12/06/2026
Ho fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Asa Tanana (10 Jona), dia nanatanteraka hetsika manokana ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Atsimo-Andrefana niaraka tamin’ny Chambre des Métiers et de l’Artisanat.
Diabe namakivaky ny tanànan’i Toliara no nanombohana ny hetsika, ka nahitana ny fandraisan’anjaran’ireo mpanao asa tanana sy ireo mpiaramiombon’antoka isan-tsokajiny. Naneho ny firaisankina sy ny fahavononana hampiroborobo ny sehatry ny asa tanana izany, sehatra iray mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-kolontsaina.
Nofaranana tamin’ny fambolen-kazo ny hetsika, ho mariky ny fanoloran-tenan’ireo mpandray anjara amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra.
Mankasitraka ireo mpanao asa tanana sy ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fahatanterahan’izao fankalazana izao ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Atsimo-Andrefana, ary manentana hatrany ny rehetra hanome lanja sy hanohana ny asa tanana, izay anisan’ny harena sy mampiavaka ny faritra ary ny firenentsika.