12/05/2022
'' Miasa tsara sy miasa haingana mba ho tombontsoan’ny zaza Malagasy rehetra. ''
Notontosaina anio tao amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fampisehona amin'ny fomba ofisialy ny rindram-baiko na "logiciel'' SIGASCO.
Io vokatra ara-teknolojia io dia natao mba hanamorana sy ampirindra ny fanaraha-maso rehetra momban'ny fiantohana ara-pahasalamana ny zaza an-tsekoly izay sahanin'ny ONaPASCOMA.
Fiaraha-miasa miaraka amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, ny orinasa Capsule.IO, ny Ofisy nasionaly misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), ary ny UNICEF. Natolotra ny komity hisahana ny fankatoavana izany tetikasa izany nandritra ny atrikasa natao anio alakamisy faha 12 may 2022. Izany no natao mba samy hitondra ny fanatsaràna sy ny sosokevitra avokoa ireo mpandray anjara miisa 17 anatin’ny komity, mialohan’ny handrafetana tanteraka ny tetikasa ka entina ampiasaina eny anivon’ny toeram-pitsaboana eny an-tsekoly. Ny fitsirihana ara-pahasalamana ho an’ny mpianatra moa dia efa nisy hatramin’izay fa manamora kokoa ny fanaraha-maso izany ny fampiasàna ny logiciel vaovao ity. Fanampin’izany ihany koa dia misy ny fanaraha-maso ny fisakafoanan’ny ka ahafahana manolotra ny vahaolana ara-pahasalamana ara-potoana.