PCA Office du Tourisme Anosy

PCA Office du Tourisme Anosy Noely RATSIMIEBO est le PCA de l'Office du Tourisme de la région Anosy

10/04/2026
.Conditions idéales.stop
29/03/2026

.
Conditions idéales.stop

04/03/2026
04/03/2026

Misy fitenin’ny taloha izay manao hoe : “Izay tsy mitaky, very anjara.”
"Raha tsy mijoro isika hiaro sy hitaky ny ho tombontsoantsika isika, dia tsy hisy hanao izany ho antsika.
Ny dingana voalohany amin’izany, ho fiarovana sy ho fampiroboroboana ny fizahan-tanin’ny faritra misy antsika dia ny fanomezana laharam-pahamehana ny sidina, ny zotran’ny fiaraha-manidina.

Raha ny fandraharahana ara-pizahan-tany, dia ny fitaterana no lalan-dra mitondra aina. Ny fahatapahany, dia mitarika
• ny tsy fahalavorarian’ny asa atao,
• ny fihenan’ny mpizahan-tany ho tonga aty aminan’y faritra…
Midika fihemoran’ny fampandrosoana izany …
Hitantsika tsara ny hasarotan’ny làlana, sy ny hofahasarotan’ny handresen-dahatra ny mpizahan-tany, na ny mpampiasa vola ho tonga aty Fort-Dauphin amin’io làlana mandeha aty amin’izao io…
Koa ny laharam-pahamehana : tsy maintsy mitaky isika. Tsy ny sidina iraisam-pirenena ihany (La Réunion, Afrique deu Sud), fa sidina anatiny ihany koa. Tsy tokony ho sakana amin’ny raharaham-barotra ny elanelana. Tsy azo ekena ny hoe tsy afaka mifandray mora amin’i Toliara i Fort-Dauphin, kanefa maro ny raharaha tsy maintsy alehan’ny avy eto amin’ny faritra ho any : permis, fitantanana, fifanakalozana ara-toekarena.
“Izay tsy mitaky, very anjara.”
Tsy ampy intsony ny mangina sy miandry. Tsy maintsy miara-mijoro, miara-miteny, ary miara-mitaky isika, indrindra fa isika mpandraharaha, fa « Ny hazo tokana tsy mba ala », « ny tondro tokana tsy mahafoy hao », « ny misaraka fasika, ny mitambatra vato ». Izany no heverina ho laharam-pahamehana hitarika fampandrosoana, indrindra ara-pizahan-tany.
Aoka isika ho lasa feon’ny fampandrosoana, ho herin’ny fiovana, hitondra ny Faritra Anosy ho amin’ny dingana vaovao, avo kokoa hatrany.
Koa dia misaotra an'ireo mpanotrona, sy n'y Mbola hanotrona.
Diaa hanao resaka mahitsy eto, raha izay no hampandroso antsika.

Address

Fort-Dauphin
614

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when PCA Office du Tourisme Anosy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to PCA Office du Tourisme Anosy:

Share