25/11/2020
Miarahaba antsika rehetra . Ny Unité Spéciale d'Intervention(USI SAKAMAINTY) dia manentana antsika vahoaka Malagasy tsy ankanavaka , mba hifanome tànana, hiara hiasa akaiky mba hanjakan'ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Mijaly ny ankamaroan'ny vahoaka, satria mitaintaina andro aman'alina , noho ireo tsy matahotody (mpangalatra, mpanolana, mpanendaka, Mpanao fanafihana mitampiadiana, mpamono olona, mpanao fakana an-keriny,sns.) Ny loharanom-baovao marina dia tsy maintsy avy aminareo vahoaka; eo amin' ny fokontany iray ohatra dia ianareo eo an-toerana no mahalala ny mombamomba ny olona tsirairay izay mifanolobodorindrina aminareo. Efa miezaka manao izay azonay rehetra atao izahay mandefa ny maso sy ny sofinay eraky Madagasikara, fa tsy ampy izany. Izay mitambatra vato, izay misaraka fasika; Ny "SÉCURITÉ"( miala tsiny amin'ny teny vazaha frantsay) dia hiarahantsika rehetra misalahy. Marina fa mety mbola misy ireo Polisy sasantsasany, mety manana fitondratena tsy mendrika eny amin'ny fiaramonina eny, na Polisy mifandray amin'ireo olondratsy; ka mahatonga antsika vahoaka tsy mahatoky ny mpitandro filaminana; fa maro koa anefa ireo Polisy tena mijery ary vonona ny "HIARO SY HANOMPO" anareo amin fony, ary vonona ny hamoy ny ainy . Ny Ministeran'ny filaminambahoaka kosa dia tsy misangy, na mandefitra na miaro, na manao kitrano an-trano hoan'izay Polisy ratsy fitondratena, manao fanamparam-pahefana, tsy manaja ny "déonthologie", mifandray tendro amin' ny fikambananjiolahy na mitovitovy amin' izany,etc . Mahazo mahatoky 100% anay ianareo , fa hapandry fahalemana hoanareo vahoaka Malagasy sy ny Andrim-panjakana misy, no antompisihanay. Ary eto izahay, dia mbola mamerina, fa ny andro iray zay tsy maintsy hifandonanareo aminay , dia io no andro marary sy ratsy indrindra eo amin' ny fiainanareo. Ary na aiza ianareo na aiza no hiafina dia tsy maintsy hifanehatra aminay. Ny laharana finday azahona anay dia +261340551721 sy 0340599889. Mankasitraka indrindra tompoko, dia samy ho tahian' Andiamanitra.
# bandits auteurs de nombreux Vols à main armée ,abattus par SAKAMAINTY dans la région Atsinanana