Commune Urbaine de Sainte-Marie

Commune Urbaine de Sainte-Marie Page officielle de l'Île de Sainte-Marie et de sa communauté urbaine ( Nosy Boraha ) jusqu'en 2019

TAHIN-JANAHARY TIAN DRAZAN
Page officielle de la commune urbaine de Sainte-Marie.

31/10/2025
🌍 31 Oktobra 2025 ✅️ Fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo no  natolotro ny Ben'ny Tanàna BEASSOU Crophe tamin'i Ramato...
31/10/2025

🌍 31 Oktobra 2025

✅️ Fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo no natolotro ny Ben'ny Tanàna BEASSOU Crophe tamin'i Ramatoa SARARANDRA Zaitouny, zanaka Antsarahaka Loukintsy izay monina any ivela noho izao hatsaram-pony nanolotra fanampiana hoan'ny 🏥 hopitaly be eto Sainte-Marie.

💯 Marihina eto fa avy tany Paris no navian'ireto fanampiana (Don) ireto.

🟢 Tonga nanolotra izany teto amin'ny Hopitaly be eto Ambodifotatra moa ny fianakavian'i Ramatoa SARARANDRA Zaitouny ( Mme SARARANDRA Sakina sy Mme Sophie ), izay natrehin'ny Ben'ny Tanàna.

💢Nandray ireo fanampiana ireo ( Compresse, fanafody, chaise roulante, sns...) moa ny médecin inspecteur eto Sainte-Marie.

✨️✨️APOURA RIAKA APOURA RIAKA, ANO BEBE KOA NY HO AVY✨️✨️

🙏 Misaotra betsaka.

🌍 31 Oktobra 2025✅️ Tsy afa misaraka amin'ny tantaran'i Madagasikara, ny ⛪️ Eglizy Katolika eto Ambodifotatra,  aty Nosy...
31/10/2025

🌍 31 Oktobra 2025

✅️ Tsy afa misaraka amin'ny tantaran'i Madagasikara, ny ⛪️ Eglizy Katolika eto Ambodifotatra, aty Nosy Sainte-Marie no trano fiangonana naorina voalohany teto Madagasikara.

💢Efa harembako-pirenena izy io ary noheritreretina ny hampidirana azy ho anisan'ny harembakoka 🗺 manerantany eo anivon'ny UNESCO.

🟢 Omaly Alakamisy, faha 30 Oktobra 2025 dia tonga ireo Solontena avy ao amin'ny voameram-pirenena eo anivon'ny UNESCO eto Madagasikara, nitsidika ny Ben'ny Tanàna ny Kaominina Ambonivohitr'i Sainte-Marie ary niresadresaka momba ny dingana rehetra hitongavana amin'izany, izay notarihiny Ramatoa Suzy.

🌍 29 Oktobra 2025✨️✨️Fikonandoha izay niarahana tamin'ny ONG MATEZA✨️✨️💢Omaly Atalata, faha 28 Oktobra 2025 dia nisy ny ...
29/10/2025

🌍 29 Oktobra 2025

✨️✨️Fikonandoha izay niarahana tamin'ny ONG MATEZA✨️✨️

💢Omaly Atalata, faha 28 Oktobra 2025 dia nisy ny nidinidinika momba ny paikady mba hialana amin'ny fangerena 🏞ankalamanjana.

💯Nandray anjara tamin'izany:

🟢Kaominina
🟢Solontenan' ireo Chef Fokontany
🟢Izareo avy ao amin'ny fahasalamana
🟢Groupe Strategique
🟢Agent Communautaire
🟢Ireo fikambanana maro samy hafa

𝟐𝟖 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐆𝐎𝐕𝐄𝐑𝐍𝐄𝐌𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐁𝐋𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀✅Araka ny didim-...
28/10/2025

𝟐𝟖 𝐎𝐤𝐭𝐨𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓
𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐊𝐀𝐌𝐁𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐆𝐎𝐕𝐄𝐑𝐍𝐄𝐌𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐄𝐏𝐎𝐁𝐋𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀

✅Araka ny didim-panjakana laharana faha 2025-1114 ny 28 Oktobra 2025

• 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐋𝐨𝐛𝐨 𝐇𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐢𝐧𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚
Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika misahana ny Fanavaozana

• 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐃𝐢𝐯𝐢𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐅𝐈𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎 𝐌𝐚𝐦𝐢𝐧𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚 𝐄𝐥𝐲
Minisitry ny Foloalindahy

• 𝐑𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐒𝐎𝐀 𝐂𝐡𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐧𝐞 𝐇𝐚𝐫𝐢𝐣𝐚𝐨𝐧𝐢𝐧𝐚
Minisitry ny Raharaham-bahiny

• 𝐄𝐑𝐍𝐀𝐈𝐕𝐎 𝐅𝐚𝐧𝐢𝐫𝐢𝐬𝐨𝐚
Mpitahiry Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana

• 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐒𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐚𝐧𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐕𝐞𝐥𝐨𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐓𝐢𝐚𝐫𝐚𝐲
Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana

• 𝐃𝐫 𝐑𝐀𝐌𝐈𝐀𝐑𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐇𝐞𝐫𝐢𝐧𝐣𝐚𝐭𝐨𝐯𝐨 𝐀𝐢𝐦𝐞́
Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola

• 𝐈𝐧𝐬𝐩𝐞𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐏𝐨𝐥𝐢𝐜𝐞 𝐄𝐑𝐈𝐂𝐊 𝐌𝐈𝐂𝐇𝐄𝐋 𝐖𝐨𝐮𝐥𝐢 𝐒𝐨𝐮𝐦𝐚𝐡 𝐈𝐝𝐫𝐢𝐬𝐬𝐚
Minisitry ny Filaminam-bahoaka

• 𝐆𝐞́𝐧𝐞́𝐫𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐃𝐢𝐯𝐢𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐋𝐘𝐋𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐞𝐧𝐞́ 𝐝𝐞 𝐑𝐨𝐥𝐥𝐚𝐧𝐝 𝐔𝐫𝐛𝐚𝐢𝐧
Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany

• 𝐃𝐫 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐍𝐀 𝐌𝐨𝐧𝐢𝐫𝐚
Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka

• 𝐏𝐫 𝐑𝐀𝐕𝐎𝐍𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐍𝐝𝐚𝐨𝐡𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐌𝐚𝐧𝐝𝐚-𝐕𝐲
Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa

• 𝐇𝐀𝐍𝐈𝐓𝐑𝐈𝐍𝐈𝐀𝐈𝐍𝐀 𝐄𝐥𝐢𝐬 𝐊𝐚𝐫𝐞𝐧𝐚
Minisitry ny Fanabeazam-pirenena

• 𝐓𝐒𝐈𝐋𝐄𝐅𝐀 𝐀𝐧𝐭𝐨𝐧𝐢𝐨
Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fampiofanana Arak’asa

• 𝐑𝐀𝐒𝐀𝐓𝐀𝐑𝐈𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐉𝐨𝐬𝐞́ 𝐍𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚
Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana

• 𝐑𝐀𝐒𝐎𝐀𝐑𝐀𝐇𝐎𝐍𝐀 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐢𝐧𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚
Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina

• 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐇𝐚𝐢𝐧𝐠𝐨𝐭𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐞𝐥𝐚 𝐀𝐧𝐠𝐞̀𝐥𝐞
Minisitry ny Varotra sy ny Fanj

🌍 28 Oktobra 2025 ✅️ Vaovao misongadina eto Madagasikara
28/10/2025

🌍 28 Oktobra 2025

✅️ Vaovao misongadina eto Madagasikara

🌍 28 Oktobra 2025🏴‍☠️ Amin'ny lalana mankany amin'ny ho avy!   Miverina any amin'ny Nosy Sainte-Marie ny Festival Pirate...
28/10/2025

🌍 28 Oktobra 2025

🏴‍☠️ Amin'ny lalana mankany amin'ny ho avy! Miverina any amin'ny Nosy Sainte-Marie ny Festival Pirate
🌴ary amin'ity taona ity, miomàna amin'ny FIHAZANA HARENA LEHIBE!
💎 Telo andro mahafinaritra, tantara ary adrenalinina no miandry anao!

👉 Traikefa nahafinaritra misokatra ho an'ny rehetra - nasionaly na iraisam-pirenena
👉 Hetsika tsy manam-paharoa ao afovoan'ny Nosy Pirate
👉 Traikefa hanamarika ny fijanonanao mandrakizay.

📍 Fanombohana ofisialy ny 27 oktobra tao amin'ny Orange Madagascar, Gare Soarano Antananarivo. Misaotra an'ireo mpanao gazety rehetra, mpiara-miombon'antoka, ary ireo mpandraharaha amin'ny fizahantany manatrika 🙌 ⚓️ Koa, andao hiaraka aminay... handeha ho any amin'ny Nosy Pirate hahitana ny harena miafina ao amin'ny nosy iray milamina, manomboka ny 28 ka hatramin'ny 30 Novambra 2025!

🌊 Safe Sainte-Marie ------------------------ Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa tanana - Madagasikara Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina Orange News Madagascar SQUARE STITCH Toerana Ile aux Nattes Sainte-Marie Travel

✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️✨️

🏴‍☠️ CAP SUR L’AVENTURE !
Le Festival des Pirates revient à l’Île Sainte-Marie 🌴et cette année, préparez-vous pour LA GRANDE CHASSE AUX TRÉSORS ! 💎Trois jours de fun, d’histoire et d’adrénaline vous attendent !
👉 Une aventure ouverte à tous – nationaux et internationaux
👉 Des activités inédites au cœur de l’île aux pirates
👉 Une expérience qui marquera votre séjour à jamais
📍 Lancement officiel le 27 octobre chez Orange Madagascar, Gare Soarano Antananarivo.
Merci à tous les journalistes, partenaires et tour-opérateurs présents 🙌
⚓️ Alors, embarquez avec nous…
Cap sur l’Île aux PIRATE pour découvrir les trésors cachés d’une île aussi sereine que légendaire, du 28 au 30 Novembre 2025.

🌍22 Oktobra 2025✅️Tohin'ny fanadiovana izay natomboka tao Antsiriginihy izay notarihin'ny COMOP tamin'ny herinadro lasa ...
22/10/2025

🌍22 Oktobra 2025

✅️Tohin'ny fanadiovana izay natomboka tao Antsiriginihy izay notarihin'ny COMOP tamin'ny herinadro lasa iny.

💢Androany dia tao amin'ny FOKONTANY AGNALARADZY no nanolorana na nametrahana Bac à ordure iray mba hitsinjovana ny vahoaka sy ny fahadiovana, hialana amin'ny fako miparitaka manerana ny tanàna. Marihina fa ireo fako mora levona hiany no hapetra antsika ao.

🟢Efa vita ny fandaminana amin'ny fihodinana ny hametrahana io Bac à ordure io ato anatin'ny Carreaux rehetra ( Marosoroka, Sahabe, Analamboanio) misy eto AGNALARADZY.

🙏Tsy Tontonsa anefa izany raha tsy nisy ny dinika sy ny fiarahamiasa teo amin'ny Kaominina, COMOP, ireo Lehiben'ny sampandraharaha isantsokajiny sy ny Sefo Fokontany.

💯Tonga nanolotra izany moa Andriamatoa COURISSAKA Antoni (3ème Adjoint au Marie) sy ny équipes avy tao amin'ny Kaominina izay nisolotena ny Ben'ny Tanàna.

https://www.facebook.com/100084705796643/posts/782131027953750/?mibextid=rS40aB7S9Ucbxw6v
18/10/2025

https://www.facebook.com/100084705796643/posts/782131027953750/?mibextid=rS40aB7S9Ucbxw6v

FAMPITANDREMANA NOHO NY ALONDRANO | 17 Oktobra 2025

⚠️ 🌊 Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana, atsimo andrefana, atsimo, atsimo atsinananan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo andrefana. Tombanana hahatratra 3 hatramin’ny 4,5m ny haavon’ny onja.

▶️FE-POTOANA :

✓ Manomboka anio Zoma 17 Oktobra 2025 tolakandro ny eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro;

✓ Manomboka rahampitso 18 Oktobra 2025 vao maraina kosa ny morontsirak’i Menabe sy Atsimo atsinanana.

▶️FIANTRAIKANY :

✓ Fahasarotan'ny fifamoivoizana
✓ faharendrehana an-dranomasina;
✓ Fikorontanan’ny asa fihariana an-davanandro;

▶️FARITRA VOAKASIKA :

📕📕 Fampitandremana miloko mena: Morombe hatrany Taolagnaro

📒📒 Fampitandremana miloko mavo: Morontsirak’i MENABE sy Atsimo atsinanana.

❌❌Entanina ny rehetra mba hanaraka tsy tapaka ny toromarika atolotry ny tompon’ andraikitra eny ifotony. ❌❌

🔑 Météo Madagascar

Ministère des Transports et de la Météorologie de Madagascar

🌍 17 Oktobra 2025✅️ Androany no nanambarana sy nampahafantarina ampahibe maso ny fijiroan'ny COMOP (Comité Opérationnel ...
17/10/2025

🌍 17 Oktobra 2025

✅️ Androany no nanambarana sy nampahafantarina ampahibe maso ny fijiroan'ny COMOP (Comité Opérationnel du Projet ) eto Sainte-Marie izay nitarika ny fanadiovana tao ANTSIRIGINY Analamboanio, "GDS Gestion des Déchets Solides".

💯 Lehiben'ny sampandraharaha maro, ny manampahefana, fikambana sy ny mponina manodidina ary club environnementale avy ao amin'ny CEG Ambodifotatra no tonga nanotrona izany, ka 🙏 Misaotra atsika antsika jiaby.

17/10/2025

🌍17 Octobre 2025

🌍 16 Octobre 2025✅️ Ho fampandrosoana ny tanàna, mila mandray andraikitra ny rehetra fa tsy mihalangalana fotsiny eny an...
16/10/2025

🌍 16 Octobre 2025

✅️ Ho fampandrosoana ny tanàna, mila mandray andraikitra ny rehetra fa tsy mihalangalana fotsiny eny anivon’ny fokontany misy azy.

💯Izay indrindra no nahatonga ny chef carreaux Andriamatoa DIDI nitarika izao hetsika fanadiovana lakandrano izao tao Antanantsinoa Fokontany Ambodifotatra iniany Alakamisy faha 16 Oktobra 2025, izay niarahana tamin'ny Kaominina sy ny Fokonolona tao antoerana mba hiarovana ny fotodrafitrasa izay efa vita.

🟢Beazina ihany isika koa handray andraikitra ka hametraka ny fako eny amin’ny 🗑 daba manokana efa nomanina ho amin’izany fa tsy hitazana fotsiny raha mahita fako miparitaka eny rehetra eny, hoy ny solontenan’ny Ben'ny Tanàna Andriamatoa COURISSAKA Antoni ( 3ème Adjoint au Marie), ary 🙏nisaotra sy nakasitraka izay rehetra tonga izy.

Address

Rue De Belgique
Ambodifototra
302019

Opening Hours

Monday 08:00 - 12:00
14:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 12:00
14:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 12:00
14:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 12:00
14:00 - 17:00
Friday 08:00 - 12:00
14:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Urbaine de Sainte-Marie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Commune Urbaine de Sainte-Marie:

Share