23/07/2026
🐟 𝐌𝐢𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐡𝐨𝐦𝐛𝐲 𝐤𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐩𝐢𝐨𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐫𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐚𝐨 𝐀𝐧𝐣𝐨𝐳𝐨𝐫𝐨𝐛𝐞
Ny fiomanana tsara no antoky ny vokatra tsara. Izany indrindra no tanjon'ny fihaonana nataon'ireo mpiompy trondro ao Anjozorobe sy ireo mpanentana ny tetikasa AMPIANA 3, vatsian'ny Vondrona eoropeana ao anatin'ny programa AFAFI Centre 2, ny 14 Jolay 2026.
Mihoatra noho ny fivoriana fanao isan-taona, ity fihaonana ity, izay sehatra iombonana ahafahan'ireo mpiompy trondro, teknisiana ary tompon'andraikitra eny an-toerana miara-manomana ny taom-pamokarana vaovao, mifampizara traikefa, mianatra amin'ireo zava-bita sy lesona azo tamin'ny taom-pamokarana teo aloha, ary mitady vahaolana iombonana hiatrehana ireo fanamby.
📌 Nandritra ny fihaonana dia:
• nojerena ny vokatra sy ny zava-bita tamin'ny taom-pamokarana lasa;
• noraisina tamin'ny fomba ofisialy ireo mpiompy trondro vaovao niditra tao amin'ny tetikasa;
• nozaraina ireo teknika sy fomba fiasa vaovao entin'ny tetikasa AMPIANA 3;
• niaraha-namantatra ireo olana sedraina sy namolavola paikady hiomanana amin'ny taom-pamokarana manaraka.
🤝 Manamafy ny firaisankina eo amin'ireo mpiompy ity fihaonana ity ary mampiroborobo ny fifampizarana fahalalana sy traikefa. Rehefa miara-mandinika sy miara-manapa-kevitra ny mpisehatra rehetra, dia mora kokoa ny mamolavola vahaolana mifanaraka amin'ny zava-misy eny ifotony sy manatsara ny vokatra.
Ny fiompiana trondro maharitra dia tsy miankina amin'ny teknika ihany, fa amin'ny fiaraha-miasa ary ny fandrindrana iombonana ihany koa. Izany no antoky ny famokarana mahomby kokoa sy ny fanatsarana ny fiveloman'ireo tokantrano any ambanivohitra.
--------------------------
🐟 𝐋𝐞𝐬 𝐩𝐢𝐬𝐜𝐢𝐜𝐮𝐥𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐝'𝐀𝐧𝐣𝐨𝐳𝐨𝐫𝐨𝐛𝐞 𝐬𝐞 𝐦𝐨𝐛𝐢𝐥𝐢𝐬𝐞𝐧𝐭 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐩𝐫𝐞́𝐩𝐚𝐫𝐞𝐫 𝐮𝐧𝐞 𝐜𝐚𝐦𝐩𝐚𝐠𝐧𝐞 𝐩𝐥𝐮𝐬 𝐩𝐞𝐫𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐧𝐭𝐞
Une bonne préparation est la clé d'une campagne réussie. C'est dans cet esprit que les pisciculteurs d'Anjozorobe se sont réunis, le 14 juillet 2026, avec les animateurs du projet AMPIANA 3, financé par l'Union européenne dans le cadre du programme AFAFI Centre 2.
Bien plus qu'une simple réunion annuelle, cette rencontre constitue un véritable espace de concertation où pisciculteurs, techniciens et autorités locales préparent ensemble la prochaine campagne, partagent leurs expériences, tirent les enseignements de la campagne écoulée et recherchent collectivement des solutions aux défis rencontrés.
📌 Au cours de cette rencontre :
• le bilan des activités et les résultats de la dernière campagne ont été présentés ;
• les nouveaux pisciculteurs intégrant le projet ont été officiellement accueillis ;
• les approches techniques développées par le projet AMPIANA 3 ont été partagées ;
• les principaux défis rencontrés ont été analysés afin d'identifier des solutions et de mieux préparer la prochaine campagne.
🤝 Cette rencontre renforce la solidarité entre les pisciculteurs et favorise le partage des connaissances, des expériences et des bonnes pratiques. En réfléchissant ensemble aux solutions les mieux adaptées aux réalités du terrain, les acteurs améliorent l'organisation de la filière et renforcent les perspectives de développement de la pisciculture.
Une pisciculture durable repose autant sur la maîtrise des techniques que sur la collaboration entre les producteurs. En fédérant l'ensemble des acteurs autour d'une vision commune, le projet AMPIANA 3 contribue à bâtir une filière piscicole plus performante, plus résiliente et créatrice de meilleures opportunités pour les familles rurales.