Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa

Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa Page officielle du Ministère de l'Enseignement Supérieur et de la Recherche Scientifique.

Pejy ofisialin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa

02/09/2026
📍 𝐒𝐂𝐈𝐄𝐍𝐂𝐄 𝐇𝐀𝐂𝐊 𝐃𝐀𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟔 — 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟏𝟏𝐌𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 !✅ Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga A...
01/09/2026

📍 𝐒𝐂𝐈𝐄𝐍𝐂𝐄 𝐇𝐀𝐂𝐊 𝐃𝐀𝐘 𝟐𝟎𝟐𝟔 — 𝐀𝐍𝐃𝐈𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟏𝟏

𝐌𝐢𝐬𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 !

✅ Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa (MESUPRES) amin’ny alalan’ny Centre d’Information et de Documentation Scientifique et Technique (CIDST) sy ny UniPod dia manolotra ho anao ny Hetsika "Science Hack Day 2026", andiany faha-11.

✅ Izany dia hotanterahina ny 25, 26 ary 27 Septambra 2026, ao amin’ny CIDST Tsimbazaza. Sehatra ho an’ireo mpianatra, mpikaroka, mpampianatra, mpamorona rindranasa, mpandrafitra endrika nomerika ary ireo liana amin’ny fanavaozana sy ny teknolojia, hanehoany ny fahaiza-mamorona sy ny talentany.

✅ Mandritra ny 48 ora tsy an-kiato, ireo mpandray anjara dia hiara-hiasa mba hamolavola tetikasa vaovao sy vahaolana mivaingana azo ampiharina, mampiasa ny teknolojia nomerika ho tombontsoan’ny fiaraha-monina.

🔎 𝐇𝐢𝐟𝐚𝐧𝐭𝐨𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐨𝐡𝐚𝐡𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐞𝐥𝐨 𝐥𝐞𝐡𝐢𝐛𝐞 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐚 𝐧𝐲 :
👉 Fahasalamana
👉 Fanabeazana
👉 Fampandrosoana ara-tsosialy

📲 𝐅𝐢𝐬𝐨𝐫𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚: azo atao amin’ny alalan’ny rohy bit.ly/shd2026 na amin’ny alalan’ny QR Code.

⏰ Mifarana ny 20 Septambra 2026 amin’ny 6 ora hariva ny fisoratana anarana.

☎️ 𝐑𝐚𝐡𝐚 𝐦𝐢𝐥𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐧𝐲, 𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐲 𝐧𝐲 :034 53 046 70 na 034 84 312 62



🌾 𝐕𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚  : 𝐧𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐫𝐚𝐳𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐫𝐲 𝐁𝐞𝐬𝐚𝐥𝐨𝐡𝐲𝑀𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑜 𝑧𝑎𝑣𝑎-𝑑𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦...
01/09/2026

🌾 𝐕𝐨𝐤𝐚-𝐩𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚 : 𝐧𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐫𝐚𝐳𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐫𝐲 𝐁𝐞𝐬𝐚𝐥𝐨𝐡𝐲

𝑀𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑜 𝑧𝑎𝑣𝑎-𝑑𝑒ℎ𝑖𝑏𝑒 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑎𝑚𝑝𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛'𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑝𝑎𝑟𝑖𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑣𝑜𝑘𝑎-𝑝𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑟𝑖ℎ𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑅𝑒𝑝𝑜𝑏𝑙𝑖𝑘𝑎𝑛’𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.

✅ Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 1 Septambra 2026, tao amin’ny Colbert Antaninarenina ny Besalohy FOFIFA X265-MP3, karazam-bary vaovao vokatry ny fiaraha-miasa ara-tsiansa teo amin’ny Foibem-pirenena momba ny Fikarohana ampiharina amin'ny Fampandrosoana ny eny Ambanivohitra (FOFIFA) sy ny “Japan International Research Center for Agricultural Sciences” (JIRCAS).

✅ Natao hamokarana vary mari-pototra sy maharitra indrindra amin’ny tanimbary tsy dia lonaka ny Besalohy. Nandalo ny fanombanana momba ny Fahasamihafana, Firindrana sy Fahamarinan-toerana (DHS) ary nahazo fankatoavana avy amin'ny Sampan-draharaha Ofisialy misahana ny fanaraha-maso ny Masomboly sy ny Akora Fambolena (SOC).

✅ Nanolotra tamin’ny fomba ofisialy ity karazam-bary ity ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta, Andriamatoa RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin izay nankasitraka ireo mpikaroka sy izao vokam-pikarohana izao. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ,ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo, Andriamatoa RAMINDO Gaëtan, ny Masoivohon’ny Japana miasa eto Madagasikara ary ireo tompon’andraikitra maro.

www.mesupres.gov.mg

📌 FAMPITAM-BAOVAO
29/08/2026

📌 FAMPITAM-BAOVAO

📌 𝐏𝐨̂𝐥𝐞 𝐄𝐧𝐭𝐫𝐞𝐩𝐫𝐞𝐧𝐞𝐮𝐫𝐢𝐚𝐭 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐒𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐴ℎ𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑎𝑛𝑜𝑣𝑎...
29/08/2026

📌 𝐏𝐨̂𝐥𝐞 𝐄𝐧𝐭𝐫𝐞𝐩𝐫𝐞𝐧𝐞𝐮𝐫𝐢𝐚𝐭 𝟐𝟎𝟐𝟔 : 𝐒𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐤𝐚𝐫𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚, 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚𝐧𝐚

𝐴ℎ𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑜 ℎ𝑎𝑛𝑜𝑣𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 ℎ𝑒𝑣𝑖𝑡𝑟𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑘𝑎𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑙𝑎𝑠𝑎 𝑜𝑟𝑖𝑛𝑎𝑠𝑎, 𝑎𝑠𝑎 𝑣𝑎𝑜𝑣𝑎𝑜 𝑎𝑟𝑦 ℎ𝑎𝑟𝑒𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎? 𝐼𝑧𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑜 𝑡𝑎𝑛𝑗𝑜𝑛𝑎 𝑛𝑎𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑃𝑜̂𝑙𝑒 𝐸𝑛𝑡𝑟𝑒𝑝𝑟𝑒𝑛𝑒𝑢𝑟𝑖𝑎𝑡 – 𝐻𝑢𝑏 𝐸𝑛𝑡𝑟𝑒𝑝𝑟𝑒𝑛𝑒𝑢𝑟𝑖𝑎𝑙 2026, 𝑎𝑛𝑑𝑖𝑎𝑛𝑦 𝑣𝑜𝑎𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛𝑦, 𝑖𝑧𝑎𝑦 𝑛𝑎𝑡𝑎𝑜 𝑡𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑈𝑁𝐼𝑃𝑂𝐷 𝑇𝑠𝑖𝑚𝑏𝑎𝑧𝑎𝑧𝑎 𝑛𝑦 29 𝐴𝑜𝑔𝑜𝑠𝑖𝑡𝑟𝑎 2026.

✅ Mifanaraka amin’ny vinan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), amin’ny alalan’ny UNIPOD, izay eo ambany fitantanan’ny Fitaleavana ny Fikarohana sy ny Haivao ity hetsika ity ka nahatonga ny Minisitera hanohana izany.

👉 Nokarakarain’ny “Maison de l’Entrepreneuriat” (MDE), niaraka tamin’ny “Economic Development Board of Madagascar (EDBM), tamin’ny alalan’ny Tetikasa ITOVIA, ny hetsika mba hanampiana ireo tanora sy mpamolavola tetikasa hamadika ny heviny ho tetikasa azo tanterahina sy maharitra, ary hahazo ireo vaovao sy tambajotra ilaina amin’ny fampandrosoana izany. Fotoana iray ihany koa nampivondrona ireo Oniversite, ivon-toeram-pikarohana, orinasa, mpandraharaha, mpamolavola tetikasa, mpamatsy vola ary ireo rafitra mpanohana.

👉 Nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny MDE sy ny UNIPOD ary ireo mpisehatra samihafa, ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny fanavaozana eto Madagasikara, narahina stand, famelabelaran-kevitra sy atrikasa.

👉 Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana ara-Tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène.

www.mesupres.gov.mg

𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐈𝐍-𝐃𝐀𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀  | 𝟐𝟖 𝐀𝐎𝐆𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 |👇https://www.facebook.com/share/p/19RYRjbx4...
29/08/2026

𝐓𝐀𝐓𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐋𝐀𝐍-𝐊𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐌𝐏𝐈𝐓𝐀𝐈𝐍-𝐃𝐀𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀 | 𝟐𝟖 𝐀𝐎𝐆𝐎𝐒𝐈𝐓𝐑𝐀 𝟐𝟎𝟐𝟔 |

👇https://www.facebook.com/share/p/19RYRjbx4w/

📢📢📢 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐎𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀
28/08/2026

📢📢📢 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐎𝐀𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌-𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀

✅ Ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia miarahaba sy mankasitraka ireo mpik...
28/08/2026

✅ Ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa dia miarahaba sy mankasitraka ireo mpikaroka sy manam-pahaizana nahazo mariboninahi-pirenena.

📌 𝐌𝐢𝐚𝐯𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 "𝐒𝐚𝐥𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐥'𝐞́𝐭𝐮𝐝𝐢𝐚𝐧𝐭 𝟐𝟎𝟐𝟔" 𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐄𝐒𝐔𝐏𝐑𝐄𝐒 : 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 ...
27/08/2026

📌 𝐌𝐢𝐚𝐯𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 "𝐒𝐚𝐥𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐥'𝐞́𝐭𝐮𝐝𝐢𝐚𝐧𝐭 𝟐𝟎𝟐𝟔" 𝐚𝐭𝐨𝐥𝐨𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐌𝐄𝐒𝐔𝐏𝐑𝐄𝐒 : 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐫𝐚𝐭𝐨𝐧𝐠𝐚 𝐚𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐚𝐧𝐤𝐢𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧-𝐝𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 (𝐡𝐚𝐛𝐢𝐥𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧) 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚

✅ Mitohy ny ezaka ataon’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa amin’ny fanomezana torolalana sy fahalalana fototra ho an’ireo tanora, mpianatra mikasika ny lalam-piofanana azo arahina eny amin’ny fampianarana ambaratonga ambony.

✅ Natomboka ny 27 aogositra 2026 ny « Salon de l’étudiant » andiany fahefatra izay tanterahina eny amin’ny JJ Rabearivelo Analakely ho an’Antananarivo, ary hitohy ny 28 sy 29 aogositra izany. Manodidina ny 80 ireo tranoheva ahitana ireo Sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana manana fahazoan-dalana (Habilitation) sy ireo Sekolim-panjakana ambony. Ho torolalana sy torohay ho an'ireo mpianatra sy ny ray aman-dreny dia mitazona tranoheva ihany koa ny MESUPRES amin’ny alalan’ny Fitaleavana Ankapobeny ny Fampianarana Ambaratonga Ambony (DGES) izay miara-mikarakara ny hetsika amin’ny « Centre d'Information et de Documentation Scientifique et Technique » (CIDST).

✅ Natao amin’ireo Faritra maro ity hetsika ity mba hanampiana ireo mpianatra amin’ny safidiny.

✅ Ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) dia mampahatsiahy fa maro ireo safidy azo atao amin’ny fanohizana ny fianarana ambaratonga ambony manerana ny Nosy : Oniversitem-panjakana, Oniversitem-panjakana Manakaiky Vahoaka, izay manamora ny fahazoana fampianarana ambaratonga ambony eny ifotony; Institut Supérieur de Technologie (IST) sy ireo ivon-toeram-pampianarana ambaratonga ambony hafa; Oniversite sy Sekoly ambony tsy miankina nahazo Habilitation ary Fampianarana Misokatra sy Lavitra (F**D), ho an’ireo misafidy ny fianarana ampitain-davitra

www.mesupres.gov.mg

Address

Rue Andriamanantena Georges Fiadanana
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy Fikarohana Ara-Tsiansa:

Shortcuts

Share