18/03/2025
Amin’izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Asa Sosialy izao:
Asa manan-danja sy feno fahamendrehana ny asa sosialy, saingy matetika tsy dia fantatry ny olona loatra, indrindra hoan'ny firenena an-dalam-pandrosoana.
Nefa na eo aza izany rehetra izany, eo foana isika! Mijoro, mihaino, manolo-tanana, manolotra vahaolana. Mamorona tetikasa ara-tsosialy manova fiainan'olona ary miady mba hahazoan’ny tsirairay ny hasiny sy ny toerany eo amin’ny fiaraha-monina.
✨ Arahabaina ireo mpiasa sosialy manam-pahaizana amin’ny "accompagnement" sy "relation d'aide" !
Ho anareo manolo-tanana rehefa mijery fotsiny ny hafa, ho anareo manampy ny olona ahita vahaolana, ho anareo mampiseho fitiavan’olombelona amin’izao tontolo manjavozavo izao.
🔥 Arahabaina ireo mpiasa sosialy mpamorona tetikasa ara-tsosialy!
Ho anareo manana eritreritra hanova izao tontolo izao ho tsara kokoa, mamorona sy manangana tetikasa ho an’ny rehetra, ary miezaka amin’ny fo sy ny fanahy mba tsy hisy ho voahilika .
⚖️ Arahabaina ireo mpiasa sosialy mpiady ho an’ny zon’ny marefo!
Ho anareo manome feo ho an’ireo tsy afaka miteny, manohana ireo voahilika, tsy manaiky ny tsy rariny ary mino hatrany fa misy ny fahamarinana.
❤️ Arahabaina ireo mpiasa sosialy eny amin’ny sehatry ny famonjena vonjy taitra sy eny ifotony!
Ho anareo manohy ny asa na dia amin’ny toetr’andro ratsy aza, manohitra ny harerahana sy ny fahasahiranana, ary mijanona eo akaikin’ireo tena mila fanampiana.
🌍 Arahabaina ireo mpiasa sosialy mpanabe sy ireo mampiroborobo ny fanabeazana
Ho anareo manabe sy mampita fahalalana, mamelona fanantenana ao amin’ny tanora, ary mino fa misy ho avy mamiratra kokoa noho ny ankehitriny.
🔹 Arahabaina ireo tsy hita maso amin’ny asa sosialy!
Ho anareo mitantana antontan-taratasy, mamaly antso, manomana tetikasa, ary manao izay heriny ambadiky ny sehatra mba hampandeha tsara ny rafitra rehetra, na dia tsy miseho loatra aza.
💪 Arahabaina ny mpiasa sosialy maneran-tany!
Na dia eo aza ny harerahana, ny sakana madinidinika, ny fahadisoam-panantenana, mbola sahy mijoro sy miady foana, satria fantatsika fa zava-dehibe ny asantsika.
Misaotra antsika rehetra e! Tsy maintsy ho ankatoavina sy ho hajaina ny ezaka ataontsika, satria isika no anisan'ny hery afaka mampandroso sy mitsinjo ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.
Androany sy isan’andro, mendrika fisaorana sy fanajana ny Mpiasa sosialy rehetra
🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥🔥