MMM Andranonahoatra

MMM Andranonahoatra Malagasy Miara-Miainga izay manoro lalana mahitsy mamindra aina

Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny Midi Madagasikara ny Antoko MMM, ka nanasongadina indray ny laharam-p...
04/12/2025

Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny Midi Madagasikara ny Antoko MMM, ka nanasongadina indray ny laharam-pahamehana entiny ao anatin’izao Fanavaozana izao . Anisan’izany ny ady amin’ny fahantrana sy ny kolikoly, ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy, ny fametrahana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana, ary ny fihainoana ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra fa ny tanora.

Nampiseho ihany koa ny Antoko MMM ny fahavononany handray anjara mavitrika amin’ny fikaonandoham-pirenena, ka hitondra anjara biriky mazava amin’ny famolavolana tondrozotra iraisana, eken’ny rehetra, izay hahafahan’i Madagasikara miroso amin’ny fanovana.

Rohy :

Le MMM reste optimiste quant à la refondation du régime, visant une gouvernance améliorée et une décentralisation effective...

03/08/2023
03/08/2023
03/08/2023
31 Jolay 2023 - Fanambarana amin'ny fomba ofisialy fa kandida ho filoham-pirenena atolotry ny antoko Malagasy Miara Miai...
03/08/2023

31 Jolay 2023 - Fanambarana amin'ny fomba ofisialy fa kandida ho filoham-pirenena atolotry ny antoko Malagasy Miara Miainga Andriamatoa Hajo Herivelona Andrianainarivelo, Filoha Nasionalin'ny Antoko.

"Sahy isika, maika hanorina ny ampitso"

Toy ny fanao isan-taona dia notanterahina anio sabotsy 26 febroary 2022 ny fambolen-kazon’ny antoko Malagasy Miara Miain...
26/02/2022

Toy ny fanao isan-taona dia notanterahina anio sabotsy 26 febroary 2022 ny fambolen-kazon’ny antoko Malagasy Miara Miainga. Teto amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, Distrika Antananarivo Atsimondrano no nanatanterahina izany.

Nandray anjara mavitrika tamin'izany ireo mpikambana Malagasy Miara Miainga avy ety amin'ny faritra itaosy : Bemasoandro, Andranonahoatra, Itaosy, Ambavahaditokana.

Antoko matanjaka sy manana ny maha izy azy ny Malagasy Miara Miainga araka ny hafatra nomen'ny filoha nasionaly Hajo ANDRIANAINARIVELO, ka aoka isika ho sahy hijoro amin’izany maha MMM antsika izany ary ho modely amin’ny asa atao sy ny fihetsika eo amin’ny fiaraha-monina.

Izay manoro làlana mahitsy, mamindra aina.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MMM Andranonahoatra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share