22/09/2026
🌊 Mahafantatra bebe kokoa ny fandotoana ateraky ny plastika, mba hahafahana mandray andraikitra bebe kokoa.
Eto Madagasikara, miara-misalahy amin’ireo mpiara-miombon’antoka isam-paritra ny fikarohana siantifika, mba hahafantarana sy handraketana bebe kokoa ny fiantraikan’ny fako plastika amin’ny Ranomasimbe Indianina. 🌍♻️
📍 Tamin’ny Alarobia 16 Septambra 2026, ny tetikasa ExPLOI – Expédition Plastique Océan Indien, izay tanterahin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI), dia nampivondrona ireo mpiara-miombon’antoka ara-tsiansa ary nanomboka dingana vaovao amin’ny hetsika ataony eto Madagasikara. 🔬
Miaraka amin’ny IRD sy ny Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) ao amin’ny Oniversiten’i Toliara, dia mihamafy ny fiaraha-miasa ara-tsiansa manodidina ireo lohahevitra maro : ny fanaraha-maso sy fandinihana ny fako, ny fikarohana an-dranomasina, ny fahapotehan’ny plastika eny an-dranomasina, ny fiantraikan’ny loto amin’ireo zavamananaina sy ny tontolo iainana an-dranomasina, ary koa ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana sy ny fiompiana anaty rano eny amin’ny morontsiraka. 🧪🌊🐟
Anisan’ny fototry ny fiaraha-miasa ihany koa ny fanofanana sy fanohanana ireo tanora mpikaroka malagasy, ary ny famokarana sy fizarana fahalalana azo ampiasain’ireo mpisehatra amin’ny sehatram-panjakana sy eny anivon’ny faritra. 🎓🔎
🤝 Ny fikarohana dia midika ihany koa hoe miara-mamolavola sy miara-miasa.
Ny fanaovan-tsonia ny "avenant" hanavaozana ny fiaraha-miasa ara-tsiansa amin’ny IRD, sy ny fifanarahana amin’ny , dia manamafy izany fiaraha-miasa izany eo amin’ny roa tonta hatramin’ny taona 2029. 📚
♻️ Zava-dehibe iray hafa tamin’io andro io : natomboka ihany koa ny dingana mialoha ny fanohanana (préincubation) ireo mpandraharaha 12 mitondra tetikasa, izay misolo tena fandraisana andraikitra 10 momba ny toekarena boribory eto Madagasikara.
Ny fanangonana sy fanodinana fako, ny vahaolana hafa ho solon’ny fonosana plastika, ny fanomezana lanja indray ny fako… dia isan’ireo tetikasa mikaroka vahaolana azo ampiharina hiadiana amin’ny fandotoana ateraky ny plastika. 💡🌱
🌍 Ny COI, miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny AFD - Agence Française de Développement sy ny , no mitondra ny tetikasa ExPLOI izay tanterahina any amin’ireo firenena efatra ao amin’ny Ranomasimbe Indianina : Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles.
Ny IRD dia mandray anjara amin’ny lafiny ara-tsiansa amin’ity tetikasa ity, indrindra amin’ny alalan’ny fanohanana ny IHSM ao Toliara. 🔬🇲🇬
🌱 Mamokatra fahalalana, mizara izany ary mampiasa azy ho fanohanana vahaolana maharitra : izany no anisan’ny fototry ny fiaraha-miasa ara-tsiansa ataon’ny IRD.
------------------------------------------------------------------
🌊 Mieux comprendre la pollution plastique pour mieux agir.
À Madagascar, la recherche s’engage aux côtés des acteurs régionaux pour mieux documenter les impacts des déchets plastiques sur l’océan Indien. 🌍♻️
📍 Ce mercredi 16 septembre 2026 à Tananarive, le projet ExPLOI – Expédition Plastique Océan Indien, porté par la Commission de l’océan Indien (COI), a réuni ses partenaires scientifiques et lancé une nouvelle étape de ses actions à Madagascar. 🔬
Avec l’ IRD et l’Institut Halieutique et des Sciences Marines (IHSM) de l’Université de Tuléar, la collaboration scientifique se renforce autour de plusieurs enjeux : observation des déchets, campagnes océanographiques, biodégradabilité des plastiques en mer, écotoxicologie et impacts sur les écosystèmes et l’aquaculture côtière. 🧪🌊🐟
Cette dynamique s’appuie notamment sur la formation et l’accompagnement de jeunes scientifiques malgaches, ainsi que sur la production et le partage de connaissances utiles aux acteurs publics et aux territoires. 🎓🔎
🤝 La recherche, c’est aussi construire ensemble.
L’avenant renouvelant le partenariat scientifique avec l’IRD et la convention avec l’IHSM viennent consolider cette coopération jusqu’en 2029. 📚
♻️ Autre temps fort de la journée : le lancement de la préincubation de 12 porteurs de projets, représentant 10 initiatives d’économie circulaire à Madagascar. Collecte et recyclage, alternatives aux emballages plastiques, valorisation des déchets… autant de projets qui explorent des solutions concrètes face à la pollution plastique. 💡🌱
🌍 Porté par la COI avec le soutien financier de l’AFD et du FFEM, ExPLOI est déployé dans quatre pays de l’océan Indien : Madagascar, Comores, Maurice et Seychelles.
L’IRD contribue à la composante scientifique du projet, notamment à travers son appui à l’IHSM de Tuléat. 🔬🇲🇬
🌱 Produire des connaissances, les partager et les mettre au service de solutions durables : une démarche au cœur des partenariats scientifiques de l’IRD.