DREAH Menabe

DREAH Menabe Direction Régionale de l'Eau de l'Assainissement et de l'Hygiène. Faritra Menabe

[ LATRINES VAVY SY LAHY ] ✓ Efa kely sisa dia hampiasainireo zanaka Malagasy ao @ Commune Befotaka, Fokontany Andranovor...
30/09/2025

[ LATRINES VAVY SY LAHY ]

✓ Efa kely sisa dia hampiasainireo zanaka Malagasy ao @ Commune Befotaka, Fokontany Andranovoribe, Commune Ankilivalo Antsondroky, District Mahabo ireo Latrines manaraka ny fenitra ireto , efa Andro isaina dia natolotra vonjimaika ny Fotodrafitrasa.

✓ Ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe dia mankasitraka ny Fiaraha miasa @ UNICEF Madagascar.

DREAH MENABE miasa ho anao 🇲🇬

[ LYCÉE PÔLE MORONDAVA ] ✓ Nohon'ny Fiarahana miasa teo amin'ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Mena...
29/09/2025

[ LYCÉE PÔLE MORONDAVA ]

✓ Nohon'ny Fiarahana miasa teo amin'ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe, Fitaleavam-paritra ny Fanabezam-pirenena Menabe sy ny ONG SAHI Menabe dia natolotra aminy fomba ofisialy androany ireo zanantsika ny Fotodrafitrasa Latrines 02 compartiments Lahy sy vavy .

✓ Ny fahitana ny fahasahirananireo ankizy mpianatra ao aminy Lycée Pôle, tsy fisiany toerana hivoahana no antony nananganana izao Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra izao .

DREAH MENABE miasa ho anao.

[ FANARAHA MASO NY FANDROSONY ASA  FANAMBOARANA  FOTODRAFITRASA NY RANO FISOTRO MADIO MENABE ]✓ Ireto avy ireo asa mande...
20/09/2025

[ FANARAHA MASO NY FANDROSONY ASA FANAMBOARANA FOTODRAFITRASA NY RANO FISOTRO MADIO MENABE ]

✓ Ireto avy ireo asa mandeha mikasika ny Fampisitrahana Rano Fisotro Madio ato anatiny Faritra Menabe :

© District Mahabo, Commune Malaimbandy, Fokontany Antevamena , izay ahitana :
• Avancement des travaux 27,35%
• Réservoir, Panneau solaire, Bâtiment d'exploitation
• Conduite de distribution
• Bornes sociaux, branchements particuliers
• Forage
• Entreprise MIHAINGO, Gestionnaire Investisseurs Constructeur ( GIC).

© District Mahabo , Commune Ankilizato, Fokontany Andranomalio , ahitana ireto :
• Avancement des travaux 68,09%
• Réservoir , Panneau solaire, Bâtiment d'exploitation,
• Conduite de distribution
• Bornes sociaux, branchements particuliers
• Forage
• Entreprise EGS , Gestionnaire Investisseurs Constructeur ( GIC).

© District Morondava, Commune rurale Analaiva, Fokontany Tsinjorano, Fokontany Antsaribo, ahitana ireto :
• Avancement des travaux 61,29%
• Réservoir 15 m3, surélevé de 15 m de hauteur , panneau solaire, bâtiment d'exploitation.
• Conduite de distribution
• Bornes sociaux 18
• Branchements particuliers 20
• Branchement institutionnel 01
• Forage
• Bénéficiaires 2800
• Entreprise EERT , Gestionnaire Investisseurs Constructeur ( GIC).

✓ Natao izao fidinana ifotony izao mba hijerena ny Kalitao ny asa, hanomezana toromarika ny Entreprise mba hanaja ny fepotoana nifanarahana ao anatiny " Contrat "sy ny hanarahana izay nankatoavina ao anatiny " Dossier d'exécution " , araka izany dia hovitaina afaka 02 volana ireto Fotodrafitrasa manaraka ny fenitra ireto .

✓ Marihina fa fiaraha miasa eo amin'ny Ministère Rano Fanadiovana sy Fidiovana sy Helvetas Madagascar izao Fotodrafitrasa izao .

Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe miasa ho anao.

[ FANDRAISANA VONJIMAIKA FOTODRAFITRASA BLOC SANITAIRE ] ✓ CSB2  ANALAMBIBY , Commune Isalo , District Miandrivazo, Fari...
11/09/2025

[ FANDRAISANA VONJIMAIKA FOTODRAFITRASA BLOC SANITAIRE ]

✓ CSB2 ANALAMBIBY , Commune Isalo , District Miandrivazo, Faritra Menabe .

✓ Mitohy hatrany ny fanomeza Fotodrafitrasa Fidiovana sy Fanadiovana ireo toeram-pahasalama ato anatiny Faritra Menabe izay Fiaraha miasa teo amin'ny Ministère Rano Fanadiovana sy Fidiovana , Helvetas Menabe ary ny Commune Isalo .

✓ Ahitana :
• Kabone lahy sy vavy ( WC)
• Fipipizana lahy sy vavy ( Urinoir)
• Fanariam-pako ( DLM)
• Fanasan-tanana ( Bac à ordures)
• Kabone hoan'ny olona manana fahasembanana ( Handicapé)

✓ Natolotra ny CSB2 Analambiby izany Fotodrafitrasa manaraka ny Fenitra izao .

[ JOURNÉE NATIONALE DES ADULTES ( JNA MADA II )  DIOSEZY MORONDAVA ] ✓ Arahabaina tongasoa ny vahiny rehetra avy lavitra...
28/08/2025

[ JOURNÉE NATIONALE DES ADULTES ( JNA MADA II ) DIOSEZY MORONDAVA ]

✓ Arahabaina tongasoa ny vahiny rehetra avy lavitra , manome tanana feno mikasika ny Rano , Fanadiovana sy Fidiovana ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe aminizao Fandraisan- tsika ny JNA eto amin'ny Diosezy Morondava izao .

✓ Maherin'ny 6500 isa ireo pizaika Tonga eto Morondava hamonjy ny JNA izay raisina aminy Sites d'hébergements marobe : LPCIC , Lycée St Paul, Lycée Pole , EPP Avaradrova , EPP Namahora Avaratra , CEG Tsimavaokely, Mazenod Tsimavaobe, Antsakoameloky , Bemanonga , NDS sambatra izay mifanampy indrindra .

✓ Nitondra Fitaovana marobe ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana toy ny :
- Bonbonne 10 m3, DLM 30 , Savons 10 cartons, Toilettes mobiles 02 , nanome tanana ihany koa taminy asa izay natao .

✓ Mitondra am-bavaka ihany koa izahay ho anireo pizaika rehetra hahatontosa ny JNA .

DREAH MENABE miasa ho anao 🇲🇬

[ VOINKAVA MAHATRATRA TSIMAVAOKELY MORONDAVA ] ✓ Tonga teny amin'ny Fokontany Tsimavaokely, Commune Urbaine Morondava na...
24/08/2025

[ VOINKAVA MAHATRATRA TSIMAVAOKELY MORONDAVA ]

✓ Tonga teny amin'ny Fokontany Tsimavaokely, Commune Urbaine Morondava nanatanteraka ny voinkava mahatratra ho anireo longo maherin'ny 50 isa may Trano .

✓ Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy, nitondra Fitaovana toy ny : Sihoa , Zinga , Savony, sûr Eau, Water maker Fanadiovana Rano, DLM fanasan-tanana, Bidons 20 litatra fitehirizana Rano isan-tokantrano ho anireo traboina ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe, ny Talem-paritra ny mponina sy Firaisankina Menabe , ny BNGRC Menabe, notroniny Président Fokontany Tsimavaokely.

✓ Mankasitraka ny BNGRC Menabe ihany koa taminireo fanomezana Tente maromaro sy Kidoro hatorianireo havana traboina .

DREAH MENABE miasa ho anao 🇲🇬.

[ FANDRAISANA VONJIMAIKA FOTODRAFITRASA RANO FISOTRO MARO LAFY  ]✓ Noraisina vonjimaika nanomboka ny Alatsinainy teo ary...
07/08/2025

[ FANDRAISANA VONJIMAIKA FOTODRAFITRASA RANO FISOTRO MARO LAFY ]

✓ Noraisina vonjimaika nanomboka ny Alatsinainy teo ary naharitra telo Andro ( 03) ireo Fotodrafitrasa Rano Fisotro Maro lafy manaraka ireto :

© Fokontany Antsondroky, Commune rurale Ankilivalo, District Mahabo, Faritra Menabe Ahitana :
• Réservoir 15 m3 surélevé de 10m
• Panneaux solaires
• Conduites
• SMART TAP (03)
• Forage avec cabine
• DLM
• Mpisitraka : 1072

© Fokontany Soanfindra, Commune rurale Ankilivalo, District Mahabo, Faritra Menabe, ahitana ireto :
• Réservoir 15 m3 surélevé de 10m
• Panneaux solaires
• Pompe solaire immergée
• SMART TAP ( 03 )
• Conduites
• Forage avec cabine
• DLM
• Mpisitraka : 1080

© Fokontany Andranovoribe, Commune rurale Befotaka, District Mahabo, Faritra Menabe ahitana :
• Réservoir 20 m3 surélevé de 10m
• Panneaux solaires
• SMART TAP (03)
• Conduites
• Forage avec cabine
• DLM
• Mpisitraka : 1100

✓ Financement UNICEF , Entreprise 2ADH, Bureau d'études MITI Consulting, Gestionnaire Naturano/ Ny Ravo / EERT .

✓ Tonga tany antoerana ny Talem-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe , équipe UNICEF, Coordo ONG SAHI , ireo Ben'ny Tanana.

✓ Fotodrafitrasa hika farany izay sangany ato anatiny Faritra Menabe ireo natolotra ireo .

DREAH MENABE miasa ho anao 🇲🇬

[ FANDRAISANA VONJIMAIKA FOTODRAFITRASA BLOC SANITAIRE ] ✓ Tontosa taminy herinandro lasa teo ny Fandraisana vonjimaika ...
03/08/2025

[ FANDRAISANA VONJIMAIKA FOTODRAFITRASA BLOC SANITAIRE ]

✓ Tontosa taminy herinandro lasa teo ny Fandraisana vonjimaika ireo Fotodrafitrasa Bloc Sanitaire manaraka ireto :

• EPP Fokontany Ankilivalo, Commune rurale Ankilivalo, District Mahabo ( Fananganana Vaovao)

• EPP Fokontany Malaimbandy, Commune rurale Malaimbandy, District Mahabo ( Nasiana Fanavaozana tanteraka)

• EPP Fokontany Mahavavy, Commune rurale Ambatolahy, District Miandrivazo ( Nasiana Fanavaozana tanteraka).

• EPP Fokontany Masiakampy, Commune rurale Anosimena, District Miandrivazo ( Nasiana Fanavaozana tanteraka) .

• EPP Fokontany Ampiaky, Commune rurale Anosimena, District Miandrivazo ( Nasiana Fanavaozana tanteraka) .

✓ Fiaraha miasa eo amin'ny Ministère Rano Fanadiovana sy Fidiovana sy Helvetas Madagascar.

✓ Mpianatra maherin'ny 2000 isa no hisitraka izao Fotodrafitrasa manaraka ny Fenitra izao , Kabone ara-pahasalamana, toerana Fidiovana tsy miala eny an-tsekoly mandritrany fandimbolana ho anireo zanaka vavy , toerana fanasan-tanana @ Rano sy Savony.

✓ Mamaly tanteraka ny fialana eny an-tsekoly izao vokatra izao ato anatiny Faritra Menabe.

[ FANARAHAMASO NY FIZOTRANY FOTODRAFITRASA RANO FISOTRO MADIO  ] ✓ District Mahabo, Commune Ankilivalo, Fokontany Soanfi...
24/07/2025

[ FANARAHAMASO NY FIZOTRANY FOTODRAFITRASA RANO FISOTRO MADIO ]

✓ District Mahabo, Commune Ankilivalo, Fokontany Soanfindra sy Antsondroky
✓ District Mahabo, Commune Befotaka , Fokontany Andranovoribe.

✓ Ahitana :
• Réservoir 15 m3 hahavo 10 m.
• Panneaux solaires
• Forage
• Smart Tap
• DLM
• Conduites
• Micro - irrigation

✓ Fiaraha miasa eo amin'ny Ministère Rano Fanadiovana sy Fidiovana sy ny UNICEF izao Fotodrafitrasa manaraka ny Fenitra izao .

✓ Ny DREAH MENABE dia miasa ho anao tompoko.

[ FANAVAOZANA  SY FANANGANANA BLOC SANITAIRE ] ✓ Nanatanteraka Fanarahamaso ireo asa mandeha ankehitsiny ny Talem-paritr...
12/07/2025

[ FANAVAOZANA SY FANANGANANA BLOC SANITAIRE ]

✓ Nanatanteraka Fanarahamaso ireo asa mandeha ankehitsiny ny Talem-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe sy ny tompondraikitra voalohany Helvetas Menabe.

✓ Ireto avy ireo toerana misy Fotodrafitrasa Bloc Sanitaire :
• EPP Fokontany Masiakampy, Commune Anosimena, District Miandrivazo .
• EPP Fokontany Ampiaky , Commune Anosimena, District Miandrivazo.
• EPP Fokontany Andreketa, Commune Manambina, District Miandrivazo.
• EPP Fokontany Mahavavy , Commune Ambatolahy, District Miandrivazo.
• EPP Fokontany Malaimbandy, Commune rurale Malaimbandy, District Mahabo.
• EPP Fokontany Ankilivalo, Commune Ankilivalo, District Mahabo

✓ Efa tsy hoela dia hatolotra vonjimaika ireo Fotodrafitrasa ireo raha ny Fandrosony ny asa no jerena , mitombo ihany koa ny fanomeza Fotodrafitrasa Fidiovana sy Fanadiovan ho anireo zanan-tsika eny an-tsekoly.

✓ Fiaraha miasa eo amin'ny Fitaleavam-paritra ny Rano Fanadiovana sy Fidiovana Menabe sy Helvetas Madagascar.

Address

Cite Ceimad Tsimahavaokely Morondava
Morondava

Telephone

+261340558230

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when DREAH Menabe posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share