06/06/2022
Maty novonoina tamin'ny fomba feno habibiana tamin'ny faha-2 ny volana Jona 2022 teo, Atoa Henri RAKOTOARISOA, monina ao Antsampandrano, Fkt Ankazondandy, Kaominina Ambanivohitra Mangarivotra (ex Beparasy).
Marihina moa fa izy ilay tsara sitra-po, nampandre ny manam-pahefana isan'ambaratongany tamin'ny asa famotehana : fitrandrahana hazo saro-bidy sy fanaovana teviala tao amin'ny faritry ny ala ao anatin'io Fokontany voalaza etsy ambony io, efa ho 2 taona mahery izay.
Efa notoroana sy nampiakarina fitsarana tany Ambatolampy sy tao Moramanga izy noho io antony fisintomana lakolosy io fa hoe manakorontana fiainam-bahoaka ao amin'io faritra io, ary dia izao niafara tamin'ny fandatsahana ny ainy izao mihintsy.
Filohan'ny Vondron'Olona Ifotony "MIALO", niorina tamin'ny taona lasa teo izy ary vao avy nampiantso Fivoriambe tsy ara-potoana tamin'ny Sabotsy, faha-28 May 2022 teo, noho ny fanomanana ny fidinan'ny Agents CirEDD Moramanga hanao ny famaritana ny faritra ala sisa tavela izay nangatahan'izy ireo ny fitantanana sy fiarovana azy io ary efa neken'ny teo anivon’ny CirEDD izany fangatahana izany.
Ny ekipan’ny 24h Mada dia mirary fiononana feno hoan’ny fianakaviany.
Loharano: Fokonolona Ankazodandy Beparasy