Alaotra Mangoro Draep

Alaotra Mangoro Draep Fampandrosoana ny Fambolena,Fiompiana ary ny Jono

Notanterahina ny 11 sy 12 Aogositra 2021 ny "Journées Agroécologiques" ho an'ny Faritra ALAOTRA MANGORO.Nohamarihina tam...
12/08/2021

Notanterahina ny 11 sy 12 Aogositra 2021 ny "Journées Agroécologiques" ho an'ny Faritra ALAOTRA MANGORO.
Nohamarihina tamin'ny fitsidihana ireo tany novolena sy nampiasaina ireo teknika maharitra sy mahomby izay vohizina ao anatin'ny "Agroécologie".
Nisy iany koa ny atrikasa izay nanehoana ny asa nataon'ireo mpisehatra rehetra izay natao tao amin'ny VAHINÉ AMBATONDRAZAKA.
Tonga nanatrika izany taty an toerana i Andriamatoa Tale Jeneralin'ny Fambolena (DGA) sy ny mpiara-miasa aminy.

Avis de recrutement
18/06/2021

Avis de recrutement

Fanagiazana ny trondro majinika izay milanja 700 kg  voararan'ny lalana ny fivarotana azy izay nataon'ny ekipan'ny DRAEP...
04/03/2021

Fanagiazana ny trondro majinika izay milanja 700 kg voararan'ny lalana ny fivarotana azy izay nataon'ny ekipan'ny DRAEP Alaotra Mangoro androany 04 martsa 2021.
Mamerina ny fanentanana ho antsika mpisehatra amin'ny jono rehetra fa tsy azo atao ny :
-maka ny trondro madinika amin'ny alalan'ny fanaovana tosika,hamatra,rihi-drano,...
-fampiasana harato mihoatra ny 200 metatra.
-fampiasana ramangoaka sy ny harato kely maso rehetra.
Ny tanjona dia mba hampitomboana ny vokatra izay mampalaza ny faritra

Notanterahina androany 02 febroary 2021 ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo sy ny fankalazana ny "journée mondi...
02/02/2021

Notanterahina androany 02 febroary 2021 ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolen-kazo sy ny fankalazana ny "journée mondiale des zones humides" taty am Faritra Alaotra Mangoro izay notanterahiny tao am kaominina Ambohitsilaozana sy Ambatosoratra.
Nandray anjara tamin'izany ny ekipan'ny DRAEP Alaotra Mangoro.

22 decembre 2020: Réunion annuelle des vétérinaires mandataires-sanitaires de la Région ALAOTRA MANGORO qui se déroule d...
22/12/2020

22 decembre 2020: Réunion annuelle des vétérinaires mandataires-sanitaires de la Région ALAOTRA MANGORO qui se déroule dans la Salle de rénion du SRE Madiotsifafana AMBATONDRAZAKA.

Notanterahina ny 27 novambra 2020 ny famindram-pahefana teo amin' Andriamatoa RABEARISOA Rado Lalao,tompon'andraikitra v...
28/11/2020

Notanterahina ny 27 novambra 2020 ny famindram-pahefana teo amin' Andriamatoa RABEARISOA Rado Lalao,tompon'andraikitra voalohany CIRAEP MORAMANGA teo aloha sy Ramatoa RABESOARAY Lova Fleurette izay voatondro hisolo toerana azy.
Mirary soa azy ireo hahavita ny andraikitra izay nomena azy ireo.

Ny mpamboly avy aty amin' ny Faritra ALAOTRA MANGORO no nahazo ny laharana voalohany nasionaly tamin' ny fifaninanana VO...
24/11/2020

Ny mpamboly avy aty amin' ny Faritra ALAOTRA MANGORO no nahazo ny laharana voalohany nasionaly tamin' ny fifaninanana VOLY VARY taom- pambolena 2019-2020 izay nokarakarain' ny Minisiteran' ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono.
Mpifaninana 3 voalohany avy aty amin' ny Faritra no nisitraka ny fanomezana teo amin' ny famokarana vary tsotra ary mpifaninana 3 iany koa teo amin' ny famokarana masomboly vary an-drano.
Notanterahina tany Anjozorobe ny lanonana ny 20 novambra 2020 lasa teo.

Notanterahina androany 12 novambra 2020 teto amin' ny kaominina Morarano Chrome ny fizarana masomboly ho an'ireo mpambol...
12/11/2020

Notanterahina androany 12 novambra 2020 teto amin' ny kaominina Morarano Chrome ny fizarana masomboly ho an'ireo mpamboly manaraka ny teknika PAPRIZ.
Natao izao ho fanampiana ny mpamboly noho ny fandalovan' ny valanaretina Coronavirus ary koa ho fanentanana azy ireo hampiasa ny masomboly voamarina sy ny teknika PAPRIZ

6-11-2020: Mba ahafahan'ny mpamboly misitraka ny toro- hevitra sy fanafody manaraka teknika eo amin' ny fiarovana ny vol...
06/11/2020

6-11-2020: Mba ahafahan'ny mpamboly misitraka ny toro- hevitra sy fanafody manaraka teknika eo amin' ny fiarovana ny voly, dia notontosaina androany ny fampiofanana ireo mpivarotra tranainy sy vaovao eto amin' ny bassin Alaotra. Omena fiofanana manokana izy ireo satria na fanafody aza ny fiantso ireny pesticide ireny ,poizina izy ireny ka ilana fitandremana sy fahaizana manokana ny fikirakirahana sy fampiasa azy.
Mahazo ny marim- pahaizana hivarotra ireo fanafody amin'ny fambolena ireo olona ireo rehefa vita ny fampiofanana.
Isaorana ny DPV nanohana ny DRAEP Alaotra Mangoro tamin' ny fanatontosana izao fampiofanana izao.

Noho ny maha seham- pihariana vaovao ny vanille aty amin' ny Faritra Alaotra Mangoro dia notontosaina tao amin' ny kaomi...
06/11/2020

Noho ny maha seham- pihariana vaovao ny vanille aty amin' ny Faritra Alaotra Mangoro dia notontosaina tao amin' ny kaominina ambanivohitra Vohimena sy Andrebakely Avaratra ny fampiofanana mikasika ny famakiana felana vanille mba ho tojo vokatra hatrany ny fikirakirahana ataon' ny mpamboly tsirairay avy.
Hamafisina hatrany fa amin' ny 8 ora maraina raha tara indrindra ny famakiana ny felana vanille.

Fandraisana anjara ny mpiasan' ny Fambolena,Fiompiana ary ny Jono tamin' ny fanomanana ny zana-kazo ho ambolena amin'ity...
06/11/2020

Fandraisana anjara ny mpiasan' ny Fambolena,Fiompiana ary ny Jono tamin' ny fanomanana ny zana-kazo ho ambolena amin'ity taona 2020-2021 ity,ny androany 6 novambra 2020 teto am CAFPA Ambohitsilaozana.
Madagasikara rakotra ala no tanjona

Address

Antsahatanteraka
Ambatondrazaka
503

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Alaotra Mangoro Draep posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share