Commune Rurale Soavina Atsimondrano

Commune Rurale Soavina Atsimondrano Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Commune Rurale Soavina Atsimondrano, Public & Government Service, Antananarivo.

Région: Analamanga
District: Antananarivo Atsimondrano
Catégorie: Rurale 2ème catégorie
Coordonnées géographique: longitude: 47,30139 - latitude: 18,57428
Superficie: 9km2 Région: Analamanga
District: Antananarivo Atsimondrano
Catégorie: Rurale 2ème catégorie
Coordonnées géographique: longitude: 47,30139 - latitude: 18,57428
Superficie: 9km2
Distance de la Mairie par rapport à:
- PK0: 9km
- chef-l

ieu du District: 8km
- chef lieu de la Région: 7km
Commune Avoisinantes:
- Nord: Commune Anosizato Ouest
- Sud: Commune Ampanefy
- Est: Commune Tanjombato
- Ouest: Commune Ampitatafika
Nom du Maire: RAKOTOARISOA Bien-Aimé Rigobert
Sexe: Masculin
Nombre de Conseillers Communaux: 07: dont homme: 07 - femme: 00
Nombre de fokontany: 05: Soavina - Ambanivohitra - Ambihivy - Analapanga - Vahilava
Nombre de population totale: 23 892 (Recensement du Décembre 2020)
Secteur d’activité principal: Agriculture et élevage

🏃‍♀️🏃 ASIEF ANALAMANGA – ATHLÉTISMENotanterahina androany Alahady 19 Jolay 2026, teto amin'ny faritry ny Kaominina Soavi...
19/07/2026

🏃‍♀️🏃 ASIEF ANALAMANGA – ATHLÉTISME

Notanterahina androany Alahady 19 Jolay 2026, teto amin'ny faritry ny Kaominina Soavina, ny fifaninanana Relais Pédestres sy Marathons Interministériels, ao anatin'ny hetsika ASIEF Analamanga amin'ny taranja Athlétisme.

Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasa akaiky teo amin'ny ASIEF Analamanga, ny Kaominina Soavina, ny Club des Athlètes Soavina Atsimondrano (CASA) ary ny Section d'Athlétisme Atsimondrano.

Kaominina Soavina Manohana hatrany ny fanatanjahantena ho fampandrosoana ny fiarahamonina.

📢 FAMPANDRENESANA HO AN'NY DAHOLOBEHo fanamorana ny fandraisan'anjaran'ireo mpiadina amin'ny fanadinam-panjakana Baccala...
19/07/2026

📢 FAMPANDRENESANA HO AN'NY DAHOLOBE

Ho fanamorana ny fandraisan'anjaran'ireo mpiadina amin'ny fanadinam-panjakana Baccalauréat 2026, dia namoaka Didim-pitondrana ny fitantanana ny Kaominina Soavina mikasika ny fandaminana ny fitaterana ireo mpiadina.

🤝 Manentana ny rehetra isika mba hiara-hientana hanampy ireo zanatsika hiatrika am-pilaminana ny fanadinam-panjakana Baccalauréat 2026.

🍀 Mirary fahombiazana sy vokatra tsara ho an'ireo mpiadina rehetra ny Kaominina Ambanivohitra Soavina.

Vokam-panadinanana BEPC 2026Taham-pahafahana : 85,76%, izany hoe 265 tamin'ireo 309 mpiadina no afaka.Mirary soa ho an'i...
19/07/2026

Vokam-panadinanana BEPC 2026

Taham-pahafahana : 85,76%, izany hoe 265 tamin'ireo 309 mpiadina no afaka.

Mirary soa ho an'ireo afaka, ary mankery ireo tsy nahomby.

FANENTANANA HO AN'NY VAHOAKANoho ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny halatr'olona, izay mampanahy ny ...
10/07/2026

FANENTANANA HO AN'NY VAHOAKA

Noho ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny halatr'olona, izay mampanahy ny vahoaka amin'izao fotoana izao, dia manentana antsika rehetra ny Fitantanana ny Kaominina Soavina mba samy ho mailo sy handray andraikitra amin'ny fiarovana ny tenantsika sy ny mpiara-belona.

Efa miara-mientana amin'ny fanaovana fisafoana amin'ireo toerana mangina sy mora hitrangan'ny asa ratsy, ary manao fanaraha-maso sy fanentanana amin'ireo toerana be olona, ny Mpitandro ny Filaminana, dia ny Polisim-pirenena sy ny Zandarimariam-pirenena.

Ankoatra izany, ny Fitantanana ny Kaominina dia efa miara-miasa akaiky amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny rehetra, toy ny Faritra, ny Fokontany, ny sehatry ny Fanabeazana, ny Fahasalamana, ireo raiamandreny ara-pivavahana, ary ireo hery velona rehetra, mba hanamafisana ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka.

Koa ampahatsiahivina isika rehetra fa ny fiaraha-mientana sy ny fifanomezan-tanana no anisan'ny fitaovam-piarovana mahomby indrindra. Noho izany dia iangaviana ny tsirairay mba:

Ho mailo mandrakariva ary hitandrina ny tenany sy ny ankohonany ary ny manodidina ;

Hampandre avy hatrany ny tompon'andraikitra na ny Mpitandro ny Filaminana raha mahita na mahatsikaritra olona, fihetsika, na tranga mampiahiahy;

Tsy hanaparitaka tsaho na vaovao tsy voamarina, fa hampita vaovao marina amin'ireo tompon'andraikitra voakasika.

Ny fiarovana sy ny filaminana dia andraikitry ny rehetra. Koa andao hiara-hisalahy sy hiara-hientana isika mba hahatonga ny Kaominina Soavina ho toerana milamina sy azo antoka ho an'ny rehetra.

Ny Fitantanana ny Kaominina Soavina

🎓📚 FANADINAM-PANJAKANA BEPC 2026 📚🎓Nizotra soa aman-tsara ny andro voalohan'ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana BEPC 20...
06/07/2026

🎓📚 FANADINAM-PANJAKANA BEPC 2026 📚🎓

Nizotra soa aman-tsara ny andro voalohan'ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana BEPC 2026 teto amin'ny Kaominina Soavina Atsimondrano. 🙏

📊 Mpiadina 309 tamin'ny 313 no tonga niatrika ny fanadinana, izay maneho ny fahavononan'ireo mpianatra sy ny fanohanan'ny ray aman-dreny ary ny mpanabe. 👏

🍽️ Tahaka ny efa mahazatra, ho fanampiana ireo mpiadina, dia nanolotra sakafo maimaim-poana ny Kaominina mandritra ny 3 andro misesy, mba hahafahan'izy ireo miatrika ny fanadinana am-pilaminana sy am-paherezana.

🤝 Izany rehetra izany dia maneho hatrany ny finiavan'ny Kaominina, tarihin'Andriamatoa RAKOTOARISOA Bien Aimé Rigobert, Ben'ny Tanàna, hanohana hatrany ny fanabeazana sy hikarakara ny zanaky ny Kaominina mandritra ny fotoam-panadinana.

🙏 Mirary fahombiazana sy vokatra tsara ho an'ireo mpiadina rehetra.

✨ "Ny fanabeazana no antoky ny fampandrosoana." ✨

🎉🇲🇬 TANTERAKA SOA AMAN-TSARA AVOKOA IREO FANAMBY NAPETRAKA HO FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA 2026! 🇲🇬🎉Noho ny firaisankin...
27/06/2026

🎉🇲🇬 TANTERAKA SOA AMAN-TSARA AVOKOA IREO FANAMBY NAPETRAKA HO FANKALAZANA NY FETIM-PIRENENA 2026! 🇲🇬🎉

Noho ny firaisankina, ny fiaraha-mientana ary ny fandraisan'anjara mavitriky ny rehetra, dia vita sy tontosa avokoa ireo hetsika rehetra nokasaina ho fanamarihana ny faha-66 taonan'ny nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantenany teto amin'ny Kaominina Soavina. 👏👏

📍 Ny Alakamisy 26 Jona 2026 no notanterahina ny: 🇲🇬 Matso Kaominaly, niarahana tamin'ireo hery velona rehetra sy ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny teto an-toerana, ka naneho indray ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana.

🎁 Fizarana fanomezana ho an'ireo Zokiolona miisa 465, ho mariky ny fanajana sy fankasitrahana azy ireo noho ny anjara biriky nentiny tamin'ny fiarahamonina.

🎶 Fampisehoana niarahan'ireo Chorales mandrafitra ny FFKM ⛪ eto an-toerana,

🎤 Fanoloran-tsehatra nataon'ireo nandresy tamin'ny fifaninanana "Mioty Kalo",

🎵 Fampisehoana manokana nataon'i Skaiz, ary 💃🕺 Bal Populaire, izay namarana an-tsakany sy an-davany ireo hetsika tao anatin'ny hafaliana sy firahalahiana.

🙏 Ny Fitantanana ny Kaominina Soavina, tarihin'Andriamatoa RAKOTOARISOA Bien Aimé Rigobert, Ben'ny Tanàna, dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ho an'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra, ny mpikarakara, ny mpanohana, ny mpandray anjara ary indrindra ny vahoakan'i Soavina izay nandray anjara sy niara-nankalaza tamim-pilaminana sy tamim-pahamendrehana.

Mirary hatrany ny hitohizan'ny firaisankina sy ny fifankatiavana ary ny fandrosoana ho an'ny Kaominina Soavina. 🇲🇬❤️

🇲🇬🎉 Mbola ao anatin'ny fankalazana ny tsingerin-taona nahazoan'i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬🎉Mitohy hatrany ireo h...
21/06/2026

🇲🇬🎉 Mbola ao anatin'ny fankalazana ny tsingerin-taona nahazoan'i Madagasikara ny Fahaleovantena 🇲🇬🎉

Mitohy hatrany ireo hetsika ara-panatanjahantena sy ara-piarahamonina karakarain'ny Fitantanana ny Kaominina Soavina tarihin'Andriamatoa Ben'ny Tanàna, ho fampiraisana sy fampifaliana ny Mponina. 🤝⚽🏐

✨ Notanterahina androany ny :
🔹 Lalao tsipy kanetibe (Pétanque) ;
🔹 Lalao manasa-dalana amin'ny taranja baolina kitra (Football) ;

Hetsika izay natokana manokana ho an'ireo Mponina eto anatin'ny fari-piadidian'ny Kaominina Soavina. 🏆👏

🙏 Ny tolakandro kosa dia notanterahina tao amin'ny FJKM Soavina Salema Fanantenana ny Vavaka Iraisam-pinoana, notarihin'ny FFKM eto an-toerana, niarahana tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny, ny herivelona ary ny Kristiana maro teto amin'ny Kaominina.

💖 Maneho ny firaisankina sy ny fifankatiavana ary ny fitiavan-tanindrazana ireo hetsika rehetra ireo, ka manamafy hatrany ny fiaraha-mientan'ny Mponina amin'ny fampandrosoana ny Kaominina sy ny Firenena.

🇲🇬 Ho an'i Madagasikara mandroso, miray hina ary milamina! 🇲🇬

🏃‍♂️🏃‍♀️🎉 Tamin-kafaliana sy fahafinaretana feno no nandraisan’ireo mpilalao tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy la...
20/06/2026

🏃‍♂️🏃‍♀️🎉 Tamin-kafaliana sy fahafinaretana feno no nandraisan’ireo mpilalao tamin’ny hetsika ara-panatanjahantena sy lalao nokarakarain’ny Fitantanana ny Kaominina Soavina izay tarihin’Andriamatoa Ben’ny Tanàna, niarahana tamin’ny Club d’Athlétisme Soavina Atsimondrano (CASA).

🥇🏅 Nisongadina tamin’izany ny fifaninanana hazakazaka izay nahitana sokajy samihafa, ka nahafahan’ny ankizy, ny tanora ary ny olon-dehibe nandray anjara araka ny sokajiny avy.

👏🇲🇬 Tonga nanome voninahitra sy nanohana ny hetsika ihany koa ireo Atleta nasionaly sy ny Section Atsimondrano, izay nitarika sy nankahery ireo mpandray anjara rehetra nandritra ny fifaninanana.

♟️🎯 Ankoatra ny hazakazaka dia nisy ihany koa ny lalao Échecs sy Fanorona, izay samy nahasarika mpandray anjara.

🤝✨ Maneho fisaorana sy fankasitrahana feno ny Fitantanana ny Kaominina Soavina ho an’ireo mpiara-miasa rehetra ao amin'ny CASA, ireo atleta vahiny, ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao, izay natao ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena, ny firaisankina ary ny fifankatiavana eo anivon’ny mponina.

💚💛❤️ Kaominina Soavina Miray hina ho an’ny fampandrosoana.

📚 VOKATRY NY FANADINAM-PANJAKANA CEPE 2026Faly sy rehareha ny Fitantanana ny Kaominina Soavina mampahafantatra ny vokatr...
20/06/2026

📚 VOKATRY NY FANADINAM-PANJAKANA CEPE 2026

Faly sy rehareha ny Fitantanana ny Kaominina Soavina mampahafantatra ny vokatra azo tamin'ny fanadinam-panjakana CEPE 2026.

🏫 Foibem-panadinana : CEG Soavina
📍 ZAP Soavina
📍 CISCO Atsimondrano

✅ 96,95 % ny taham-pahombiazana
👨‍🎓 381 no afa-panadinana amin'ny mpanala fanadinana 393

Vokatry ny ezaka sy ny fiaraha-miasan'ny mpianatra, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra ary ireo tompon'andraikitra rehetra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana izany vokatra tsara izany.

🎉 Arahabaina sy mirary fahombiazana hatrany ho an'ireo mpianatra rehetra afa-panadinana.

🙏 Mankasitraka sy manome voninahitra ireo mpampianatra sy ray aman-dreny ary ireo rehetra nandray anjara tamin'ny fanomanana sy fanabeazana ny ankizy.

Ny fanabeazana no antoky ny fampandrosoana.

🏥👦 FAMORANA FAOBE 2026 👦🏥Tahaka ny fanao isan-taona amin’izao vanim-potoana tahk'izao, dia tanteraka soa aman-tsara ny f...
18/06/2026

🏥👦 FAMORANA FAOBE 2026 👦🏥

Tahaka ny fanao isan-taona amin’izao vanim-potoana tahk'izao, dia tanteraka soa aman-tsara ny famorana faobe izay notanterahina ny marainan’ny anio Alakamisy 18 Jona 2026 tao amin’ny CSB Ambihivy Soavina.

🤝 Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fitantanana ny Kaominina Soavina, ny CSB Ambihivy Soavina, ary ny Ministeran’ny Fahasalamana, dia nahafahana nanatanteraka ity hetsika ara-pahasalamana sy ara-tsosialy lehibe ity.

👨‍👩‍👦‍👦 45 ireo ankizilahy nisitraka ny famorana tamin’ity taona 2026 ity.

🙏 Mankasitraka sy mankatelina manokana ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo ray aman-dreny, ary ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanatanterahana izao hetsika izao ny Kaominina Soavina.

💙 Ho fitandroana hatrany ny fahasalaman’ny ankizy sy ny fiarahamonina, dia manohy ny ezaka sy ny fiaraha-miasa ho tombontsoan’ny vahoaka ny Fitantanana ny Kaominina Soavina.

Address

Antananarivo
102

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00
Saturday 08:00 - 17:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Commune Rurale Soavina Atsimondrano posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Commune Rurale Soavina Atsimondrano:

Shortcuts

Share