22/11/2021
Fisaorana lehibe no atolotray anareo izay nisafidy ny hiaraka aminay ato amin’ny Formation Ouverte A Distance (F**D) eto amin'ny DEGMIA amin’ity taom-pianarana 2021-2022 ity , efa eo ampijerena akaiky anareo izay nahavita atsakany sy andavany ny inscription izahay amin’izao ary amin’ity erinandro ity iany dia avoakanay eto amin’ny pejy ny liste anareo izay efa azo lazaina fa voaray hiaraka aminay.
Na izany aza mbola bestaka ihany koa ianareo no niangavy mafy mba hanemorana ny daty farany afahanareo manao ny inscription ho amin ny faran’ny volana nohon’ny antony maro samihafa, ka rehefa noentina teo anivon’ireo topon’andraikitra izany dia tapaka fa hahemotra ny Alakamisy 2 desambra 2021 ho avy izao ny farany andraisana ireo dossier ilaina amin’ny inscription ary tapaka tamin’io iany koa fa ny Alarobia 8 desambra 2021 ny fidirana ofisialy.
Nohon’ny fagatahanareo manokana ihany koa dia nisy fiovana kely ny dossier ilaina amin’ny inscription :
- Fiche d'inscription à télécharger et à remplir : https://docs.google.com/.../1JjKtcirdcQiLR1PvMG.../edit...
- Relevé de notes ou Diplôme Bacc légalisé
- Photo 4x4 fond blanc
- Reçu versement BNI au nom de l’ Etablissements Université de Toamasina, Faculté DEGS , Num de compte : 00005 00020 40887 150 200 20
Izay alefa en version Scan amin’ity adresse ity rehefa feno : [email protected]
——————————————————————
Fantatrao ve fa ny :
FORMATION OUVERTE A DISTANCE en GESTION - ECONOMIE - DROIT misy ao amin’ny ny Faculté DEGMIA - Université de TOAMASINA dia :
- Natao ho an’ ny olona rehetra manana Bacc manerana ny Madagasikara
- Formation tena à Distance izany oe na ny lesona na ny exercice na ny devoirs eny hatramin’ny examen dia en ligne avokoa
- Formation azahoanao diploma avy amin ny fanjakana (Licence - Master - Doctorat) izay atolotry ny oniverite ny Toamasina ary tena manan-danja na eto an-toerana na any ivelany
- Ireo mpampiana-panjakana mampianatra ao amin ny faculté ihany no mampianatra sy mizara traikefa ao
- Formation mpanjakana azo antoka fa tsy ho tapatapaka na mety hitatra lava be na dia hisy ary ny grevy sy ny hamehana ara-pahasalamana, …
- Dia misy offre ana connexion manokana amin ny vidiny tena mirary nohon’ny fiaraha-miasa amin’ ny Telma Madagascar
-------------------------------
Raha mila fanampim-panazavana ianao dia manorata MP na antsoy ny laharana : +261 32 11 982 78 / + 261 34 49 980 53