16/07/2026
๐
๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐
Notanterahina tao Ranomafana androany 16 jolay ny atrikasa fanamafisana ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra hiatrehana ny doro ala sy ny doro tanety ho an'ny taona 2026.
Nanome voninahitra sy nanatrika izany ny Lehiben'ny Faritra Vatovavy,๐๐ซ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ฅ๐ฒ๐ฌ ๐๐๐ซ๐๐ง๐,niaraka tamin'ny Prefen'i Mananjary, ๐๐ญ๐จ๐ ๐๐ฎ๐๐ข๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ sy ireo mpikambana ao amin'ny Organisme Mixte de Conception (OMC), ny Tale jeneralin'ny Ivon-toerana misahana ny Fandalinana, ny Fisainana Lalina, ny Fanaraha-maso ary ny Fanoroana Lร lana (DirCERVO) eo anivon'ny BNGRC, ny Madagascar National Parks (MNP), ny italeavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (DREDD),ny ben'ny tanana lefitry ny kaominina Ranomafana ary ireo lehiben'ny sampandraharaha isan-tsokajiny eto anivon'ny Faritra.
Tanjona amin'ity atrikasa ity ny fanamafisana ny drafi-piomanana sy ny paikady hiatrehana ny doro ala sy ny doro tanety, mba hampihenana ny fahavoazana aterak'izany, hisorohana ny fiparitahany, ary hanatsarana ny fandrindrana ny fandraisana andraikitra eo amin'ireo sehatra rehetra voakasika eto amin'ny Faritra Vatovavy.
Nandritra ny atrikasa dia nofaritana sy nohamafisina ihany koa ireo filร na sy fitaovana ilaina amin'ny fiatrehana ny doro ala sy ny doro tanety, ary nazava tsara ny andraikitry ny tsirairay mba hanamafisana ny fiaraha-mientan'ny rehetra amin'ny fisorohana sy ny ady amin'ity loza ity.
"๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐"