Primature - Lapan'i Mahazoarivo

  • Home
  • Primature - Lapan'i Mahazoarivo

Primature -  Lapan'i Mahazoarivo Page officielle de la Primature de la Rรฉpublique de Madagascar
(1)

๐ŸŽ๐Ÿ ๐ฃ๐จ๐ง๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” | ๐‹๐š๐ฉ๐š๐ฆ-๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š๐ง๐š ๐ˆ๐š๐ฏ๐จ๐ฅ๐จ๐ก๐š ๐“๐š๐ญ๐ข๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ฅ๐š๐ง๐ค๐ž๐ฏ๐ข๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š
03/06/2026

๐ŸŽ๐Ÿ ๐ฃ๐จ๐ง๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ” | ๐‹๐š๐ฉ๐š๐ฆ-๐ฉ๐š๐ง๐ฃ๐š๐ค๐š๐ง๐š ๐ˆ๐š๐ฏ๐จ๐ฅ๐จ๐ก๐š
๐“๐š๐ญ๐ข๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ฅ๐š๐ง๐ค๐ž๐ฏ๐ข๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐Œ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š

๐๐€๐‡๐€๐™๐Ž ๐…๐ˆ๐“๐€๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐•๐€๐Ž๐•๐€๐Ž ๐๐˜ ๐Œ๐๐ˆ๐“๐’๐Ž๐Š๐€ ๐Œ๐Ž๐™๐ˆ๐Š๐€๐'๐๐˜ ๐†๐Ž๐•๐„๐‘๐๐„๐Œ๐€๐๐“๐€ ๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’ [๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚- 2 ๐’‹๐’๐’๐’‚ 2026]Lanonana tsotra no no...
02/06/2026

๐๐€๐‡๐€๐™๐Ž ๐…๐ˆ๐“๐€๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐•๐€๐Ž๐•๐€๐Ž ๐๐˜ ๐Œ๐๐ˆ๐“๐’๐Ž๐Š๐€ ๐Œ๐Ž๐™๐ˆ๐Š๐€๐'๐๐˜ ๐†๐Ž๐•๐„๐‘๐๐„๐Œ๐€๐๐“๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚- 2 ๐’‹๐’๐’๐’‚ 2026]

Lanonana tsotra no notanterahina teto Mahazoarivo, androany maraina, nandraisana tamin'ny fomba ofisialy ireo fanamiana miisa 32 sy fitaovana samihafa miisa 34 ho an'ny Mpitsoka Mozikan'ny Governemanta, avy tamin'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine. Nanome voninahitra izany ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana sy ny Ambasadaoron'i Chine miasa eto Madagasikara, JI Ping.

Nankasitraka ny firenena sinoa, ny Praiminisitra, noho ny fanohanana tsy misy fepetra ny fampandrosoana an'i Madagasikara, fiaraha-miasa izay mahakasika sehatra maro, ary anisan'izany ireto fanomezana ho an'ny Mpitsoka Mozika ireto. Tonga amin'ny fotoana mety izao fampitaovana izao sady nifanojo tamin'ny eritreritry ny Lehiben'ny Governemanta rahateo ny hanavao ny fitaovana hampiasain'izy ireo. Ny Mpitsoka Mozikan'ny Governemanta, izay mariky ny fiandrianan'ny Repoblikan'i Madagasikara sy azo itarafana koa ny tantaran'ny firenena malagasy.

Mialoha izao fandraisana fitaovana izao, dia nitsidika tamim-pomba fanajana ny Praiminisitra, tao amin'ny birao fiasany, eto Mahazoarivo, ny Ambasadaoron'ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine. Fihaonana voalohany izay nanehoan'ny Ambasadaoro firariantsoa ho an'ny Praiminisitra amin'ny andraikitra nankinina aminy eto amin'ny firenena.

Nanolotra fisaorana ny Governemanta sinoa, ny Praiminisitra, tamin'ny nanafoanana ny haban-tseranana, ho an'ny firenena afrikanina maro ka anisany i Madagasikara, amin'ireo entana miditra any Chine. Heverina fa samy hisitraka tombontsoa amin'izany ny firenena roa tonta.
Anisan'ny nifantohan'ny dinika koa, ny momba Ilay Fikambanana iraisampirenena miady amin'ny hosoka ( union Internationale anti-fraude) izay anasร n'i Chine an'i Madagasikara hiditra ho mpikambana ao, satria tsy vitan'ny firenena iray izany ady izany fa ilร na fifanomezan-tร nana. Efa misy rahateo ny vinam-piaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Chine mahakasika io ady amin'ny fanaovana hosoka io.

Fanirian'ny Ambasadaoro ny haha matotra bebe kokoa ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny Repoblika entim-bahoakan'i Chine, toy ny fahamatoran'ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ireo firenena hafa, toa an'i Rosia, ka nanasร ny ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana hanatrika ny fankalazana ny andron'ny Fifankatiavana Chine-Rosia izay hotanterahina tsy ho ela.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

๐๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐“๐€๐‘๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Ž๐‹๐Ž๐๐€ ๐•๐€๐‘๐ˆ๐‘๐€ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€ ๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-1 ๐’‹๐’๐’๐’‚ ...
01/06/2026

๐๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐“๐€๐‘๐ˆ๐Š๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Œ๐๐€๐๐€๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Ž๐‹๐Ž๐๐€ ๐•๐€๐‘๐ˆ๐‘๐€ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€ ๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-1 ๐’‹๐’๐’๐’‚ 2026]

Nandray ireo mpitarika ny fikambanan' ireo olona varira ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana io hariva io. Nandritra izany fihaonana izany no nifampizarana ireo olana sedrainโ€™izy ireo, indrindra taorianโ€™ilay trangan-javatra nampalahelo tany Toliara farany teo.

Nanamafy ny Praiminisitra, fa hijoro sy hanohana hatrany ireo olona varira ny fitondram-panjakana, satria efa tsy azo ekena intsony ny zava-mitranga mahazo azy ireo. Nambarany fa tokony horaisina am-pahamatorana ny adidy hiarovana ny aina sy ny hasinโ€™ny olom-pirenena tsirairay, tsy an-kanavaka.
Nodinihina nandritra ny fihaonana ihany koa ny mahakasika ny lalร na izay manasazy henjana ireo rehetra manao herisetra na mamono olona varira, lalร na efa nolanianโ€™ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona saingy mbola tsy nahazo fankatoavana avy aminโ€™ny Fitsarana Avo momba ny Lalร mpanorenana.

Nangataka kosa ny Filohanโ€™ny Fikambananโ€™ireo olona varira eto Madagasikara, Andriamatoa Solo Fulgence, mba hanatanterahana fanadihadiana lalina sy mangarahara momba ity raharaha famonoana olona varira ity, ary mba hampahafantarina ny vahoaka malagasy ny marina rehetra, anisanโ€™izany ireo tena tomponandraikitra aminโ€™izao heloka bevava izao.

Nampita teny fampiononana ho anโ€™ny fianakavianโ€™i Landricia (Cia) ihany koa ny Praiminisitra, sady nanamafy fa tsy maintsy hivoaka sy ho fantatra ny marina momba ity raharaha famonoana olona varira eto Madagasikara ity.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

๐…๐€๐๐Ž๐Œ๐๐Ž๐‡๐€๐'๐๐˜ ๐…๐€๐๐Š๐€๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€-๐Ÿ”๐Ÿ” ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐„๐๐€๐'๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Ž๐•๐€๐๐“๐„๐๐€๐'๐ˆ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’ [๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-1 ๐’‹๐’๐’๐’‚ 2...
01/06/2026

๐…๐€๐๐Ž๐Œ๐๐Ž๐‡๐€๐'๐๐˜ ๐…๐€๐๐Š๐€๐‹๐€๐™๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€-๐Ÿ”๐Ÿ” ๐“๐€๐Ž๐๐€ ๐๐ˆ๐•๐„๐‘๐„๐๐€๐'๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Ž๐•๐€๐๐“๐„๐๐€๐'๐ˆ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-1 ๐’‹๐’๐’๐’‚ 2026]

Fananganan-tsaina niombonana teo amin'ny "Parvis Analakely", tamin'ny folo ora maraina katroka, androany, no nisantarana ny hetsika fankalazana ny faha-66 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara. Nisolo tena ny Filohan'ny Fanavaozana tamin'izao lanonana izao, ireo Mpanolontsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, notronin'ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana sy ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta ary olo manan-kaja maro, sivily sy miaramila.
"Fanavaozana, ho an'ny fandrosoan'i Madagasikara" no tarakevitra entina ankalazana ny 26 jona 2026, ivoizana ny lร lantsaina hoe: Fitiavan-tanindrazana, Firaisankina ary fanehoana ny Kolontsaina maha Malagasy.

Miara-dalana amin'ny fanombohana ny fankalazana ny fetim-pirenena koa ny fanombohana ny fahatsiarovana ny faha- 66 taona nijoroan'ny Foloalindahy malagasy sy ny fanokafana ny iray volan'ny Teny malagasy. Ny Mpanolontsaina Avo ao amin'ny Fiadidiana ny Fanavaozana, izay nisolo tena ny Filoha, Kolonely Randrianirina Michael, no nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ireo lanonana Telo sosona ireo, tetsy Analakely. Hafatra nampitainy ny tsy tokony hahavoatarika ny Malagasy amin'ny lร lan-diso, ny hanohizan'ny Foloalindahy ny fahendrena ary ny fampitomboana hasina ny Teny malagasy

Samy nanatanteraka ity fananganan-tsaina niombonana ity koa ny tany amin'ny faritra rehetra manerana ny Nosy, ho fiaraha-mientana sy Firaisankina hahatongavana amin'ny tena Fanavaozana ho fampandrosoana an'i Madagasikara: Fanavaozana ny toe-tsaina, ny fomba fijery ary Fanavaozana ny fomba fiasa.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

31/05/2026
๐…๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐š๐ง๐š ๐จ๐ซ๐ข๐ง๐š๐ฌ๐š ๐ง๐š๐ญ๐š๐จ๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐ซ๐š๐ข๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐ญ๐š๐จ ๐’๐š๐ข๐ง๐ญ ๐๐ž๐ญ๐ž๐ซ๐ฌ๐›๐จ๐ฎ๐ซ๐  ๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’ [๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-31 mey 2026]Nihaona tamin'ny...
31/05/2026

๐…๐ข๐ญ๐ฌ๐ข๐๐ข๐ก๐š๐ง๐š ๐จ๐ซ๐ข๐ง๐š๐ฌ๐š ๐ง๐š๐ญ๐š๐จ๐ง'๐ง๐ฒ ๐๐ซ๐š๐ข๐ฆ๐ข๐ง๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ซ๐š ๐ญ๐š๐จ ๐’๐š๐ข๐ง๐ญ ๐๐ž๐ญ๐ž๐ซ๐ฌ๐›๐จ๐ฎ๐ซ๐ 

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-31 mey 2026]

Nihaona tamin'ny delegasiaona malagasy notarihin'ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana, ireo mpiandraikitra ilay Faritra ara-toekarena manokana -ZES (Zone ร‰conomique Spรฉciale)-ao St Petersburg any avaratra andrefan'ny Federasionan'i Rosia: Victor Volkov, Darya Migunava ary Anastasia Mukha.
Nifantohan'ny dinika ny mahakasika ny ZES ka nahafahana nifampizara traikefa tamin'ny delegasiaona malagasy. Ho an'ity eto Saint Petersbourg ity, dia tsotra ny fidirana aminy satria na orinasa vahiny aza dia afaka mampiasa vola ao. Nohamoraina koa ny fandoavana haban-tseranana. Ary afaka mividy tany ny orinasa vahiny manana "statut juridique" mazava. Sehatra maro no hita ao, toy ny fiompiana bibikely, fambolena, fahasalamana, (fitsaboana sy fanamboarana fanafody), kojakoja momba ny fiaramanidina, sy momba ny Fitaterana hafa.

Orinasa vahiny maro no hita ao amin 'ity ZES ao Saint Petersbourg ity. Ka isan'ny orinasa notsidihin'ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana, manokana, ny WERTEKS, izay mampiasa olona hatramin'ny 1700. Vokatra samihafa miisa 400, no mivoaka avy ao amin'ny orinasa ka ny 362 amin'ireo dia fanafody avokoa, ary hita manerana ireo toerana fivarotana fanafody samihafa.

Tombony lehibe ho an'ny delegasiaona malagasy ny fizarana traikefa toy izao, ho entina hampandrosoana an'i Madagasikara.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

๐Œ๐š๐ง๐š๐ฌ๐š ๐š๐ง๐ญ๐ฌ๐ข๐ค๐š ๐ซ๐ž๐ก๐ž๐ญ๐ซ๐š ๐ก๐š๐ง๐š๐ซ๐š๐ค๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐๐š๐ก๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ง๐จ๐ค๐š๐ง๐š ๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ง๐š๐ฏ๐š๐จ๐ณ๐š๐ง๐š, ๐‘๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐๐ˆ๐‘๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐ข๐œ๐ก๐š๐žฬˆ๐ฅ ...
30/05/2026

๐Œ๐š๐ง๐š๐ฌ๐š ๐š๐ง๐ญ๐ฌ๐ข๐ค๐š ๐ซ๐ž๐ก๐ž๐ญ๐ซ๐š ๐ก๐š๐ง๐š๐ซ๐š๐ค๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ง๐๐š๐ก๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐ฆ๐š๐ง๐จ๐ค๐š๐ง๐š ๐ข๐š๐ซ๐š๐ก๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐ง'๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ฅ๐จ๐ก๐š๐ง'๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ง๐š๐ฏ๐š๐จ๐ณ๐š๐ง๐š, ๐‘๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐๐ˆ๐‘๐ˆ๐๐€ ๐Œ๐ข๐œ๐ก๐š๐žฬˆ๐ฅ ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ
๐Ÿ“… Alahady 31 mey 2026
โฐ Amin'ny 8ora Alina
๐Ÿ“บ Ao amin'ny TVM sy ny RNM ๐Ÿ”Š

๐’๐๐„๐‘๐๐€๐๐Š : ๐‡๐€๐๐Ž๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐’๐„๐‡๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐’๐€๐‹๐€๐Œ๐€๐๐€, ๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐™๐€๐‡๐€๐๐“๐€๐๐˜ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’ [๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚...
29/05/2026

๐’๐๐„๐‘๐๐€๐๐Š : ๐‡๐€๐๐Ž๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐’๐„๐‡๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐’๐€๐‹๐€๐Œ๐€๐๐€, ๐…๐€๐๐€๐๐„๐€๐™๐€๐๐€ ๐€๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐™๐€๐‡๐€๐๐“๐€๐๐˜ ๐„๐“๐Ž ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-29 ๐’Ž๐’†๐’š 2026]

Mamarana ny dia arahin'asa any amin'ny Federasionan'i Rosia, ny delegasiaona tarihin'ny Praiminisitra, Lehiben'ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
Nihaona tamin'ny Praiminisitra malagasy, androany, ny Filoha Tale Jeneralin'ny SBERBANK, Andriamatoa GREF German sy ny Filoha Lefitry ny Filankevi-pitantanana, Ramatoa GOLODETS Olga. Izy ireo izay samy efa nisahana andraikitra amin'ny maha minisitra teo aloha (toekarena sy varotra, raharaha sosialy)

Nivoitra tamin'ny fifampidinihana fa sehatra telo, samy manana ny lanjany, eo amin'ny fampandrosoana no hametrahana fiaraha-miasa: Fahasalamana, Fanabeazana ary Fizahantany. Tsy banky ara-barotra fotsiny ny Sber fa misahana asa fampandrosoana ihany koa. Notsindrian'ny Lehiben'ny Governemanta ny maha zavadehibe ny fiaraha-miasa ikendrena vokatra azo tsapain-tร nana, mifanaraka amin'ny laharampahamehana nofaritan'ny Fitondrana Fanavaozana, indrindra mahakasika ny sosialin'ny vahoaka malagasy.

1. Sehatry ny Fahasalamana: hanolotra fitaovam-pitsaboana 230 boaty ho an'i Madagasikara ny Sber; izay azo ampiasaina any amin'ny toerana lavitra any ambanivohitra. Tsy mila "connexion" ny mampiasa azy, no tsy lafo rahateo. Ampiasaina koa ireo fitaovana ireo hanatsarana ny "soins de premier secours" mandra-pahatongan'ilay marary any amin'ny hopitaly. Homena fiofanana ireo Malagasy hampiasa ny fitaovana. Misy fitaovana avo lenta ihany koa izay hahafahana mahafantatra ny fahasalamana anatin'ny 10 segondra monja.

2. Fanabeazana : Nitsidika ny "Ecole 21" ny Praiminisitra, Sekoly izay ny Sber no mpamatsy vola. Marihina fa fampianarana tsy ahitana mpampianatra ny "Ecole21" fa ireo miofana no mifampizara traikefa "peer to peer learning" . Tanjona ny hahitan' ireo mpianatra asa aorian'ny fiofanana indrindra momba ny asa fandraharahana. Misy ny fiaraha-miasan'ny Sekoly amin'ireo orinasa hafa mila ny fahaizan' ireo mpianatra mivoaka ao. Hojerena, araka izany, ny hanohanana bebe kokoa an'i Madagasikara eo amin'ny fanofanana arak'asa sy fampananana asa, indrindra ho an'ireo tanora.

3. Tontolon'ny Fizahantany : azo trandrahina tsara ny fisintonana ireo mpizahatany rosiana ho tonga maro eto Madagasikara. Anisan'ny ezaka ataon'ny fitondrana malagasy, ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa mahakasika ny Fizahantany mba hanomezana fahafaham-po kokoa sy hampitombo isa ireo mpitsidika. Mety amin'ny Rosiana rahateo, ny mankaty Madagasikara noho izy ireo tena mpitady masoandro noho ny hatsiaka any amin'ny faritra misy azy ireo.

Miha mahazo vahana ankehitriny ny fampiasana ny Ranitsaina artifisialy (intelligence artificielle -IA) izay voaresaka koa nandritra izao fihaonan'ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana tamin'ny mpitantana ny SBERBANK izao. Hojerena, araka izany, ny azo hampiasana ny IA eo amin'ny tontolon'ny Fahasalamana sy ny Fampianarana : cyber mรฉdical, cyber santรฉ, robotisation.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

๐“๐€๐…๐€ ๐๐ˆ๐…๐€๐๐€๐Ž๐•๐€๐'๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐‘๐€๐‰๐€๐Ž๐๐€๐‘๐ˆ๐’๐Ž๐ ๐Œ๐€๐Œ๐ˆ๐“๐ˆ๐€๐๐€, ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐†๐€๐™๐„๐“๐˜ ๐‘๐Ž๐’๐ˆ๐€๐๐€ ๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’ [๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-27 ๐’Ž...
27/05/2026

๐“๐€๐…๐€ ๐๐ˆ๐…๐€๐๐€๐Ž๐•๐€๐'๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐‘๐€๐‰๐€๐Ž๐๐€๐‘๐ˆ๐’๐Ž๐ ๐Œ๐€๐Œ๐ˆ๐“๐ˆ๐€๐๐€, ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐'๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐€๐๐€๐Ž ๐†๐€๐™๐„๐“๐˜ ๐‘๐Ž๐’๐ˆ๐€๐๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’'๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-27 ๐’Ž๐’†๐’š 2026]

Nahaliana ireo mpanao gazety rosiana, ny mahakasika ny endriky ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy ny Federasionan'i Rosia, amin'izao fotoana izao.
Ankoatr'ireo fanohanana, teo amin'ny maha-olona, nataon'ny Rosiana, taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani, dia hotohizana amin'ny fiaraha-miasa ara-siantifika eo amin'ny samy oniversite, sy fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fambolena, ny fifandraisan'ny firenena roa tonta, hoy ny Praiminisitra. Hitarina ihany koa amin'ny lafiny fanabeazana sy fanofanana ara- miaramila.
Hisy ny fifanaovan-tsonia fifanarahana hametrahana faritra ara-toekarena iraisana, eo amin'i Madagasikara sy Rosia. Ary hohatsaraina ny tontolon'ny fandraharahana eto Madagasikara, hisarihana ireo mpampiasa vola.
Mahakasika ny vokatry ny olana famatsiana solika noho ny disadisa any Moyen Orient, nilaza ny Lehiben'ny Governemanta malagasy fa efa misy ny fifampiresahana amin'ny tomponandraikitra rosiana momba ny hahafahana manana fitahirizan-tsolika (stockage) bebe kokoa eto Madagasikara.
Resaka demokrasia: demokrasia an'ny Malagasy tsy alaina tahaka amin'ny an'ny hafa no hapetrakay, hoy ny Praiminisitra.

๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

Address

Palais D'Etat De Mahazoarivo

BP 248

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Primature - Lapan'i Mahazoarivo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Primature - Lapan'i Mahazoarivo:

Shortcuts

  • Want your organization to be the top-listed Government Service?

Share