24/09/2026
FAMELABELARANA MIKASIKA NY RINDRAN'ASA FITANTANANA NY OLOMBELONA
🛑 Tontosa androany teo anivon'ny Etamazaoron'ny Tafika Andranomasina Ambohidahy, ny famelabelarana mikasika ny fampiasana ny rindran'asa na "application" amin'ny fitantanana ny olombelona na ny mpiasa. Tetik'asa roa momba fanaovaozana ny ara-kajy mirindra.
👉Andaniny ny famolavolana rindran'asa (application) mikasika ny fitantanana sy fanaraha-maso ny olombelona eo anivon'ny Tafika Andranomasina, notanterahin'ny EV1 VELONARIVO Léon William Edson, Lehiben'ny Sampan-draharaha haitao ara-kajy mirindra sy ny fifandraisan-davitra, mpisolo-toerana eo anivon'ny Etamazaoron'ny Tafika Andranomasina.
👉Ankilany, ny fampafantaran'ny EOS Élève Officier Spécialiste BROUETTE Adriana Davidson, avy eo anivon'ny ENI École Nationale de l'Informatoque ao Fianarantsoa, ny tetik'asa fampiasana ny rindran'asa amin'ny fitantanana ny olombelona na ny GRH gestion des ressources humaines.
📌 Nitondra toro-marika fanatsarana amin'ny fampiharana izany ny Contre Amiral SAM HIENG TWION Kalobe Mickaël, Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Andranomasina sy ireo mpiaramiasa aminy.
⚓ Hoampiharina sy hoampiasana eo anivon'ireo rantsamangaikan'ny Tafika Andranomasina moa ireto tetik'asa ireo, ary nanatrika izany ny Capitaine de Vaisseau RAFEHIZATO Andry Guy Ohm, Kaomandin'ny Tobi-pamaharan'ny Tafika Andranomasina Antsiranana sy ny ny Capitaine de Vaisseau RANDRIANANTENAINA Jean Christian, Kaomandin'ny Vondrona faharoa ny Tantsambo Mpiantafika ao Antsiranana.
⚓Dingana lehibe ho an'ny Tafika Andranomasina amin'ny fitantanana sy fanaraha-maso ary fifehezana ny olombelona amin'ny fikirakirana ny haitao ara-kajy mirindra ireto tetik'asa ireto.