22/09/2026
🌐 « 𝑴𝒂𝒎𝒆𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒕𝒐𝒌𝒊𝒔𝒂𝒏𝒂, 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒐𝒗𝒂̀𝒏𝒂: 𝑽𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏'𝒏𝒚 𝑭𝒊𝒓𝒆𝒏𝒆𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂, 𝒎𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒉𝒐 𝒂𝒏'𝒏𝒚 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 » no lohahevitry ny Fihaonambe faha-81 an’ny Firenena Mikambana, izay fotoana lehibe ho an’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Ny fandraisan’anjaran’ny delegasiona malagasy, tarihin’ny 𝐅𝐢𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐑𝐞𝐩𝐨𝐛𝐥𝐢𝐤𝐚, 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐞𝐥𝐲 𝐑𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐍𝐈𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐌𝐢𝐜𝐡𝐚𝐞̈𝐥, dia ahafahan’i Madagasikara mampahafantatra sy miaro ny laharam-pahamehany, manamafy ny fifandraisany amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy ary mikaroka ireo fanararaotra vaovao eo amin’ny sehatry ny fiaraha-miasa sy ny fampiasam-bola, ho fanohanana ny fampandrosoana ny firenena. Mandritra izao Herinandro Avo lenta an'ny Firenena mikambana izao, ireo fifanakalozan-kevitra atao dia hanampy amin’ny 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐚𝐟𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚-𝐦𝐢𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧’𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 amin’ireo sehatra laharam-pahamehana, izay hitarika amin'ny famoronana asa sy fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka.
✳️ Hanao lahateny eo anoloan’ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana ihany koa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny 24 Septambra ho avy izao, ka hampahafantatra ny laharam-pahamehana sy ny vina ijoroan’i Madagasikara manoloana ny toe-draharaha atrehin’izao tontolo izao.
----
🌐 Placée sous le thème "𝐑𝐞́𝐭𝐚𝐛𝐥𝐢𝐫 𝐥𝐚 𝐜𝐨𝐧𝐟𝐢𝐚𝐧𝐜𝐞, 𝐠𝐞́𝐫𝐞𝐫 𝐥𝐚 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐬𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 : 𝐮𝐧𝐞 𝐎𝐫𝐠𝐚𝐧𝐢𝐬𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐍𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐔𝐧𝐢𝐞𝐬 𝐚𝐮 𝐬𝐞𝐫𝐯𝐢𝐜𝐞 𝐝𝐞 𝐭𝐨𝐮𝐬", la 81ᵉ session de l’Assemblée générale des Nations Unies constitue un rendez-vous majeur pour la coopération internationale. La participation de la délégation malgasy, conduite par le Président de la Refondation de la République, le Colonel RANDRIANIRINA Michaël, permet à Madagascar de 𝐩𝐨𝐫𝐭𝐞𝐫 𝐬𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐢𝐨𝐫𝐢𝐭𝐞́𝐬, 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐧𝐟𝐨𝐫𝐜𝐞𝐫 𝐬𝐞𝐬 𝐫𝐞𝐥𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐚𝐯𝐞𝐜 𝐬𝐞𝐬 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐞𝐧𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐫𝐞𝐜𝐡𝐞𝐫𝐜𝐡𝐞𝐫 𝐝𝐞 𝐧𝐨𝐮𝐯𝐞𝐥𝐥𝐞𝐬 𝐨𝐩𝐩𝐨𝐫𝐭𝐮𝐧𝐢𝐭𝐞́𝐬 𝐝𝐞 𝐜𝐨𝐨𝐩𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐞𝐭 𝐝’𝐢𝐧𝐯𝐞𝐬𝐭𝐢𝐬𝐬𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 au service du développement du pays. Durant cette Semaine de haut niveau, les échanges engagés vont contribuer à mobiliser des partenariats dans des secteurs prioritaires et, à terme, favoriser la création d’emplois et l’amélioration des conditions de vie de la population.
✳️ Le Président de la Refondation de La République interviendra par ailleurs à la tribune des Nations Unies le 24 septembre prochain, pour présenter les priorités et les orientations de Madagascar sur les grands enjeux internationaux.