LUTTE Covid19 BOENY

LUTTE Covid19 BOENY Page d'informations sur la lutte contre le Coronavirus dans la Région Boeny

22/02/2022

Tena mbola mitoetra n'y valan'aretina COVID 19 ato anatin'ny Faritra Boeny.
Mbola misy ireo marary ary misy ny maty. Ny ankabeazan'ireo maty dia tsy nanao vaksiny.
Koa manentana antsika hanaja hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana ary MANAOVA VAKSINY.

Aoka ho mailo isika fa misoko miadana indray ity areti-mandoza covid19 ity.Ampiharo ireo sakana ara-pahasalamana : aro v...
20/11/2021

Aoka ho mailo isika fa misoko miadana indray ity areti-mandoza covid19 ity.

Ampiharo ireo sakana ara-pahasalamana : aro vava orona, fansana tanana matetika am savony, elanelana 1m

MANAOVA VAKSINY

24/04/2021

🔴 Le Préfet de Mahajanga et le Gouverneur de la Région Boeny ont annoncé la mise en place du programme "Ankohonana Miatrika". Il s'agit de soutenir les familles les plus vulnérables durant ces temps difficiles, en leur distribuant 50.000 ariary par mois durant 5 mois.

📷 Gouvernorat Région Boeny

L'actualité de Madagascar en continu sur https://actu.orange.mg/depeches/

23/04/2021
21/04/2021

3 andro misesy izay, 0 nouveau cas tato anatin'ny Faritra Boeny. Mankasitraka antsika noho ny fanarahana ny fandaminana sy ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana napetraka.
15 ireo mbola manaraka fitsaboana.
Aoka anefa isika ho mailo hatrany ary hanaja hatrany ireo fepetr ara-pahasalamana

19/04/2021

Miarahaba antsika rehetra.
Isaky ny avy manambara ireo fepetra mihatra mandritra ny 15 andro ny Filoha, dia efa miandry isika ireo fepetra manokana mihatra eto amin'ny Faritra Boeny.
Koa efa mazava sy tsy misy madilana ho tentenina ireo nambaran'ny Filoha omaly, noho izany dia tsy hisy ireo fepetra manokana. Fa kosa hiroso avy hatrany amin'ny fampiharana isika.
- hajaina hatrany ny fitondrana arovava orona, n'y fanasana tanana matetika amin'ny savony ary n'y elanelana ara-pahasalamana
- mikatona avokoa n'y sekoly rehetra manomboka amin'ny garabola ka hatramin'ny ambaratonga ambony
- mikatona ireo bar s'y Trano filanonana s'y n'y karaoké
- mikatona ireo fiangonana s'y mosquée rehetra
- mbola mihidy n'y Faritra Boeny.

Misaotra tompoko

23/03/2021

IREO FEPETRA MIHATRA HO AN'NY FARITRA BOENY MANDRITRA NY 15 ANDRO MANOMBOKA ANIO 23 MARTSA HATRAMIN'NY TALATA 06 APRILY 2021:
- Ireto fepetra ireto dia mihatra ho an'ny Faritra Boeny manontolo
- Tsy maintsy hajaina ireo hetsika sakana ara-pahasalamana rehetra rehefa mivoaka ny trano fonenany ny olona iray: na eny an-dalambe, na eny an-tsena, na any amin'ny toeram-piasana, na any am-piangonana, any anaty fitaovam-pitaterana : fitondrana aro-vava orona, ny fanasana tanana matetika amin'ny savony ary ny fanaja ny elanelana ara-pahasalamana.
- Ferana ny fivezivezena manomboka amin'ny 10ora alina.
- Rarana ny famoriana olona mihoatra ny 200 isa.
- Ireo toerana hifamoivoizan'ny daholo be sy reo fiara fitateram-bahoakadia fendrahana fanafody isaky ny 72 ora, toy izany ihany koa ireo tranon'ny olona mararin'ny covid 19.
- mikatona avokoa ireo sekoly miankina sy tsy miankina, ambaratonga fototra sy ambaratonga ambony rehetra ary ireo ivo-toeram-panofanana rehetra. Mandritra izay fikatonana
- Ireo toeram-piasana miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana amin'ny fanjakana dia mirava amin'ny 04 ora hariva. Amporisihina mba hanao "heure continue" ireo toeram-piasana.
- Ireo toeram-pivavahana rehetra dia afaka misokatra fa tsy Mandray olona mihoatra 200;
- Ny fanazaran-tena sy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena dia azo atao fa tsy azo atrehina ;
- Ireo toeram-pisakafoanana sy ireo bar dia misokatra hatramin'ny 09ora alina. Tsy maintsy ahitana fitaovana fanasana tanana eny an-toerana;
- Mitsahatra avokoa ny lanonana sy fety isan-karazany izay mety hamory olona.
- Mikatona ireo toerana fandraisana lanonana sy ireo toerana fandihizana.
- Mikatona ny dobo filomanosana sy ireo plage;
- Mikatona ny fitaterana an-dranomasina, an'abakabaka ary ny lalam-pirenena mampifandray ny Faritra Boeny amin'ny Faritra hafa. Tapaka hatreo Ambondromamy ny fidirana amin'ny Faritra Boeny raha avy any amin'ny Faritra hafa. Ary mifarana eo Andranofasika kosa ny fivoahana ho an'ny Faritra Boeny. Ny fitaterana anatin'ny Faritra Boeny, ireo mampifandray ny Distrika ao aminy kosa dia mitohy hatrany.
- Mihena ho 3/4 an'ireo mpandeha misoratra anaty fahazoan-dalana ihany no afaka mandeha, mba ho fanajana ny elanelana anaty fiara: 3 isaky ny banquette ho an'ny minibus, 4 isaky ny banquette ho an'ny sprinter.
- Tsy maintsy fendrahana fanafody isaky ny 72ora ny fiara fitateramm-bahoaka (taxi-brousse, bus, baja) rehetra;
- Tsy maintsy ahitana gel désinfectant any anaty fiara;
- Tsy maintsy mameno manifold ary raiketina eo amin'ny tobim-piantsonana ny anaran'ireo mpandeha taxi-brousse rehetra hihazo ny Distrika hafa;
- ny bus dia tsy mahazo manisy strapontin;
ny bajaj dia olona 2 ihany no mpandeha afaka entiny;
- ny taxi dia olona 3 ihany no afaka entiny;
- mikasika ny razana:
- ny olona matin'ny covid dia tsy azo entina mivoaka ny kaominina nahafaty azy, tsy azo hiaretan-tory ary halevina ny andro nahafatesana ihany; misy ny famendrahana fanafody ny razana, ary tsy mihoatra ny olona 10 no afaka mandevina;
- ny olona maty, tsy covid no nahafaty azy: ferana ho 24 ora ny fiandrasana ny razana ao an-trano, tsy maintsy fendrahana fanafody ny toerana avy nialan'ny razana, afaka entina mivoaka ny Faritra Boeny ny razana fa voafetra ny isan'ny olona mandeha, ary tsy maintsy mahazo alalana manokana vao afaka entina mivoaka ny Distrika na ny Faritra Boeny ny razana.
- ny tsy fanajana ireo fepetra ireo dia mahavoasazy;
- ny
-
-

Hilazana isika fa ireo fepetra nivoaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra ny 17 mars no hampiarina ato anatin'ny far...
18/03/2021

Hilazana isika fa ireo fepetra nivoaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra ny 17 mars no hampiarina ato anatin'ny faritra Boeny. Mbola mitoetra kosa ary hamafisina ireo hetsika sakana ara-pahasalamana rehetra, ary ho voasazy ireo izay tsy manaraka izany.
Hamafisina araka izany ny:
-FANAOVANA ARO-VAVA ORONA REHEFA MIVOAKA NY TRANO IANAO
-FANASANA TANANA MATETIKA AM RANO SY SAVONY NA GEL DÉSINFECTANT
-FANAJANA ELANELANA IRAY METATRA AM OLONA MANODIDINA ANAO

Hamafisina ihany koa fa :
NY FIARA FITATERAM-BAHOAKA REHETRA ( BUS, BAJAJ, TAXI BROUSSE...) DIA TSY MAINTSY FENDRAHANA FANAFODY ISAKY NY 72 ORA. Ny tsy fanajana izany dia mahavoasazy.
Samia mitandrina tompoko

10/03/2021

HAMAFISINA NY FAMPANAJANA IREO FEPETRA ARA-PAHASALAMANA ETO MAHAJANGA.
MAHAVOASAZY NY TSY FANARAHANA IZANY.

09/03/2021

Mampahatsiahy antsika rehetra fa mbola mitoetra eto amintsika ny valan'aretina covid 19. Noho izany, ho fiarovana ny tenanao sy ny hafa: ny ankohonanao, ny mpiara-monina aminao, ny mpiara-miasa aminao, dia hajao ireto fepetra ireto:
- FANAOVANA ARO VAVA ORONA
- FANASANA TANANA MATETIKA AMIN'NY SAVONY NA GEL DESINFECTANT
- FANAJANA NY ELANELANA ARA-PAHASALAMANA

19/01/2021

Manasa antsika hatrany hanaja ireo fepetra rehetra toy ny fanaovana arotava, fanasana tanana matetika, fanajana elanelana,... mba hifehezana ny tsy fiparitahan'ny valanaretina.

Quelques photos du CRCO Boeny
04/10/2020

Quelques photos du CRCO Boeny

Address

CDOC Hôpital Mahabibo
Mahabibo

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00
Sunday 08:00 - 17:00

Telephone

+261331184092

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when LUTTE Covid19 BOENY posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share