Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures

Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures Toutes les actualités du Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures

⛽️ Vidin-tsolika
05/09/2026

⛽️ Vidin-tsolika

📷 Pejy an-tsary, teto amin’ny Oniversiten’Antananarivo, androany 4 Septambra 2026 :  ▶️ Fanombohana tamin’ny fomba ofisi...
04/09/2026

📷 Pejy an-tsary, teto amin’ny Oniversiten’Antananarivo, androany 4 Septambra 2026 :

▶️ Fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharan'asa “Pilote Laptop”, tafiditra ao anaty Tetikasa . Tanjona ny hanamora ny fahazoan’ireo mpianatra fitaovana informatika ilaina amin’ny fianarana.

👉🏽 Mpianatra miisa 1.400 avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy Fianarantsoa, amin’ny ambaratonga « Master » no miakatra, no misitraka voalohany ity fandaharan'asa santatra ity.

✳️ Nanome voninahitra izany ny Delegasiona, notarihin'ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa RABEARIMANGA Radonirina Lucas.

🟩 Angovo azo havaozina eto Ihorombe▶️ Nanatontosa fidinana ifotony teto amin’ny Kaominina Ambia, Distrikan’i Ihosy ny de...
03/09/2026

🟩 Angovo azo havaozina eto Ihorombe

▶️ Nanatontosa fidinana ifotony teto amin’ny Kaominina Ambia, Distrikan’i Ihosy ny delegasiona notarihin'ny Talem-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DREH) Ihorombe, niaraka tamin’ny JIRAMA Ihosy.

🌞 Anton-dia ny fijerena ny fizotry ny fanomanana ny tetikasa hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro, hanana tanjaka 3 MWc.

✅ Efa vonona ny tany mirefy 3 ha 2 a, ary efa eo am-pelatanan’ny Biraon’ny Fananan-tany ny antontan-taratasy.

📍Ity tetikasa ity dia mikendry ny hanamafisana sy hanatsarana ny famatsiana herinaratra eto Ihosy sy ny manodidina.

| | | | |

03/09/2026


03/09/2026

✳️ ASIEF 2026 – Manakara

✅️ Voka-dalao azon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( ) , ny 2 Septambra 2026 :

🧆 Tsipy kanetibe – (Pétanque Doublette Dames)
▶️ Resy teo amin’ny manasa-dalana (demi-finale) ny MEH, ka nahazo medaly alimo 2 🥉🥉

🧆 tsipy kanetibe (Pétanque – Doublette Mixte)
▶️ Resy teo amin’ny manasa-dalana (demi-finale) ny MEH, ka nahazo medaly alimo 2 🥉🥉

⚽️ Baolina kitra (Football à 7) :
▶️ Nihintsana tamin'ny ampahefa-dalana (1/4 de finale)
MEH 0 – 1 Justice Tana.

👉 Famintinana ireo medaly 9 azon’ny MEH hatreto :

🥇 Medaly volamena : 1
🥈 Medaly volafotsy : 3
🥉 Medaly alimo : 5

02/09/2026

🟩 Angovo azo havaozina ▶️ Talata 01 Septambra 2026: Tonga teto Tsimahabeomby Ambohimandry ny ekipa notarihin'Atoa Talem-...
01/09/2026

🟩 Angovo azo havaozina

▶️ Talata 01 Septambra 2026: Tonga teto Tsimahabeomby Ambohimandry ny ekipa notarihin'Atoa Talem-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DREH) Analamanga, nijery ny toerana hahazoana tany 60 ha fanampiny ilaina amin’ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro 🌞

✅ Ity tany mirefy 60 ha ity dia fanampin’ilay tany hafa mirefy 130 ha izay fa azo teo aloha .

📍 Hanao fivoriana manokana ny Ben’ny Tanàna sy ireo Mpanolotsain’ny Kaominina, handraisana ny fanapahan-kevitra momba ny fikarakarana rehetra amin'ny fanolorana io tany 60 ha fanampiny io.

ASIEF 2026 - ManakaraVoka-dalao azon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( )  , androany 01 Septambra 202...
01/09/2026

ASIEF 2026 - Manakara

Voka-dalao azon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( ) , androany 01 Septambra 2026 :

🏃🏽Hazakazaka 60m :
🥈Medaly volafotsy

✳️Famintinana ireo medaly azo hatreto :

🥇 Medaly volamena : 1
🥈 Medaly volafotsy : 3
🥉 Medaly alimo : 1

✳️ ASIEF 2026 – Manakara ✅️ Voka-dalao azon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( ), ny 31 Aogositra 2026...
01/09/2026

✳️ ASIEF 2026 – Manakara

✅️ Voka-dalao azon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( ), ny 31 Aogositra 2026 :

🏐 Volley-ball :
Nandresy tamin’ny seta 03 – 00 ny MPS ny ekipan’ny MEH

🧆 Tsipy Kanetibe – "Doublette Mixte" :

▶️ Am-pahavalon-dalana (1/8ème de finale) : MEH 11 – 00 CNAPS
▶️ Am-pahefa-dalana (1/4 de finale) : MEH 09 – 11 MDG

🟩 Angovo azo havaozina eto Nosy Be🌞 Mitohy ny fandraisana ireo fitaovana sy ny fanaraha-maso ataon’ny Talem-paritry ny A...
31/08/2026

🟩 Angovo azo havaozina eto Nosy Be

🌞 Mitohy ny fandraisana ireo fitaovana sy ny fanaraha-maso ataon’ny Talem-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DREH) Diana, eto Madiro/Nosy Be, toerana misy ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro hanana tanjaka 3MWc.

📍 Ireto andiany faharoa amin’ny fitaovana ireto, dia ahitana takela-masoandro miisa 252, izay manana tanjaka 575W isanisany, hoenti-mamarana ny fotodrafitrasa .

▶️ Mitohy ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny angovo madio sy azo havaozina, ho fanatsarana ny famatsiana herinaratra eto Nosy Be.

Address

Bâtiment Lacroix, Rue Farafaty Ampandrianomby
Antananarivo
101

Telephone

+261333330026

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures:

Shortcuts

Share