28/08/2026
🛑Ao anatin'ny fanamafisana hatrany ny kalitaon'ny fanabeazana, dia tanterahina mandritra ny efatra andro, ny talata 25 ka hatramin'ny zoma 28 aogositra 2026, ao amin'ny CEG Tsiroanomandidy, ny fampiofanana ireo mpanabe ho mpanamora eo anivon'ny CISCO Tsiroanomandidy.
▶️ Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny fanohanan'ny "Generation Mada" no nanatanterahana ity hetsika ity, ao anatin'ny fandaharan'asa "Design for Change", fomba fanabeazana mampandray anjara mavitrika ny ankizy ka mampivelatra ny fahaizany mamorona fiovana.
▶️Mpampianatra sy talen-tsekoly miisa 40, avy amin'ny CEG sy EPP 19 no mandray anjara amin'izany.
▶️Tanjona ny hanamorana sy hanatsarana ny fampitana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao; hanamafisana ny fahafahan'ny mpanabe misarika sy mitazona ny fahalian'ny ankizy ao an-dakilasy;
hanatsarana ny fomba fampitana ny fahalalana, fahaiza-manao ary fahaiza-miaina,
hanatsarana ny endrika sy ny fahatokisan-tenan'ny ankizy; hampivelarana ny ankizy ho olom-pirenena mahay mandray andraikitra, sahy mamorona ary vonona hitondra fiovana eo amin'ny fiarahamonina.
▶️Nisolo tena ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Bongolava tamin'ity hetsika ity ny lehiben'ny sampan-draharaha misahana ny fanaraha-maso ny rantsa-mangaikan'ny Minisitera (SSOR) DREN Bongolava, izay nanolotra ny hafatra sy ny fanohanana avy amin'ny DREN.
▶️"ZA MAHAVITA!" - Tahaka ireo ankizy maherin'ny 2,2 tapitrisa maneran-tany, dia afaka ny ho mpamorona fiovana ihany koa ny ankizy eto Madagasikara.