29/05/2026
๐๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐, ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐'๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-29 ๐๐๐ 2026]
Mamarana ny dia arahin'asa any amin'ny Federasionan'i Rosia, ny delegasiaona tarihin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
Nihaona tamin'ny Praiminisitra malagasy, androany, ny Filoha Tale Jeneralin'ny SBERBANK, Andriamatoa GREF German sy ny Filoha Lefitry ny Filankevi-pitantanana, Ramatoa GOLODETS Olga. Izy ireo izay samy efa nisahana andraikitra amin'ny maha minisitra teo aloha (toekarena sy varotra, raharaha sosialy)
Nivoitra tamin'ny fifampidinihana fa sehatra telo, samy manana ny lanjany, eo amin'ny fampandrosoana no hametrahana fiaraha-miasa: Fahasalamana, Fanabeazana ary Fizahantany. Tsy banky ara-barotra fotsiny ny Sber fa misahana asa fampandrosoana ihany koa. Notsindrian'ny Lehiben'ny Governemanta ny maha zavadehibe ny fiaraha-miasa ikendrena vokatra azo tsapain-tร nana, mifanaraka amin'ny laharampahamehana nofaritan'ny Fitondrana Fanavaozana, indrindra mahakasika ny sosialin'ny vahoaka malagasy.
1. Sehatry ny Fahasalamana: hanolotra fitaovam-pitsaboana 230 boaty ho an'i Madagasikara ny Sber; izay azo ampiasaina any amin'ny toerana lavitra any ambanivohitra. Tsy mila "connexion" ny mampiasa azy, no tsy lafo rahateo. Ampiasaina koa ireo fitaovana ireo hanatsarana ny "soins de premier secours" mandra-pahatongan'ilay marary any amin'ny hopitaly. Homena fiofanana ireo Malagasy hampiasa ny fitaovana. Misy fitaovana avo lenta ihany koa izay hahafahana mahafantatra ny fahasalamana anatin'ny 10 segondra monja.
2. Fanabeazana : Nitsidika ny "Ecole 21" ny Praiminisitra, Sekoly izay ny Sber no mpamatsy vola. Marihina fa fampianarana tsy ahitana mpampianatra ny "Ecole21" fa ireo miofana no mifampizara traikefa "peer to peer learning" . Tanjona ny hahitan' ireo mpianatra asa aorian'ny fiofanana indrindra momba ny asa fandraharahana. Misy ny fiaraha-miasan'ny Sekoly amin'ireo orinasa hafa mila ny fahaizan' ireo mpianatra mivoaka ao. Hojerena, araka izany, ny hanohanana bebe kokoa an'i Madagasikara eo amin'ny fanofanana arak'asa sy fampananana asa, indrindra ho an'ireo tanora.
3. Tontolon'ny Fizahantany : azo trandrahina tsara ny fisintonana ireo mpizahatany rosiana ho tonga maro eto Madagasikara. Anisan'ny ezaka ataon'ny fitondrana malagasy, ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa mahakasika ny Fizahantany mba hanomezana fahafaham-po kokoa sy hampitombo isa ireo mpitsidika. Mety amin'ny Rosiana rahateo, ny mankaty Madagasikara noho izy ireo tena mpitady masoandro noho ny hatsiaka any amin'ny faritra misy azy ireo.
Miha mahazo vahana ankehitriny ny fampiasana ny Ranitsaina artifisialy (intelligence artificielle -IA) izay voaresaka koa nandritra izao fihaonan'ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana tamin'ny mpitantana ny SBERBANK izao. Hojerena, araka izany, ny azo hampiasana ny IA eo amin'ny tontolon'ny Fahasalamana sy ny Fampianarana : cyber mรฉdical, cyber santรฉ, robotisation.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ