APIPA PAGE OFFICIELLE DE L'AUTORITE POUR LA PROTECTION CONTRE LES INONDATIONS DE LA PLAINE D'ANTANANARIVO

🚧🌿 VALLÉE DE L'EST : MITOHY HATRANY NY ASA FANADIOVANA AO MASAY 🌿🚧.📍 Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ataon'ny APIPA. A...
03/08/2026

🚧🌿 VALLÉE DE L'EST : MITOHY HATRANY NY ASA FANADIOVANA AO MASAY 🌿🚧.

📍 Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ataon'ny APIPA. Amin'izao fotoana izao dia mizara ho ekipa ny mpiasa mba hahafahana manatanteraka asa amin'ny toerana maro indray mandeha. Ny iray amin'ireo ekipa dia miasa eny Masay, manohy ny fanadiovana ny Vallée de l'Est, izay anisan'ireo fotodrafitrasa lehibe mitana anjara toerana amin'ny fanariana sy fitantanana ny ranon'orana eto amin'ny Lemak'Antananarivo. 💧

🛠️ Ny asa tanterahina dia ahitana ny fanesorana ireo fako, fotaka, ary ireo zavatra hafa manentsina ny lalan-drano, mba hamerenana amin'ny laoniny ny fikorianan'ny rano sy hiantohana ny fahombiazan'ny lakandrano, indrindra mandritra ny fotoanan'ny orana. 🌧️

🌊 Ao anatin'ny ezaka mitohy ataon'ny APIPA amin'ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa fiarovana amin'ny tondra-drano no anatanterahana izao asa izao. Ny fanadiovana tsy tapaka ny lakandrano sy ireo lalan-drano dia manampy amin'ny fisorohana ny fahatsentsenana, mampihena ny mety hisian'ny tondra-drano, ary miaro ny mponina sy ny fananany. 🏘️

🤝 Tsiahivina fa tsy ampy ny ezaka ataon'ny mpiasan'ny APIPA irery. Ilaina ny fiaraha-mientan'ny rehetra amin'ny fitandroana ny fahadiovan'ny lakandrano sy ny tontolo iainana, amin'ny alalan'ny tsy fanariana fako eny amin'ny lalan-drano sy ny fanajana ireo fotodrafitrasa iombonana. 🌱♻️.

💙 Ny fiarovana ny Lemak'Antananarivo amin'ny tondra-drano dia andraikitsika iombonana.

-

29/07/2026
🚧 STATION DE POMPAGE ISOTRY 🚧Mitohy hatrany ny asa fanadiovana (curage) ny bâche ao amin'ny Station de Pompage (STAPOM) ...
29/07/2026

🚧 STATION DE POMPAGE ISOTRY 🚧

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana (curage) ny bâche ao amin'ny Station de Pompage (STAPOM) Isotry, ho fanatsarana ny fahafahan'ny fotodrafitrasa mandray sy mamoka ny rano, ary hisorohana ny fivangongoan'ny fotaka sy ireo fako mety hanelingelina ny fiasan'ny paompy.

Ireo asa ireo dia anisan'ny fikojakojana tsy tapaka ataon'ny APIPA, mba hiantohana ny fahombiazan'ny tobim-paompy sy hanamafisana ny fiarovana an'Antananarivo amin'ny loza ateraky ny tondra-drano.

🌊 APIPA – Miasa hatrany ho fiarovana ny tanàna sy ny mponina amin'ny tondra-drano.

-

📍 FARIHY ANOSY.Anisan'ny vakoka sy endrika mampiavaka an'Antananarivo ny Farihy Anosy, ka laharam-pahamehana ny fikojako...
22/07/2026

📍 FARIHY ANOSY.

Anisan'ny vakoka sy endrika mampiavaka an'Antananarivo ny Farihy Anosy, ka laharam-pahamehana ny fikojakojana sy ny fanadiovana azy.

Mitohy ny asa fanesorana ireo fako efa natoby nandritra ny fanadiovana, ary koa ny fanalana ireo tsikafona sy loto samihafa, mba hiantohana ny fivezivezen'ny rano sy hitandroana ny fahadiovan'ny tontolo iainana.

Mampahatsiahy ny APIPA fa andraikitry ny rehetra ny fiarovana ny Farihy Anosy sy ireo fotodrafitrasa fanarian-drano. Koa manentana ny olom-pirenena mba tsy hanary fako eny amin'ny farihy sy ny lakandrano, ary hiara-hikajy ny fahadiovan'ny tanànantsika.

🌿 Ny fahadiovana dia andraikitry ny rehetra.

-

🌾 MITOHY NY FANADIOVANA MBA HIANTOHANA NY FIKORIANAN'NY RANO 💧Na dia efa miroso amin'ny fampidiran-drano ho fanondrahana...
20/07/2026

🌾 MITOHY NY FANADIOVANA MBA HIANTOHANA NY FIKORIANAN'NY RANO 💧

Na dia efa miroso amin'ny fampidiran-drano ho fanondrahana ny tanimbary aza isika, dia mitohy hatrany ny asa fanadiovana ka anisan'izany ny Lakandrano GR. Esorina tsy tapaka ireo fako sy sakana mety hanentsina ny lakandrano, mba hiantohana ny fikorianan'ny rano sy ny fahombiazan'ny fanondrahana ireo tanimbary ao amin'ny Lemak'i Betsimitatatra sy ny manodidina.

Zava-dehibe ny fikojakojana tsy tapaka ity fotodrafitrasa ity, satria miantoka ny fizaràna rano amin'ny sehatry ny fambolena sady manampy amin'ny fisorohana ny fahatsentsenan'ny lakandrano.

🤝 Miantso ny rehetra ny APIPA mba hiara-hisalahy amin'ny fiarovana ny lakandrano amin'ny alalan'ny tsy fanariana fako ao anatiny. Ny fiarovana ny lakandrano dia fiarovana ny rano, ny fambolena ary ny tontolo iainana.

-

🌾 FANONDRAHANA TANIMBARY | MANOMBOKA ANIO NY FANOMEZANA RANO.Manomboka anio ny fanondrahana ny tanimbary ao amin'ny Lema...
15/07/2026

🌾 FANONDRAHANA TANIMBARY | MANOMBOKA ANIO NY FANOMEZANA RANO.

Manomboka anio ny fanondrahana ny tanimbary ao amin'ny Lemak'i Betsimitatatra sy ireo faritra manodidina. Ny Lakandrano GR, izay misintona rano avy amin'ny reniranon'Ikopa amin'ny alalan'ny barrage Tanjombato, no miantoka ny famatsiana rano ilaina amin'izao fanombohan'ny taom-pambolena izao.

Talohan'ny nanombohan'ny fanondrahana dia efa notanterahin'ny APIPA ny asa fanadiovana sy fikojakojana ny Lakandrano GR, mba hahafahan'ny rano mikoriana tsara sy tonga any amin'ireo tanimbary rehetra misitraka izany.

Ireo asa ireo dia tafiditra ao anatin'ny ezaka ataon'ny APIPA amin'ny fitantanana ny rano, fanohanana ny famokaram-bary ary fanatsarana ny fiainan'ireo tantsaha ao amin'ny Lemak'Antananarivo.

🌱 Rano voafehy, fambolena miroborobo, vokatra tsara ho an'ny firenena.

-

10/07/2026

PRODUIR - Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience

🌾 LAKANDRANO GR : MIOMANA AMIN'NY FANONDRAHANA NY TANIMBARY 💧.Ao anatin'ny fiomanana amin'ny taom-pamokarana  dia manata...
08/07/2026

🌾 LAKANDRANO GR : MIOMANA AMIN'NY FANONDRAHANA NY TANIMBARY 💧.

Ao anatin'ny fiomanana amin'ny taom-pamokarana dia manatanteraka ny fametrahana ny bois rond na "aiguille" eo amin'ny Barrage Ikopa Tanjombato ny APIPA.

Ireo aiguilles ireo no ampiasaina hifehezana ny fikorianan'ny rano avy amin'ny Reniranon'Ikopa, mba hahafahana mampiditra rano ao amin'ny Lakandrano GR, izay manondraka ny tanimbary ao amin'ny Lemak'i Betsimitatatra sy ireo faritra manodidina.

Ity asa ity dia zava-dehibe amin'ny fiantohana ny fahazoan-drano ara-potoana ho an'ny fambolena sy ny fanohanana ny famokaram-bary.

🌱 APIPA – Miara-miasa amin'ny fitantanana ny rano ho fampandrosoana ny fambolena.

-

🌾 LAKANDRANO GR : MITOHY NY FIOMANANA HO AN'NY FAMBOLENA 💧.Mitohy ny asa fanadiovana ny lakandrano, ka anisan'izany ny l...
07/07/2026

🌾 LAKANDRANO GR : MITOHY NY FIOMANANA HO AN'NY FAMBOLENA 💧.

Mitohy ny asa fanadiovana ny lakandrano, ka anisan'izany ny lakandrano GR, izay mitana anjara toerana lehibe amin'ny fampidirana rano ho an'ireo tanimbary ao amin'ny Lemak'i Betsimitatatra sy ireo faritra manodidina, ka manampy amin'ny fiantohana ny famokaram-bary.

Ho fiomanana amin'ny taom-pambolena dia mitohy hatrany ny fanatanterahana ny asa fanadiovana ny lakandrano. Anisan'ny toerana hanatanterahana izany androany ny Lakandrano GR eo Anosizato (GRA3 – RN1), izay hanaovana fanesorana ny fotaka, ny fako ary ireo zavamaniry manelingelina ny fikorianan'ny rano.

🎯 Tanjona amin'izany ny hiantohana ny fikorianan'ny rano sy ny famatsian-drano ho an'ny tanimbary, mba hahafahan'ny tantsaha manatanteraka ny famboleny ara-potoana sy mampitombo ny vokatra.

🌱 Lakandrano voakarakara, rano mikoriana tsara, fambolena maharitra.

-

🚧 MITOHY NY FANADIOVANA NY LAKANDRANO ANDRIANTANY 🌿Mitohy hatrany ny asa fanadiovana tanterahin'ny APIPA eo amin'ny Laka...
06/07/2026

🚧 MITOHY NY FANADIOVANA NY LAKANDRANO ANDRIANTANY 🌿

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana tanterahin'ny APIPA eo amin'ny Lakandrano Andriantany eny amont tetezana Ampefiloha.

🎯Ny tanjona amin'izany ny hanatsarana ny fikorianan'ny rano amin'ny alalan'ny fanesorana ireo fotaka sy fako ary ireo tsikafona manentsina sy manelingelina ny fikorianan'ny rano.

🤝 Manentana ny rehetra ny APIPA mba hiara-hitandro ny fahadiovan'ny lakandrano amin'ny tsy fanariana fako eny amin'ny lakandrano sy ny manodidina azy, satria andraikitry ny rehetra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fisorohana ny tondra-drano.

-

Address

Lot IVW 18E Anosizato Est
Antananarivo
101

Telephone

+261344427332

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when APIPA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share