Ministère de l'Education Nationale de Madagascar

Ministère de l'Education Nationale de Madagascar Page officielle du Ministère de l'Education Nationale – Madagascar. Suivez-nous pour toutes les informations, actualités et communiqués officiels.

FANATSARANA SY FANAVAOZANA NY RAFI-PANABEAZANA FOTOTRA✳️✳️Nisy ny atrikasa niarahan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenen...
11/09/2026

FANATSARANA SY FANAVAOZANA NY RAFI-PANABEAZANA FOTOTRA

✳️✳️Nisy ny atrikasa niarahan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena niaraka tamin'ireo mpamatsy volan'ny PITAF (Programme Integré pour la Transformation des Apprentissages Fondamentaux) ny zoma 11 septambra 2026.

▶️Nandritra izany no namaliana ny fanontaniana sy nanomezana fanazavana mikasika ny fandrosoan'ny tetikasa.

▶️Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2025 no nisian'ny PITAF, izay miompana amin'ny tari-dalana 4 lehibe:
🔳Ny fampiakarana ny kalitaon'ny asa sy ny fahaiza-manaon'ny mpampianatra amin'ny alalan'ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana sy ny fampiofanana ara-pedagojika.
🔳Ny fanatsarana ny ora fianarana amin'ny fahavitrihan'ny mpampianatra miasa, ny fametrahana paikady pedagojika mifanaraka tsara amin'ny ora fianarana ary ny fanaovana ora fanarenana.
🔳Ny fanatsarana ny paikady fampianarana amin'ny fametrahana ny kilasy famohazan-tsaina mampiaty sy ara-kalitao. Ny fanatsarana sy fanomezana fitaovana sy fotodrafitrasa, ny famerenana an-tsekoly ireo mpianatra niala an-daharana ary ny fanohanana ireo mpianatra sahirana ara-pivelomana.
🔳Ny fanavaozana ny rafi-pampianarana amin'ny alalan'ny fanatsarana ny fitantanana ara-bola sy ny fitantanan-draharaha. Ny fanavaozana ny fitantanana ny sekoly sy fampandraisana anjara ny vondron'olona ifotony. Fametrahana ny miralenta sy ny fanabeazana mampiaty, ary ny fiatrehana ny fotoana mialoha sy mandritra ary aorian'ny loza ara-boajanahary izay mety mitranga.

▶️Ny Vondrona maneran-tany ho an'ny fanabeazana (GPE) no manohana ny PITAF, ary ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Andriamatoa RASOLOFONIAINA Ricardo no nitarika ny atrikasa.

UCOM MEN/Septambra 2026

✳️✳️Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy tao amin'ny EPP Ambohidranomanga Ambatomirahavavy ny alarobia 09 septambra 2026 ny...
11/09/2026

✳️✳️Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy tao amin'ny EPP Ambohidranomanga Ambatomirahavavy ny alarobia 09 septambra 2026 ny tetikasa fampisakafoana an-tsekoly mifototra amin’ny fividianana ny vokatra eny ifotony ao anatin'ny faritra Itasy.

▶️Sekoly 28 isa ahitana mpianatra manodidina ny 11 000 ao anatin'io Faritra io no misitraka izany.

▶️Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fandaharan'asa Iraisam-pirenena misahana ny sakafo ( PAM) ary ny "Lions Club International Fondation" (LCIF).

▶️Izany no natao dia mba hampitomboana ny fahombiazan'ny mpianatra sy hiantohana ny fahasalamany ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fizarana sakafo mafana sy voalanjalanja ho azy ireo, isanandro.

▶️Ankoatra ny vokatsoa eo amin’ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana, ity tetikasa ity dia mifototra indrindra amin’ny fampiasana ireo akora vokarin'ireo tantsaha mpamboly mpamokatra any an-toerana.

UCOM MEN/Septambra 2026

11/09/2026
10/09/2026

❇️Antony iray mampandroso haingana ny firenena ny kalitaon'ny fanabeazana sy ny fandaharam-pibeazana, ka izany indrindra no nahatonga ny Ministera hiroso amin'ny fanovàna izany fandaharam-pianarana izany, mba hamolavola ny tanora malagasy hirona kokoa amin'ny sehatry ny fihariana, ny fahaleovan-tena,ny fitiavan-tanindrazana ary ny teknolojia sy ny fihariana ara-toe-karena.

❇️Maro ireo fepetra noraisina sy mbola horaisina mba hanampiana ny mpianatra hiatrika an'io fanovàna io izay efa nanaovana andrana an-taonany maromaro, manomboka aty amin'ny fitaovana enti-mampianatra ka hatrany amin'ny fanofanana sy fiofanana ary ny fanadinana ôfisialy.Tsy adino amin'izany ireo sekoly tsy miankina.

Andeha isika hiara-hiasa sy hiatrika ampitoniana ity fanovàna izay hahasoa ny zaza malagasy ity.

FMTMM : FANDRAISANA ANJARA AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY DINIKA IRAISAM-PIRENENA SY FAMARANANA NY JIA ANDIANY FAHA-60 ✳️✳️Na...
10/09/2026

FMTMM : FANDRAISANA ANJARA AN’I MADAGASIKARA AMIN’NY DINIKA IRAISAM-PIRENENA SY FAMARANANA NY JIA ANDIANY FAHA-60

✳️✳️Nandray anjara tamin’ny dinika an-databatra izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Fampianarana Mamaky Teny sy Manoratra ary Mikajy (FMTMM) any Meksika, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, RAJAONARISON Sendra Nirina.

✅️Lohahevitra tamin’izany ny hoe : "Fananganana tontolo mampiaty, ara-drariny ary maharitra amin’ny alalan’ny fandinihana indray ny FMTMM ary ny firosoana amin’ny asa".

✅️Nandritra ny dinika dia nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny FMTMM, ary navoitra ihany koa ny fampivelarana ireo fahaiza-manao mifanaraka amin’ny zava-misy eny amin’ny fiarahamonina, anisan’izany ny fahaiza-manao nomerika sy ny fianarana mandritra ny androm-piainana.

✅️Nizara ny traikefa sy ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ity sehatra ity ihany koa ny Minisitra, indrindra amin’ny alalan’ireo fandaharanasa sy paikady nasionaly momba ny FMTMM.

✅️Nambara nandritra ny famaranana ity andiany faha-60 ity, fa i Ghana no handray ny fankalazana ny JIA ho an’ny taona 2027.

UCOM MEN/Septambra 2026

✅️Didim-panjakana momba ny fandaminana ny fanadinam-panjakana Bakalorea.✅️Naotin’ny filankevitra mikasika ny fanapariaha...
10/09/2026

✅️Didim-panjakana momba ny fandaminana ny fanadinam-panjakana Bakalorea.

✅️Naotin’ny filankevitra mikasika ny fanapariahana ny fandaharam-pampianarana nohavaozina sy fampiharana azy manomboka ny taom-pianarana 2026-2027.

UCOM MEN / Septambra 2026

FIVORIAMBE ISAN-TAONAN’NY "GLOBAL ALLIANCE FOR LITERACY" (GAL)📍San Cristóbal de las Casas, Meksika | 9 Septambra 2026✳️✳...
10/09/2026

FIVORIAMBE ISAN-TAONAN’NY "GLOBAL ALLIANCE FOR LITERACY" (GAL)

📍San Cristóbal de las Casas, Meksika | 9 Septambra 2026

✳️✳️Manohy ny fandraisany anjara amin’ireo sehatra iraisam-pirenena momba ny fanabeazana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, RAJAONARISON Sendra Nirina, ka nanotrona ny fanasana amin’ny fivoriambe isan-taonan’ny "Global Alliance for Literacy" (GAL).

✅️Isan’ny votoatin’ity fivoriana ity ny fanolorana sy fifanakalozan-kevitra momba ny Drafi-piasan’ny GAL ho an’ny taona 2026–2030, izay mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-miombon’antoka eo amin’ireo firenena mpikambana, ary hamaritana ireo laharam-pahamehana sy fanoloran-tena amin’ny fanatanterahana izany.

✅️Amin’ny alalan’izao fandraisana anjara izao dia misokatra hatrany amin’ny fifanakalozana traikefa sy hevitra iraisam-pirenena i Madagasikara, ho fanamafisana ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana sy ny fianarana mandritra ny androm-piainana.

UCOM MEN/Septambra 2026

📍𝐅𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐛𝐞𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 : 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐧𝐢𝐦-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐞𝐡𝐢𝐭𝐫𝐢𝐧𝐲✅ Nisy ny ...
09/09/2026

📍𝐅𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐛𝐞𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚 : 𝐟𝐢𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐦𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐥𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐧𝐢𝐦-𝐩𝐨𝐭𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐞𝐡𝐢𝐭𝐫𝐢𝐧𝐲

✅ Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, niarahan’ny tompona andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) sy ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny 9 Septambra 2026, teto Fiadanana. Nentina nandritra izany ny fanazavana momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao sy ny fanitsiana natao tamin’ny rafitry ny Bakalorea.

𝐍𝐚𝐡𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐢𝐥𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐯𝐚𝐨𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐳𝐚𝐧𝐲?

Miova ny filàn’ny fiarahamonina sy ny tontolon’ny asa. Noho izany, ilaina ny fampianarana izay tsy manome fahalalana fotsiny, fa manome fahaiza-manao ilaina amin’ny fiainana andavanandro sy ny asa.
Tanjona amin’izany ny hamolavola tanora :
- mahay mieritreritra sy mamorona ;
- mahay mampihatra izay nianarany ;
- manana fahaiza-manao azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro ;
- ary afaka mamorona asa sy mivelona amin’ny fahaizany.

𝐌𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐁𝐚𝐤𝐚𝐥𝐨𝐫𝐞𝐚
Araka ny toromarika azo avy amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao manerana ny Nosy dia nitondrana fanatsarana ny fandaminana ny fanadinana Bakalorea ankapobeny (Baccalauréat Général) araka ny"
« Décret n°2026-2100 » tamin’ny 31 Aogositra 2026, izay manova sy mameno ny « Décret n°2021-242 tamin’ny 03 Martsa 2021. Azo jerena amin’ny rohyhttps://www.mesupres.gov.mg/assets/front/documents/documents/decrets/decret_N_2026-2100_du_31_aout_2026_reorganisation_BACC.pdf

✅Araka ny antontana isa, efa nampiharina tamin’ny ankamaroan’ny sekolim-panjakana ny rafitra L-S-OSE. Araka izany manomboka amin’ny fisoratana anarana amin’ny fanadinana Bakalorea 2027 dia misafidy sokajy iray ihany: sokajy Littéraire (L), Scientifique (S), Série Organisation, Société et Économie (OSE), ny mpiadina.

✅Natao izany mba hanatsarana ny fandrindrana ny fanadinana sy hampihenana ny vesatra amin’ny famolavolana ireo laza adina. Hisy ny fanazavana amin’ny antsipiriany momba ny lamina sy ny fepetra vaovao, ary hisy ihany koa ny “mesures d’accompagnement” hanamora ny fampiharana izany.
Dingana efa nodiavina
Tsy natao tampoka ny fanapahan-kevitra fanavaozana. Nanomboka tamin’ny taona 2018 ny famolavolana ny fandaharam-pampianarana vaovao. Nisy ny fanandramana sy ny fampiharana tsikelikely nanomboka tamin’ny taona 2020, tany amin’ireo Cisco voafantina, narahina fanombanana. Ny vokatra azo tamin’ireo fanandramana ireo no nanampy tamin’ny fanatsarana sy fametrahana tsikelikely ny fandaharam-pibeazana vaovao.

𝐅𝐚𝐧𝐚𝐛𝐞𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐡𝐚-𝐌𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲
Omena toerana lehibe ao anatin’ny fandaharana vaovao ny “curriculum endogène”, izany hoe ny fahalalana sy ny traikefa avy amin’ny tontolo iainan’ny Malagasy hanomezana sehatra ny fanabeazana miainga amin’ny zava-misy sy ny filàn’ny fiarahamonina eny ifotony, sady hampiroborobo ireo soatoavina maha-Malagasy.

𝐅𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐞𝐧𝐭𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐛𝐞𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚
Iray amin’ireo tanjona lehibe ihany koa ny hampitoviana lenta ny fanabeazana eto Madagasikara, mba hahafahan’ny mpianatra rehetra mahazo fampianarana manana kalitao sy manana tanjona mazava, na any amin’ny sekolim-panjakana na any amin’ny sekoly tsy miankina.

✅Tsy ny isan’ny mpianatra manana diplaoma no tanjona, fa ny lanjan’ny fahaiza-manao
Fanabeazana mifanaraka amin’ny vanim-potoana, mamolavola fahaiza-manao ary manomana ny hoavin’ny tanora Malagasy no kendrena.

Address

ANOSY Trano Boribory
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ministère de l'Education Nationale de Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share