa ANDRIATOMPONERA Fidy
✓ Novakin'ny Ramatoa Prefet Antsirabe # RANDRIANAIVO Ravakiniaina ny didim-panjakana manendry ny mpitantana Kaominina Antsirabe
✓Nontaterahana androany 6 Aogositra 2026 teto amin'ny Birao Kaominina Antsirabe famindram-pitantanana.
✓Laharam-pamehana maika ny asa miandry PDS vaovao ny hamahana haingana olana karama mpiasa
Miarahaba manokana ny Filohan'ny Delegasionina Tananan'Antsirabe vaovao

Address

Prefecture
Antsirabe
110

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Prefecture d'Antsirabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share