31/10/2025
Miarahaba antsika rehetra!
Tsara foana moa ny mampitombo fahalalana e, tsy ho variana mitady vola sy ny rotoroto ny Facebook eto.
Zaraina indray ny mahakasika ny Transition Verte.
?
Manoloana ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny fiovaovan'ny toetr'andro dia entanina isika Mpandraharaha mba hanova ny seham- pihariana mba hanaja ny tontolo iainana.
Ny “transition verte” dia midika hoe fiovà na mankany amin’ny fomba fivelomana sy fandrosoana manaja ny tontolo iainana. Izany hoe, miezaka isika hampihena ny loto sy hanangana fiaraha-monina maharitra kokoa.
Ireto avy ny tanjona sy sehatra lehibe amin’ny fiovà na maitso :
🌞 Herinaratra madio – fampiasana angovo azo havaozina toy ny masoandro, rivotra, rano ary biomasse.
🌱 Fitantanana maharitra ny harena voajanahary – fanodinana fako, fampihenana ny fandaniam-bola sy fitaovana, ary fampiroboroboana ny “économie circulaire”.
🚲 Fitaterana maitso – fiara sy moto elektrika, ilay bisy maro ao an- dapa ireo, ary fampiasana fitateram-bahoaka.
mampihena ny entona sy setroka mainty.
🏠Famokarana manaja ny tontolo iainana – indostria tsy mandoto sy fambolena maharitra.Tsy mampiasa tavy sy doro tanety
🌳 Fiarovana ny zavaboahary – ala, ala honko, tany ary ranomasina.
💼 Toekarena maitso – famoronana asa mifandray amin’ny tontolo iainana toy ny angovo azo havaozina, fanodinana fako, na fizahantany maharitra, arina maitso ( charbon écologique)....
Betsaka fa ianareo no aleo hanohy azy.
MitomboĂ fahalalana foana ry mpanaraka ny pejy Cci Menabe
Cci Menabe