04/08/2026
ððŒððŒððŒðððŒð'ðð ðœðŒððŒðððððð ðððŒððŒððððŒ : ððŒðð¿ððŒð ðŒðð¿ððŒððððððŒ ðŒðð ððŒðððŒðð ðð ðððððð¿ððŒð-ððŒðð
ðŒððŒððŒ
04 ðŽðððð ðð¡ðð 2026, ðððððð ððð
ð¥ Ora vitsy monja taorian'ny fahamaizan'ny Bazarikely Toamasina, dia nidina teny an-toerana ny iraky ny Governemanta notarihin'ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray. Niara-dia taminy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana ary ny Fanadiovana, ny Minisitra Délégué misahana ny Zandarimariam-pirenena, ary ny Tale Jeneralin'ny BNGRC, niaraka tamin'ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny manampahefana any an-toerana.
ð€ Nijery ifotony ny fahavoazana sy nankahery ireo traboina ny delegasiona, ary nanolotra fanampiana avy hatrany tamin'ny anaran'ny Fitondram-panjakana.
Anisanâny nandray anjara taminâizany ny Birao Nasionaly misahana ny Fitantanana ny Loza sy ny Tandindondoza.
ðŠ Ireto avy ireo fanampiana natolotra ireo traboina ho fanohanana amin'ny fanarenana haingana ny asa fivelomanâizy ireo andavanandro, dia ny varotra izany :
â¢ð¹ðð¡ððð£ððð ðððððððððð : tafo fanitso 7 240 isa, simenitra 100 kitapo, hazo lehibe sy hazo fisaka 16 912 isa, fantsika 2,4 taonina.
â¢ðððððð ð ðŠ ðððððððð : vary sy menaka ary voamaina milanja 82 taonina, koba Nutrilait, SurâEau, gel hydroalcoolique, savony, siny, zinga.
ð Araka ny tatitra vonjimaika, 2 416 ny fivarotana kilan'ny afo, ka 1 471 no ao amin'ny Bazarikely Ambony ary 945 ao amin'ny Bazarikely Ambany. Olona 02 no naratra ary 01 no namoy ny ainy vokatr'ity loza ity.
Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana - Pejy ofisialy