15/07/2026
OLAN’NY MPAMBOLY VARY – HETSIKA NOHO NY FANOTORANA LAKANDRANO 🌾
Nanao hetsika ireo mponina sy mpamboly vary eny amin’ny faritra Andranomahery, Ankazomanga Andraharo ary Morarano, noho ny olana ateraky ny fanotorana lakandrano izay mahatonga ny rano hiangona sy tsy hahita lalan-kivoahana hatramin’izao.
Vokatr’izany dia miteraka tondra-drano eny amin’ny tanimbary, ka voakasik’izany ireo mponina ao amin’ny Fokontany Andranomahery sy Fokontany Ankazomanga Andraharo eto amin’ny Boriboritany Fahatelo, ary misy fiantraikany ihany koa amin’ny Fokontany Morarano (Boriboritany Fahadimy) sy Fokontany Anosivavaka (Boriboritany Fahenina).
Nidina ifotony teny Morarano sy Anosivavaka nijery ny zava-misy ny Député Boriboritany Fahatelo Atoa Naina Ramboarivelo, niaraka tamin’ny Député Boriboritany Fahenina Atoa Dr Miarisoa Ramananarivo, ary ireo solontenan’ny Délégué au Maire TANA III.
Nandritra ny fidinana ifotony dia hita fa ny fanotofana ataon’ny orinasa iray eny an-toerana no isan’ny mahatonga izao olana izao.
Ary raha fito metatra hatrizay ny sakan'ny lakandrano C3 dia tsy misy afatsy iray metatra sisa.
Vokatr'izany dia tsy mikorina aradalana ny rano ka tsy afaka miasa ny tanimbariny ireo mponina izay tsy manana afa-tsy ity volana jolay ity sisa hikarakaraka izany .
Manodidina ny 90 hekitara ny tanimbary tratran’ny rano, ka sahirana ireo mpamboly satria efa tonga ny fotoana fampidirana rano sy hanombohana ny fambolena, kanefa tsy afaka mamboly izy ireo noho izao toe-javatra izao.
Ankoatra izany, nisy ihany koa ny fitarainan’ireo mponina momba ny lalana pavé izay efa lalambahoaka hatramin’izay, izay voalaza fa tsy avelan’ny tompon’andraikitra amin’ilay orinasa ampiasaina intsony na dia efa vita aza ny fanamboarana azy.
Manoloana izany dia hisy ny fivoriana maika iarahan’ireo tompon’andraikitra voakasika, hijerena ny vahaolana haingana sy mahomby hamahana izao olana izao, ho tombontsoan’ireo mpamboly sy ny mponina eny an-toerana.
🤝 Miasa miaraka amin’ny vahoaka, mitady vahaolana ho an’ny vahoaka.