Imvavet

Imvavet Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Imvavet, Government Organization, Rue Farafaty Ampandrianomby, Alasora.

21/07/2026

📌 𝐏𝐑𝐎𝐆𝐑𝐀𝐌𝐌𝐄 𝐃𝐄 𝐁𝐎𝐔𝐑𝐒𝐄𝐒 𝐊𝐎𝐈𝐂𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟕 - đŒđšđŹđ­đžđ« 𝐞𝐭 đƒđšđœđ­đšđ«đšđ­

👉 Fisoratana anarana (formulaire d'inscription) hita ao amin'ny rohy: www.koica.go.kr/sites/ciat/index.do

👉Azonao atao ny manatitra mivantana ny antontan-taratasy eny amin'ny Service des Bourses ExtĂ©rieures (SBEX) na

👉 mametraka ny fangatahanao amin'ny alalan'ny dĂ©pĂŽt en ligne amin'ny sehatra ĂŽfisialy, izay natao hanamorana ny fandraisana ny antontan-taratasy: https://boursesext.mesupres.edu.mg/

20/07/2026
18/07/2026

📱 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐁𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐑𝐄𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔

Mampahatsiahy ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa fa 𝐕𝐎𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐓𝐄𝐑𝐀𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘:

đŸ“” Finday sy fitaovam-pifandraisana ao anatin'ny faritra anaovana fanadinana na ny mpiadina na ny mpiambina.
❌ Halatahaka amin'ny endriny rehetra.
đŸ‘€ Fisoloana toerana mpiadina.
📚 Boky sy kahie.

Hampiharina avy hatrany ny sazy ho an'ireo mpandika lalĂ na.

✹ Arovantsika ny hasin'ny fanadinana!

www.mesupres.gov.mg

18/07/2026
10/07/2026

📱 đ€đ©đ©đžđ„ đšÌ€ 𝐬𝐹𝐼𝐩𝐱𝐬𝐬𝐱𝐹𝐧 𝐝'đšđ«đ­đąđœđ„đžđŹ 𝐬𝐜𝐱𝐞𝐧𝐭𝐱𝐟𝐱đȘ𝐼𝐞𝐬 𝐝𝐚𝐧𝐬 đ„đš 𝐑𝐞𝐯𝐼𝐞 𝐒𝐜𝐱𝐞𝐧𝐭𝐱𝐟𝐱đȘ𝐼𝐞 𝐝𝐞 đŒđšđđšđ đšđŹđœđšđ« (𝐑𝐒𝐌) - đ•đšđ„đźđŠđž 𝟐




Fampahafantarana ho antsika mpanjifa !!!
24/06/2026

Fampahafantarana ho antsika mpanjifa !!!

Fanolorana ny zava-bitan’ny Fikarohana Ara-tsiansa 2026 :Notanterahina androany 22 jona 2026, tany amin’ny UniPod Tsimba...
22/06/2026

Fanolorana ny zava-bitan’ny Fikarohana Ara-tsiansa 2026 :
Notanterahina androany 22 jona 2026, tany amin’ny UniPod Tsimbazaza, ny fanolorana ny zava-bitan’ny Fikarohana Ara-tsiansa nandritra ny enimbolana voalohany tamin’ity taona 2026 ity, teo ambany fitarihan’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Fikarohana Ara-tsiansa ao amin’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (MESUPRES)
🔬 Anisan’ireo ivotoeram-pikarohana nandray anjara tamin’izany ny Imvavet , niaraka tamin’ireo ivotoeram-pikarohana hafa eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa.
Naseho nandritra ny hetsika ireo vokatra sy fandrosoana vita teo amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny haivao, izay samy mandray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nohamafisin’ny Ministra fa andry lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny fikarohana ara-tsiansa.
📚 Tamin’ity fotoana ity ihany koa no nanolorana tamin’ny fomba îfisialy ny laharana voalohany amin’ny “R***e Scientifique de Madagascar”.
đŸ€ Faly ny Imvavet miara-misalahy amin’ireo ivotoeram-pikarohana sy mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fampiroboroboana ny fikarohana ho fampandrosoana an’i Madagasikara.

---

Présentation des réalisations de la Recherche scientifique 2026 :
Le 22 juin 2026, Ă  l’UniPod de Tsimbazaza, s’est tenue la prĂ©sentation des rĂ©alisations de la Recherche scientifique au cours du premier semestre 2026, sous l’égide de la Direction GĂ©nĂ©rale de la Recherche Scientifique du MinistĂšre de l’Enseignement SupĂ©rieur et de la Recherche Scientifique (MESUPRES).
🔬 L’ Imvavet a pris part Ă  cet Ă©vĂ©nement aux cĂŽtĂ©s des autres centres de recherche placĂ©s sous la tutelle du MESUPRES.
Les rĂ©sultats et avancĂ©es obtenus dans les domaines de la recherche et de l’innovation ont Ă©tĂ© prĂ©sentĂ©s au cours de cette rencontre, mettant en lumiĂšre leur contribution au dĂ©veloppement de Madagascar. Le Ministre a rappelĂ© que la recherche scientifique constitue un pilier essentiel du dĂ©veloppement durable du pays.
📚 Cette occasion a Ă©galement marquĂ© la prĂ©sentation officielle du premier numĂ©ro de la « R***e Scientifique de Madagascar ».
đŸ€ L’ Imvavet est fier de contribuer, aux cĂŽtĂ©s des centres de recherche et de ses partenaires, au dĂ©veloppement de la recherche scientifique au service du progrĂšs de Madagascar.

"Biby salama, vita vaksiny no harena ho an'ny firenena." đŸŸđŸ‡Č🇬

đŸ§č FANADIOVANA FAOBETontosa anio teto amin’ny Imvavet  ny hetsika "Firaisankina ho amin’ny fanadiovana faobe nasionaly"Na...
20/06/2026

đŸ§č FANADIOVANA FAOBE
Tontosa anio teto amin’ny Imvavet ny hetsika "Firaisankina ho amin’ny fanadiovana faobe nasionaly"
Nandray anjara mavitrika ihany koa ny solontenan’ny IMVAVET tamin’ny asa fanadiovana notanterahina teny amin’ny foiben’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa sy tao amin’ny Kaominina Ambohimangakely , niaraka tamin’ireo sampan-draharaha sy andrim-panjakana isan-tsokajiny eo ambany fiahian’ny Ministera.

đŸ€Isaorana manokana ireo mpiara-miasa rehetra nandray anjara sy nanohana ity hetsika ity, izay tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny fetim-pirenena ao anatin’ny fahadiovana sy ny firaisankina.
Maneho ny fanoloran-tenany amin’ny fampiroboroboana ny fahadiovana, ny fahasalamam-bahoaka ary ny fiarovana ny tontolo iainana ny Imvavet, amin’ny maha andrim-panjakana mpikaroka sy mpamokatra vaksiny azy.

đŸ‘‰đŸŒ± Ny fahadiovana dia andraikitry ny rehetra ary fototry ny fahasalamana sy ny fampandrosoana maharitra.

---

đŸ§č NETTOYAGE GÉNÉRAL

L’ Imvavet a participĂ© aujourd’hui Ă  l’opĂ©ration nationale de nettoyage gĂ©nĂ©ral, organisĂ©e sous le signe de la solidaritĂ© et de l’engagement citoyen.
L’IMVAVET a Ă©galement Ă©tĂ© reprĂ©sentĂ© en prenant part aux travaux de nettoyage rĂ©alisĂ©s au sein du Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa (MESupReS) et dans la commune d'Ambohimangakely, aux cĂŽtĂ©s des diffĂ©rents services et organismes placĂ©s sous sa tutelle.

đŸ€Nos sincĂšres remerciements Ă  l’ensemble des collaborateurs qui se sont mobilisĂ©s et ont contribuĂ© au succĂšs de cette initiative, inscrite dans le cadre de la prĂ©paration de la cĂ©lĂ©bration de la FĂȘte nationale dans un environnement propre et sain.
À travers cette action, l’ Imvavet rĂ©affirme son engagement en faveur de la propretĂ©, de la santĂ© publique et de la prĂ©servation de l’environnement, en cohĂ©rence avec sa mission d’institut de recherche et de production de vaccins vĂ©tĂ©rinaires.

đŸ‘‰đŸŒ± La propretĂ© est l’affaire de tous et constitue un pilier essentiel de la santĂ© et du dĂ©veloppement durable.

"Biby salama, vita vaksiny no harena ho an’ny firenena."

📱 Tontosa ny Talata 16 Jiona 2025 ny fisoratana anarana biometrika   ho an’ireo mpiasa rehetra eto amin’ny IMVAVET, voka...
17/06/2026

📱 Tontosa ny Talata 16 Jiona 2025 ny fisoratana anarana biometrika ho an’ireo mpiasa rehetra eto amin’ny IMVAVET, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fokontanin’Ambohimirary sy Tsarahonenana ary ny Imvavet .
🆔 IZAHO TOKANA dia fisoratana anarana biometrika ahafahan’ny olom-pirenena tsirairay mahazo laharana tokana antsoina hoe NUI (NumĂ©ro Unique d’Identification). Ity laharana ity dia manampy amin’ny famantarana sy fanamarinana ny maha-izy azy amin’ny fomba tsotra sy azo antoka.
✅ Ny fisoratana anarana biometrika dia natao hanamorana sy hanafainganana ny fikarakarana antontan-taratasy ary handraketana araka ny tokony ho izy ny angon-drakitra manokana.
🙏 Mankasitraka ireo rehetra nandray anjara sy niara-niasa tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity izahay.

---

📱 Le Mardi 16 juin 2025, l’ensemble du personnel de l’IMVAVET a bĂ©nĂ©ficiĂ© de l’opĂ©ration d’enrĂŽlement biomĂ©trique , rĂ©alisĂ©e grĂące Ă  la collaboration entre les Fokontany d’Ambohimirary - Tsarahonenana et l’Imvavet.
🆔 IZAHO TOKANA est un programme d’identification biomĂ©trique permettant Ă  chaque citoyen d’obtenir un NUI (NumĂ©ro Unique d’Identification). Ce numĂ©ro facilite l’identification et la vĂ©rification de l’identitĂ© de maniĂšre simple, fiable et sĂ©curisĂ©e.
✅ Cette opĂ©ration vise Ă  simplifier et Ă  accĂ©lĂ©rer les dĂ©marches administratives tout en assurant un enregistrement fiable des donnĂ©es individuelles.
🙏 Nous remercions chaleureusement tous les acteurs ayant contribuĂ© Ă  la rĂ©ussite de cette opĂ©ration.

🙏 Maneho ny fisaorana feno ny tetikasa IQLS-PPSB, izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny IMVAVET noho ny fanohanana ...
15/06/2026

🙏 Maneho ny fisaorana feno ny tetikasa IQLS-PPSB, izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny IMVAVET noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa nandritra izay 10 volana lasa izay.

đŸ€ Niaraka tamin’ny CNARP, CNRE, LNDV ary LA2M, dia nahazo fanohanana ara-teknika ho fanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny fitantanana ny kalitao, ny metrology, ny biosĂ©curitĂ©, ny biosĂ»retĂ© ary ny fikojakojana ireo fitaovana laboratoara izahay.

📅 Ny 12 Jona 2026 no nanaovana ny famelabelarana ny vokatra azo, izay nampiseho ireo dingana efa vita sy ny fandrosoana tratra. Ny fisian’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony, isan’izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Sekretera Jeneralin’ny Governemanta ary ny solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena, dia manamarina ny lanja omena ny fanamafisana maharitra ny fahaiza-manao ara-tsiansa sy ara-teknika eto amin’ny firenena.

đŸŒ± Mbola manohy ny ezaka fanatsarana hatrany ny IMVAVET ho fampiroboroboana ny fahasalaman’ny biby sy ny fiarovana ara-pahasalamana eto Madagasikara.

Efa nisy ny ezaka natao, saingy mbola betsaka ny asa miandry.

---

🙏 L’IMVAVET adresse ses sincùres remerciements au projet IQLS-PPSB, soutenu par la mondiale, pour son accompagnement au cours des 10 derniers mois.

đŸ€ Aux cĂŽtĂ©s du CNARP, du CNRE, du LNDV et du LA2M, nous avons bĂ©nĂ©ficiĂ© d’un appui technique visant Ă  renforcer nos capacitĂ©s en gestion de la qualitĂ©, mĂ©trologie, biosĂ©curitĂ©, biosĂ»retĂ© et maintenance des Ă©quipements de laboratoire.

📅 La restitution technique du 12 juin 2026 a permis de mettre en lumiĂšre les avancĂ©es rĂ©alisĂ©es. La prĂ©sence des hautes autoritĂ©s de l’État, notamment de Monsieur le Ministre de l’Enseignement SupĂ©rieur et de la Recherche Scientifique, du SecrĂ©taire GĂ©nĂ©ral du Gouvernement et du reprĂ©sentant de la Banque mondiale, tĂ©moigne de l’importance accordĂ©e au renforcement durable des capacitĂ©s scientifiques et techniques nationales.

đŸŒ± L’IMVAVET demeure pleinement engagĂ© dans une dĂ©marche d’amĂ©lioration continue au service de la santĂ© animale et de la sĂ©curitĂ© sanitaire Ă  Madagascar.

Des efforts ont été déployés, mais beaucoup restent à faire.

"Biby salama, vita vaksiny no harena ho an'ny firenena."

Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa

Address

Rue Farafaty Ampandrianomby
Alasora
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Telephone

+261202241234

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Imvavet posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Imvavet:

Shortcuts

Share