30/09/2025
Version française en dessous
đž Sary anisanâny tena nahafinaritra ahy indrindra taminâny naha-ministra ahy (septembre 2025)
Ry mpiray tanindrazana, đČđŹ
Mankasitraka indrindra taminâny fitondrana am-bavaka sy teny fankaherezana rehetra voaraiko. đđŸ
Amin'ny maha-tanora ahy, dia raisiko ho voninahitra tokoa no niantsoana ahy hanompo ny firenena, tamin'ny alalan'ny asako teo amin'ny sehatra tsy miankina sy iraisam-pirenena, ary nataoko tamim-panetren-tena izany. Misaotra anâAndriamatoa Filoha ny tenako taminâny fahatokisana ahy.
Rariny ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Andriamatoa Filoham-pirenena, satria tsy nahavaly ny filan'ny vahoaka ny vokatra avy amin'ny Governemanta.
Tao anatinâny roapolo volana, niezaka nanao izay rehetra azoko natao aho: nampandroso ny Ministera izay tena zava-dehibe ho anâny nosintsika đż, nitondra ny feonâi Madagasikara teo aminâny sehatra iraisampirenena đ, ary indrindra indrindra, niezaka nanatona akaiky ny vahoaka: tany an-tsekoly, tany ambanivohitra, ary tany aminâny faritra maro. đČđŹ Nampianatra ahy zavatra maro izany. Mankasitraka ny ekipa rehetra sy ny mpiara-miombonâantoka izay niara-niasa tamiko. Tena nahafinaritra ahy ny nahita ireo mpiasa-mpanjakana manana traikefa sy kalitao ary vonona hatrany hiezaka ho anâny firenena. đđœ
Tsy miova amin'ireo soatoavina izay nitondra ahy hatrizay.
Ny hetsika ataonâny tanora, izay maneho fahasahiana sy milamina, dia heveriko fa ara-drariny. Mampatsiahy antsika izy ireo fa zava-dehibe ho anâny vahoaka ny jiro sy ny rano, ary koa ny fahafahana maneho hevitra.
Hanoratra pejy vaovao amin'ny fiainako aho, ary mety ho lavitry ny sehatra politika izany.
Tena mbola betsaka ireo asa miandry, izay azo atao ho an'i Madagasikara sy ho an'izao tontolo izao. Maro ireo ady miandry sy mila ahy, azo tsapain-tanana, sy tena laharam-pahamehana. đ±
Matoky ny herinâny vahoaka Malagasy sy ny fahendreny aho, ary mino mafy fa hanova zavatra tsara eto aminâny tantaranâi Madagasikara ny herinâny tanora.âđŸ
Alefa Madagasikara!đČđŹ
Ho anâny tanin-janaka â€ïž
Max Andonirina Fontaine
------------
Chers Malagasy,
Vos messages, vos encouragements, vos priĂšres et vos mots dâespoir mâont beaucoup touchĂ©. Je vous remercie du fond du cĆur.
Si jâai Ă©tĂ© appelĂ© Ă servir, câest pour mes rĂ©sultats dans le secteur privĂ© et Ă lâinternational, malgrĂ© mon jeune Ăąge. Je remercie SEM. Le PrĂ©sident de la RĂ©publique Andry Rajoelina pour la confiance quâil mâa accordĂ©.
Le limogeage du gouvernement est une dĂ©cision lĂ©gitime du PrĂ©sident car nous nâavons pas rĂ©ussi Ă rĂ©pondre Ă tous les besoins de la population. Ces vingt mois, jâai essayĂ© de tout donner : faire avancer un ministĂšre important pour lâavenir de notre pays, porter fiĂšrement la voix de Madagascar Ă lâĂ©tranger, et surtout aller au plus prĂšs de la population, dans les Ă©coles, les villages, les rĂ©gions. Câest lĂ que jâai appris le plus. Je remercie mes collaborateurs et les partenaires. Jâai pu travailler avec des fonctionnaires compĂ©tents et travaillant dâarrache-pied au quotidien pour le pays.
Je reste fidĂšle Ă mes valeurs, simple, ancrĂ© dans ma famille. Mais aussi avec la conviction profonde que les revendications des jeunes, de cette gĂ©nĂ©ration courageuse et pacifique, sont justes et lĂ©gitimes : elles rappellent au pays son devoir dâassurer lâessentiel, lâeau, lâĂ©lectricitĂ© et la dignitĂ©.
Il y a tant Ă faire pour Madagascar et pour le monde. Dâautres combats mâattendent, utiles, concrets, nĂ©cessaires.
Je garde foi en la sagesse du peuple malagasy, et plus encore en sa jeunesse, qui transformera son Ă©nergie en une puissance crĂ©atrice pour bĂątir le Madagascar de ses rĂȘves.
Alefa Madagasikara
Ho anâny taninjanaka â€ïž
Max Andonirina Fontaine