31/07/2026
📌 FITSIDIHANA ARA-POMBA FANAJANA NATAON’NY SOLONTENAN’NY FFKM-FRANTSA TAMIN’I SEM MICHEL RABEMAHEFA MASOIVOHON’I MADAGASIKARA ETO FRANTSA
Ny Alarobia 29 Jolay 2026, SEM Michel RABEMAHEFA, Masoivohon’i Madagasikara eto Frantsa, dia nandray tao amin’ny Résidence de Madagascar ny delegasionan’ny FFKM-Frantsa, nandritra ny fitsidihana ara-pomba fanajana.
Taorian’ny fifampiarahabana ara-pomban'ny arofenitra, dia nitohy tao anatin’ny hafanana, fifanajana ary firahalahiana ny fihaonana, ka nifantoka tamin’ny vinan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Masoivohon’i Madagasikara eto Frantsa sy ny FFKM-Frantsa, indrindra ho fanompoana ireo mpiray tanindrazana sy ny malagasy am-pielezana.
Nodinihina tamin’izany ny fanamafisana ny fampitam-baovao mahasoa ho an’ny fiarahamonina malagasy eto Frantsa, indrindra mikasika ny raharaha konsilera, ny fanampiana ireo teratany malagasy, ary ny fiaraha-miasa amin’ireo rafitra sy fikambanana misy eo anivon’ny diaspora.
Nivoitra ihany koa nandritra ny fihaonana ny fikarakarana fanompoam-pivavahana iraisampinoana hatao amin’ny volana Aogositra, ho fanehoana fanohanana ny vahoaka malagasy, ireo niharam-boina tamin’ireo tranga voasokajy ho asa fampihorohoroana nitranga farany teto amin’ny firenena, ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ary ny Fanjakana mijoro izay tarihiny.
Ny Masoivohon’i Madagasikara eto Frantsa dia maneho fisaorana ny solontenan’ny FFKM-Frantsa noho izao fitsidihana izao, ary mankasitraka ny ezaka sy ny fanoloran-tenany tsy tapaka ho an’ny fiarahamonina malagasy eto Frantsa.
📌 VISITE DE COURTOISIE DES REPRESENTANTS DU FFKM-FRANTSA AUPRES DE SON EXCELLENCE MONSIEUR MICHEL RABEMAHEFA
Le mercredi 29 juillet 2026, Son Excellence Monsieur Michel RABEMAHEFA, Ambassadeur de Madagascar en France, a reçu à la Résidence de Madagascar une délégation du FFKM-Frantsa, dans le cadre d’une visite de courtoisie.
À l’issue des échanges protocolaires d’usage, la rencontre s’est poursuivie dans une atmosphère cordiale et fraternelle autour des perspectives de coopération entre l’Ambassade de Madagascar en France et le FFKM-Frantsa, notamment au service des compatriotes de la diaspora malagasy.
Les échanges ont notamment porté sur le renforcement de la diffusion des informations utiles à la communauté malagasy en France, en particulier en matière de démarches consulaires, d’assistance aux ressortissants et de relais associatifs.
Il a également été évoqué l’organisation prochaine d’un culte œcuménique, prévu au mois d’août, en soutien au peuple malagasy, aux victimes des événements qualifiés d’actes de terrorisme récemment survenus dans le pays, ainsi qu’au Président de la Refondation de la République de Madagascar et son Gouvernement.
L’Ambassade de Madagascar en France remercie les représentants du FFKM-Frantsa pour cette visite et pour leur engagement constant en faveur de la communauté malagasy en France.
Ambassade de Madagascar en France
4, avenue Raphaël
75016 Paris