14/06/2026
Mampalahelo fa misy olona mino sy miheritreritra fa afaka mandresy ny lalàna amin’ny alalan’ny tsaho sy lainga aparitaka eto amin’ny Facebook.
Tsarovy anefa fa ny didim-pitsarana sy ny antontan-taratasy ara-dalàna no mamaritra ny marina fa tsy ny lainga afafy eo amin’ny tamba-zotra FB.
Tany lova efa manana titre foncier sy efa vita borne ara-dalàna amam-polony taona maro nanomboka tamin'ny 7 décembre 1942 amin'ny tena tompony io tany resahina io. Efa nodinihina sy nentina eo amin’ny fitsarana imbetsaka ny raharaha ary efa nahazo rariny ny tompony hatramin’ny ambaratonga voalohany, niaraka tamin’ny fampiharana ny didy teo noho eo. Nisy ny fampiakarana fitsarana nataon’ny ankilany, saingy na izany aza dia mbola niverina hatrany ny fanamafisan’ny fitsarana ny zon’ny tompony ara-dalàna. Hatramin’ny fitsarana an-tampony dia nanamafy izany foana nanaraka ny PIL izay milaza fa an’nytompony izay alaina baraka io tany io.
Nefa na dia efa nanana ny rariny aza izy dia mbola naneho faharetana sy finiavana hifampiresaka noho ny maha-olona. Indrisy anefa fa ny valin’izany dia fanoherana sy fibodoana tsy ara-dalàna hatrany.
Tsy tokony hohadinoina fa tsy cadastre na tanim-panjakana io, fa tany manana tompony mazava tsara, misy titre ary voafaritra ara-jeografika vita borne hatramin’ny 1942. Raha nisy porofo ara-pitsarana manamarina ny mifanohitra amin’izany dia efa naseho ampahibemaso hatry ny ela izany. Saingy tsy misy izany satria ny antontan-taratasy sy ny didim-pitsarana rehetra dia samy manamafy ny maha-tanin’io tompony io ilay toerana.
Tsy ny isan’ny olona maka tsy ara-dalàna no mamaritra ny rariny. Tsy hoe satria maro an’isa ny mibodo dia lasa azy ny tany. Ny lalàna no mamaritra ny tompony, ary ny fitsarana no efa niteny mazava momba izany. Ary nandritra ny fotoana nandehanan’ny ady dia nipetraka tany ivelany foana io tompony pandova io fa izao izy vao miverina eto hisitraka ny fananany.
Koa raha tena nitady ny vahaolana sy ny fihavanana ianareo dia ny fifampiresahana sy ny fanajana ny lalàna no lalana tokony hizorana, fa tsy ny fanalam-baraka sy ny fanaparitahana vaovao tsy voamarina eto amin’ny tamba-zotra.
Firenena tan-dalàna i Madagasikara. Tokony hajaina ny didim-pitsarana, hajaina ny zo amin’ny fananana, ary hajaina ny marina.
Aoka tsy hampianarina sy ahodikodina ny sain'ny vahoaka madady harona ary entina amin'ny lalana diso ny taranatsika hanohitra ny lalàna rehefa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoantsika izany. Ny rariny sy hitsiny dia tsy miova arakaraka ny tabataba atao eto amin’ny Facebook.
Tsy diso ary ara-dalana tanteraka ny pitandro filaminana manantateraka ny didy manakery.
Ny marina dia ny lalàna no tokony hanjaka fa tsy ny tsaho sy ny fanaratsiana feno lainga tsy marim-pototra…
"Rehefa efa niteny ny lalàna sy ny fitsarana, dia tsy ny tsaho eto amin’ny Facebook intsony no tokony hohenoina fa ny marina voaporofo sy ny didy manan-kery."