Antenimierampirenena

Antenimierampirenena Pejin'ny Antenimierampirenena ahafahana mifanerasera sy mifanakalo hevitra

Nampatsiahy ireo teboka roa  lehibe ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, nandritra ny fananga...
03/08/2026

Nampatsiahy ireo teboka roa lehibe ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO, nandritra ny fananganan-tsaina teto amin’ny Antenimierampirenena androany 3 Aogositra 2026, dia ny fandraisana ny fivoriamben’ny SADC andiany faha-59 izay raisin’i Madagasikara ny faha-22 hatramin’ny faha-29 Aogositra 2026 ho avy izao. Manantena ny ezaka arak’izay tratry ny hery avy amin’ny tsirairay ny tenany ho fahombiazana, indrindra mba hanehoana fa mahay mandray vahiny isika. Omen-danja araka izany ny fahadiovana sy ny filaminana. Notsindriany manokana ihany ny koa ny amin’ny hanaovana ny fitafy maneho ny maha-malagasy isaky ny zoma manomboka izao, mba samy hanaja sy hampihatra ny mpiasa rehetra ho mariky ny fitiavana ny kolontsaina sy ny maha-malagasy, hoy hatrany ny Filohan’ny Antenimierampirenena.
Ny Antenimierampirenena no tokony ho lohalaharana amin'ny fampiroboroboana ny maha-malagasy, hoy izy.
Naneho fisaorana ho an’ny rehetra moa izy tany am-pamaranana ny kabary: ho an’ny Birao Maharitra, ho an’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara, ary ny mpiasa rehetra eo anivon’ny Antenimierampirenena.

Tonga nanatrika ny lanonam-pitokanana ny lalana mampitohy an'Ambohimahitsy sy Ambatobe ary ny fanombohana amin'ny fomba ...
31/07/2026

Tonga nanatrika ny lanonam-pitokanana ny lalana mampitohy an'Ambohimahitsy sy Ambatobe ary ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny tetikasa Flyover Anosizato, izay notanterahina ny zoma 31 jolay 2026, ny Filohan'ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Andriamatoa RALAMBOZAFINBOLOLONA Razafitsimialona Andriantsivoafetra.
Tafiditra ao anatin'ny ezaka fanatsarana ny fotodrafitrasa sy fanamorana ny fivezivezen'ny mponina eto Antananarivo ny fitokanana ny lalana mampitohy an'Ambohimahitsy sy Ambatobe, ary ny fanombohana ny tetikasa Flyover Anosizato, izay antenaina hanamaivana ny fitohanan'ny fifamoivoizana sy hampandroso ny tambajotram-pitaterana eto an-drenivohitra.
Nandritra izany dia niaraka nanotrona ny lanonana ireo tompon'andraiki-panjakana sy olom-boafidy ary vahoaka maro tonga nanome voninahitra ny fotoana.

Noraisin'ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, tao amin'ny Antenimierampirenena, a...
31/07/2026

Noraisin'ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, tao amin'ny Antenimierampirenena, androany 31 jolay 2026, ny delegasiona avy amin'ny Fonds d'Intervention pour le Développement (FID), notarihin'ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Razakatoanina Achille.

Nandritra izany fihaonana izany dia nanararaotra nanontany momba ny iraka sy ny asa tanterahin'ny FID amin'izao fotoana izao ny Filohan'ny Antenimierampirenena.

Nambaran'ny tompon'andraikitry ny FID fa mifantoka indrindra amin'ny fanarenana ny tanànan'i Toamasina taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Gezani ny asa ataon'izy ireo amin'izao fotoana izao. Izany dia atao amin’ny alalan’ny haraton'Aina (Filets sociaux), ny asa tanamaro amin'ny fanadiovana ny tanàna ary ny fanomezana fanampiana ireo tokantrano sy orinasa maro, mpanjono sns.

Nohazavain'izy ireo ihany koa ny fanarenana atao ao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy. Tafiditra ao anatin'izany ny fanamboarana ireo trano miisa 13 simba sy ireo fotodrafitrasa hafa izay potika vokatry ny rivodoza.

Notsiahivin'ny FID fa ny tena antom-pisian’izy ireo dia ny fanampiana ireo mponina marefo sy ny fanatsarana ny fari-piainan'izy ireo amin'ny alalan'ny fandaharanasa fiarovana ara-tsosialy sy ny tetikasa fampandrosoana.

Nankasitraka ny ezaka ataon’ny FID ny Filohan'ny Antenimierampirenena, notsindriany anefa fa ilaina ny fanamafisana ny serasera sy ny fampahafantarana ny vahoaka momba ireo fandaharanasa sy tetikasa tanterahin'ny FID, mba hahaizan’ny olom-pirenena bebe kokoa ny fanampiana azon'izy ireo.

Nomarihin’ny tompon’andraikitrin’ny FID fa misy ihany koa ireo tetikasa any amin'ny Faritra Atsimo toy ny tetikasa Fiavota, izay manohana ireo fianakaviana marefo tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny hain-tany. Eo ihany koa ny tetikasa Mazava izay misahana ny fizarana kits solaires amin’ny faritra maro toa an’Androy sy Atsimo Andrefana ary Fitovinany.

Noraisin'ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, androany 31 jolay 2026, tao amin'ny...
31/07/2026

Noraisin'ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko, androany 31 jolay 2026, tao amin'ny Lapan'i Tsimbazaza, ny delegasiona avy amin'ny Tetikasa Volobe, notarihin'ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Huber Rémy, niaraka tamin-dRamatoa Enick Razafindrakoto, Tale misahana ny Fifandraisana Ivelany ao anatin'ny tetikasa Volobe.

Nifantoka tamin'ny fanolorana ny fivoaran'ny tetikasa Volobe sy ny antsipiriany ara-teknika momba ny fanatanterahana azy ny fihaonana. Nohazavaina nandritra izany ny fandaharam-potoana, ny dingana efa vita ary ireo asa mbola hotanterahina mandra-pahatongan'ny fanombohan'ny fanorenana.

Nandritra ny dinika dia nanontany manokana momba ny daty hanombohan'ny asa sy ny faharetan'ny tetikasa ny Filohan'ny Antenimierampirenena ary nanamafy ny fanohanany tanteraka ity tetikasa ity. Araka ny nambarany dia laharam-pahamehana lehibe ho an'i Madagasikara ny resaka angovo ka mila vaha olana maika dia maika izany.

Nangatahin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ihany koa moa ny hanolorana aminy ireo antontan-taratasy rehetra momba ny tetikasa mba hahafahana manaraka akaiky ny fivoarany.

Eo amin'ny lafiny teknika, sehatra maro no tafiditra amin'ny fanatanterahana ny tetikasa, anisan'izany ny asa sivily (génie civil), ny fanamboarana tsipika fitaterana herinaratra, ny sehatry ny angovo ary ny électromécanique. Efa natomboka tamin'ny taona 2025 ny dingan’ny fifantenana, ary mitohy mandritra ity taona 2026 ity ny appel d'offres, satria orinasa maromaro no hiara-hanatanteraka ireo asa samihafa.

Raha ny fandaharam-potoana, dia kasaina hatomboka alohan'ny faran'ny taona 2026 ny fanokafana ny làlana mankany amin'ny toerana hanatanterahana ny tetikasa, asa izay haharitra 12 volana. Ny tena asa fananganana ireo fotodrafitrasa lehibe kosa dia vinavinaina hanomboka amin'ny taona 2027 ary haharitra efatra taona.

Nanatrika ny lanonana fankalazana ny Fête du Trône nokarakarain'ny Masoivohon'ny Fanjakan'i Maroc eto Madagasikara Ramat...
30/07/2026

Nanatrika ny lanonana fankalazana ny Fête du Trône nokarakarain'ny Masoivohon'ny Fanjakan'i Maroc eto Madagasikara Ramatoa RAHARIMANARIVO Voahaginiaina Berthine, Mpampakateny jeneraly lefitra sy nisolo tena ny Filohan'ny Antenimirampirenena.
Manome lanja hatrany ny diplaomasia parlemantera sy ny fanamafisana ny fifandraisana iraisam-pirenena ny fandraisana anjara amin'ny lanonana toy izao.

Nandritra ny 28 sy 29 Jolay 2026, ny Antenimierampirenena, tamin’ny alalan’ny tetikasa SDSR, ny Tambajotra Nasionaly Par...
30/07/2026

Nandritra ny 28 sy 29 Jolay 2026, ny Antenimierampirenena, tamin’ny alalan’ny tetikasa SDSR, ny Tambajotra Nasionaly Parlemantera ho an’ny Rariny ara-Pananahana (RPNJR – Réseau Parlementaire pour la Justice Reproductive), niaraka tamin’ny Vondrona Parlementeran’ny SADC (FP-SADC) sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, dia nanatanteraka atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo solombavambahoaka momba ny ady atao amin’ny VIH/SIDA sy ny ady sisika ho fampitomboana ny tetibola natokana ho an’ny Fahasalamana sy ny Zo Ara-pananahana (SDSR) eto Madagasikara.

Notontosaina tao amin’ny Carlton Anosy izany atrikasa izany.
Nandray anjara tamin’izany ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny RPNJR notarihin’ny Filohan’ny tambajotra, Andriamatoa Lova Herizo RAJAOBELINA, niaraka tamin’ireo solontenan’ny ministera voakasika, indrindra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Ireto farany moa dia ny FP-SADC, UNFPA, IPPF/WISH2, Ainga Aides, PSI Madagascar ary MSI, no tonga ary samy naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny fanamafisana ny ady amin’ny VIH/SIDA sy ny fampiroboroboana ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana.

Ny tanjon’ny fihaonana dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ireo solombavambahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatsarana ny ady amin’ny VIH/SIDA, ny fanamafisana ny fahalalana momba ny SDSR ary ny fametrahana paikady mahomby amin’ny ady sisika mba hampitomboana ny famatsiam-bola anatiny natokana ho an’ity sehatra ity.
Araka ny antontan’isa farany mantsy dia tamin’ny taona 2025 dia nahatratra 15 700 ireo tranga vaovao nahitana olona mitondra ny tsimokaretina VIH rehefa voamarina tamin’ny alalan’ny fitiliana. Etsy ankilany, 30 % monja amin’ireo olon-dehibe ary 16 % amin’ireo ankizy ihany no mbola misitraka fitsaboana.
Manampy trotraka izany ny fihenan’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ka mampihena ihany koa ny loharanom-bola ho an’ny ady amin’ny VIH/SIDA. Raha ny tetibolam-panjakana kosa dia 5,5 % monja no natokana ho an’ny sehatry ny fahasalamana, raha toa ka 15 % no tanjona napetraky ny Fanambaran’i Abuja.
Manoloana izany zava-misy izany dia nohamafisina nandritra ny atrikasa ny andraikitry ny Parlemanta izay ny fanatsarana sy fanavaozana ny lalàna mifandraika amin’ny SDSR sy ny ady amin’ny VIH/SIDA, ny fanaraha-maso ny fanatanterahan’ny Governemanta ny politikam-panjakana sy ireo fandaharan’asa nasionaly, ny fanatanterahana ady sisika mba hampitomboana ny tetibola nasionaly natokana ho an’ny SDSR sy ny VIH/SIDA ary koa ny fiarovana sy fampiroboroboana ny zon’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH ary ny fanamafisana ny fandraisana an-tanana azy ireo.
Nandritra ireo roa andro niarahana niasa dia nisy fifanakalozan-kevitra sy fandinihana lalina momba ireo sakana amin’ny famatsiam-bola anatiny sy ireo vahaolana azo raisina.
Vonona ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny RPNJR hanohy ny fiaraha-miasa amin’ireo ministera sy mpiara-miombon’antoka rehetra, andray ny andraikitra mifanandrify azy ireo ary nanamafy fa ny fampiasam-bola amin’ny fahasalamana sy ny zo ara-pananahana dia fototra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana maharitra sy ny fanavaozana an’i Madagasikara.

Notanterahina androany 29 jolay 2026 teny amin’ny CCI Ivato ny atrikasa famaranana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny Ta...
29/07/2026

Notanterahina androany 29 jolay 2026 teny amin’ny CCI Ivato ny atrikasa famaranana ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora. Haharitra 3 andro izany. Ireo solotenan’ny tanora malagasy ao anatin’ny faritra 24 no mandray anjara amin’ity atrikasa ity.

Tsy hijanona ho nofy ireo hevitra aroson’ireo tanora, fa miandry ny hamaliana ny hetahetany sy ny fanatanterahana ireo drafitr’asa samihafa izy ireo, araka ny nambaran’ny solontenany.
Nanamafy moa ny Lieutenant- Colonel ANDRIAMIHARITSOA Gervais, Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, fa atomboka amin’ny fakan-kevitra ny tanora ny fampandrosoana ny firenena sy ny tanin-janaka. "Manan-danja, herin’ny ankehitriny, ary antoky ny ampitso ho an’ny firenena ny Tanora", hoy izy. Hitondra fanantenana vaovao ary manorina ny ampitso ho an’ny firenena ny tanora, hoy hatrany ny fanazavany.

Nanome voninahitra ity lanonana ity ny Filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Fetra RALAMBOZAFIMBOLOLONA.

Ny 1 Aogositra 2026 ho avy izao no hanolorana sy hitondrana ireo fehin-kevitra rehetra any amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara.

Raha tsiahivina, ny faha 14 Aprily 2026 lasa teo no nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora ity.

Nanao fitsidihana ifotony teny amin'ny tobim-pamokarana herinaratra JIRAMA ao Ambohimanambola androany 28 Jolay 2026 ny ...
28/07/2026

Nanao fitsidihana ifotony teny amin'ny tobim-pamokarana herinaratra JIRAMA ao Ambohimanambola androany 28 Jolay 2026 ny Vaomiera parlemantera mpanao fanadihadiana momba ny orinasa JIRAMA eo anivon'ny Antenimierampirenena.Ny tompon'andraikitra avy amin'ny JIRAMA no nandray ireo solombavambahoaka mpikambana ao amin'ny Vaomieran'ny mpanao fanadihadiana izay notarihin'ny Filohan'ny Vaomiera Andriamatoa Pety Rakotoniaina.

Araka ny fanazavan'ny Filohan'ny Vaomiera, dia tanjona amin'izao fidinana ifotony izao ny hijery mivantana ny zava-misy taorian'ilay fahamaizana nitranga tao amin'ny tobim-pamokarana Ambohimanambola ny alin'ny Alahady, izay niteraka fahatapahan-jiro faobe teto Antananarivo nandritra ny adiny iray. Nambaran'ny tompon'andraikitra fa nahatratra 35 MW ny tsy fahampian'ny famokarana herinaratra vokatr'izany tranga izany.

Notsindrian'Andriamatoa Pety RAKOTONIAINA ihany koa fa tao anatin'ny roa herinandro nanaovan'ny Vaomiera ny fanadihadiana dia efa hita fa misy fifanarahana sasantsasany izay heverina fa tsy niaro araka ny tokony ho izy ny tombontsoan'ny Fanjakana, ny JIRAMA ary ny vahoaka malagasy. Noho izany dia ilaina ny fanamarinana eny ifotony mba hahafahan'ny Vaomiera manangona vaovao marina sy mampahafantatra am-pahitsiana ny vahoaka ny tena zava-misy, sady maneho fanohanana sy firaisakina amin'ny Fahefana Mpanatanteraka izay tompon'andraikitra mivantana.

Nanafatra ny Filohan'ny Vaomiera ny tokony tsy hihemorana manoloana ireo sakana sy fahasahiranana mety hatrehina amin'ny fanovana, fanitsiana ary fanavaozana hatao, satria tsy maintsy hisy ny tsy hankasitraka izany. Nohamafisiny fa ilaina ny fahasahiana, ny fahavononana ary ny fahatapahan-kevitra mba hahafahana manatanteraka ireo fanavaozana ilaina ho tombontsoan'ny firenena sy ny vahoaka malagasy.

Tao aorianan'ny fitsidihana teny Ambohimanambola dia nisy ny fihaonan'ny Vaomiera parlemantera manadihady ny orinasa JIRAMA tamin'ny Fitsarana momba ny kaonty teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza.

Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana nataony tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Vaomiera ...
27/07/2026

Nampahafantatra ny vokatry ny fanadihadiana nataony tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Vaomiera parlemantera manadihady ny orinasa JIRAMA, androany alatsinainy 27 Jolay 2026, teto amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Nandritra izany no nanazavan’ny Vaomiera ny fanombanany momba ireo antony fototra nitarika ny fahasahiranana sedrain’ny orinasa JIRAMA nandritra ny taona maro.

Araka ny fanadihadiana nataon’ny Vaomiera dia antony efatra lehibe no heveriny fa nisy fiantraikany tamin’ny fihenan’ny fahombiazan’ny orinasa.

Ny fanomezana alalana ny tsy miankina hamokatra angovo amin’ny toerana mbola tsy misy JIRAMA kanefa ny toerana efa misy JIRAMA indray nomen’ny fitondrana ny tsy miankina hampanofa « groupe » amin’ny JIRAMA izay tsy mifanaraka amin’ny filàna.

Ny tsy fisian’ny fifanarahana mazava teo amin’ny Fanjakana sy ireo orinasa tsy miankina no niteraka fanararaotana samihafa, izay voalaza fa nampitombo ny fandaniana sy ny vesatra ara-bolan’ny JIRAMA, indrindra tamin’ny fandoavana tolotra izay tsy nifanaraka tamin’ny tena fandaniana.

Nomarihin’ny Vaomiera ihany koa fa nisy fiantraikany tamin’ny sehatry ny angovo ny fanakatonana ny toeram-panadiovana solika tao Toamasina. Araka ny fanazavana nataony dia nanasarotra ny fanamarinana ny tena vidin-tsolika izany, ka nisy fiantraikany teo amin’ny fitantanana sy ny fandaniana tao amin’ny JIRAMA.

Ankoatra izany, noheverin’ny Vaomiera ho anisan’ireo antony nampihemotra ny fampandrosoana ny sehatry ny angovo ny tsy fitohizan’ny fananganana tobin-jiro mandeha amin’ny herin’ny rano. Notsiahiviny fa taty aoriana dia niverina nankatoavina ny maha-zava-dehibe izany tamin’ny alalan’ny tetikasa Volobe sy Sahofika, saingy tsy notohizana ireo tetikasa ireo rehefa nifarana ny fe-potoam-piasan’ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina.

Farany, nasongadin’ny Vaomiera fa anisan’ireo antony manasarotra ny fampandehanana ny JIRAMA ihany koa ny fiovan’ny toetrandro, indrindra ny fihenan’ny rotsak’orana, izay misy fiantraikany mivantana amin’ny famokarana herinaratra avy amin’ny tobin-jiro.

Nandritra ny lanonam-panokafana ny Fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny Fe-potoam-piasana fahafito an’ny Parlemanta P...
27/07/2026

Nandritra ny lanonam-panokafana ny Fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny Fe-potoam-piasana fahafito an’ny Parlemanta Pan-Afrikana, dia nanao ny fanambarana ofisialin’ny firaisankinan’ny Forum Parlementaire SADC (FP-SADC) teo anatrehan’ireo Lehiben’ny Andrim-panjakana, ireo solombavambahoaka afrikanina ary ireo mpiara-miombon’antoka manerana ny kaontinanta, Andriamatoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO Thierry, Filohan’ny Antenimierampirenena Malagasy sady Filohan’ny Forum Parlementaire SADC.

Nandritra ny lahateniny dia nanamafy ny fahavononan’ny Forum Parlementaire SADC hanohana ny Parlemanta Pan-Afrikana amin’ny fanatanterahana ireo vina sy tanjona voafaritra ao anatin’ny « Agenda 2063 » an’ny Vondrona Afrikanina izy. Nasongadiny manokana ny lohahevitra ho an’ny taona 2026, izay mifantoka amin’ny rano sy ny fanadiovana, ka nambarany fa ny fahazoana rano madio sy tolotra fanadiovana maharitra dia fototra iankinan’ny fahasalamam-bahoaka, ny fiantohana ny sakafo, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ary ny fampandrosoana ara-toekarena eto Afrika.

Nohamafisin’ny Filohan’ny FP-SADC ihany koa ny andraikitra lehibe sahanin’ireo parlemantera amin’ny famolavolana lalàna mifanaraka amin’ny zava-misy, ny fanamafisana ny tamberin’andraikitra ary ny fanentanana ireo fiaraha-miasa, mba hiantohana ny fahafahan’ny rehetra misitraka rano fisotro madio sy tolotra fanadiovana azo antoka sy mitovy lenta.

Amin’ny alalan’izao fandraisana fitenenana izao dia manamafy indray i Madagasikara, izay mitana ny Fiadidian’ny Forum Parlementaire SADC amin’izao fotoana izao, ny fanoloran-tenany amin’ny fampiroboroboana ny fampiraisana an’i Afrika, ny fiaraha-miasa eo amin’ireo parlemantera ary ny fampandrosoana maharitra ho tombontsoan’ireo vahoaka afrikanina.

Address

Palais De Tsimbazaza
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 17:00
Tuesday 08:00 - 17:00
Wednesday 08:00 - 17:00
Thursday 08:00 - 17:00
Friday 08:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Antenimierampirenena posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Organization

Send a message to Antenimierampirenena:

Shortcuts

Share