02/09/2026
𝐅𝐈𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀-𝐌𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐈𝐍𝐃𝐄 𝐒𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐈𝐊𝐀𝐑𝐀 :
𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐀𝐍𝐆𝐋𝐈𝐒𝐘 𝐒𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐑𝐀-𝐊𝐀𝐉𝐘 𝐌𝐈𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀
👉Nanomboka ny alarobia 2 septambra 2026 ny fampiofanana ireo mpampiofana amin’ny teny anglisy sy ny haitao ara-kajy mirindra, izay tarihin’ireo Manamboninahitra Indianina ho an’ireo mpiasa sivily sy miaramila eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy sy ny Etamazaoron'ireo Tafika.
➡️Izany fampiofanana izany dia tanterahina ao amin’ny trano fianarana teny vahiny eo anivon’ny Fitaleavan’ny Serasera ao amin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, izay haharitra dimy andro.
✅Nanotrona ny fanokafana izao fiofanana izao ny Talen’ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Jeneraly RASEHENOSON Raymond, niaraka tamin’ny Talen’ny Serasera eto anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, Ramatoa ANDRIANARISOA Bodo Hanta Lovasoa.
ℹ️Tanjona amin’izao fampiofanana izao ny hanatsarana hatrany ny traikefa efa ananan’ireo mpampiofana, ary hampiakarana ihany koa ny fahaiza-manaon’izy ireo, mba hahafahan’izy ireo mampita izany amin’ireo olona hampianariny. Ny fianarana ho an'ny mpianatra atolotr'ireto Manamboninahitra ireto moa dia hanomboka ny 14 septambra 2026. Andiany faharoa ity delegasiona avy amin’ny firenena Indianina ity, izay tarihin’ny Kolonely Sukhinder Guleria. Efa manana traikefa maro amin'ny fampianarana teny anglisy sy fifehezana haitao ara-kajy mirindra ireto Manamboninahitra ireto, ary efa manana traikefa iraisam-pirenena amin'ny lafiny ara-Miaramila ihany koa.