18/05/2023
Ho fanohanana ireo tanora misehatra amin’ny fanodinana ny vokatra vomanga to Anjozorobe, dia naorina eto amin’ny Kaominina Mangamila, Distrika Anjozorobe, Faritra Analamanga ny fotodratr’asa, fanodinana ireo vokatra vomanga (Patate douce à chaire orange) hanatsarana ny fidiram-bolan’ireo tanora sy ho fanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Ny fotodrafitr’asa dia notanterahina tamin’ny alala,’ny fandaharan’asa FORMAPROD eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary novatsian’ny FIDA vola.