10/07/2026
🇲🇬 FAMAKAFAKANA NY « TOLOTR’ASA HO ANAO » – VOLANA JONA 2026
Ankoatra ny famoahana tolotr’asa, ny ONEF dia mandinika hatrany ny fironan’ny tsenan’ny asa mba hanomezana vaovao mahasoa sy azo itokisana ho an’ireo mitady asa, ireo ivon-toeram-piofanana ary ny besinimaro.
Tamin’ny alalan’ny famakafakana ireo « TOLOTR’ASA HO ANAO » navoaka nandritra ny volana Jona 2026, dia nisy lesona lehibe maromaro nisongadina:
• Zava-dehibe amin’ny mpampiasa ny fahaiza-manao ara-pitondrantena (soft skills), toy ny fahamatorana amin’ny asa, ny fahaiza-mandamina, ny fahatsapana andraikitra, ny fahaizana miara-miasa ary ny fahaizana mifanaraka amin’ny fiovana.
• Mbola tena ilaina hatrany ny fahaiza-manao ara-teknika sy arak’asa mba hahafahana mamaly ny filàn’ny tsenan’ny asa.
• Mihamankasitraka ireo kandida manana fahaiza-manao maro (polyvalents) ny mpampiasa, ka afaka mandray andraikitra samihafa sy miasa amim-pahombiazana amin’ny tontolo isan-karazany.
• Lasa tombony lehibe amin’ny sehatra maro ny fifehezana ny fitaovana nomerika sy ny rindranasa informatika.
• Mihamitombo ny lanjan’ny fahaizana teny vahiny, indrindra ny teny anglisy, eo amin’ny mason’ny mpampiasa.
• Mbola anisan’ireo mason-tsivana lehibe amin’ny fandraisana mpiasa ny traikefa azo ampiharina, na avy amin’ny fiofanana an-tselika (stage), asa efa niasana na fanamarinam-pahaizana (certification).
• Misokatra amin’ny haavom-pampianarana samihafa ny fahafahana miasa, manomboka amin’ny ambaratonga faharoa ka hatramin’ny fampianarana ambony.
• Omen’ny mpampiasa lanja manokana ny kalitaon’ny antontan-taratasy fangatahana asa, toy ny CV, taratasy fangatahana asa, taratasy fanamarinana… .
• Miverimberina ao anatin’ny fepetra takiana amin’ny sehatra maro ny fanajana ny fitsipika momba ny fiarovana, ny fifehezan-tena ary ny maha-matihanina.
• Asehon’ireo tolotr’asa nodinihina fa ny mpampiasa dia mitady indrindra ireo kandida afaka manaporofo ny fahaiza-manaony sy ny toetra mendrika ananany, fa tsy miankina amin’ny diplaoma fotsiny.
Ireo vokatra ireo dia manome topimaso momba ny fironana sy ny zavatra andrasan’ny tsenan’ny asa amin’izao fotoana izao, ary afaka manampy ireo mitady asa handrindra tsara kokoa ny lalam-piofanany sy ny paikadiny amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny asa.
-------------------------------------------------------
🇫🇷 ANALYSE « TOLOTR’ASA HO ANAO » DU MOIS DE JUIN 2026
Au-delà de la diffusion des offres d'emploi, l'ONEF analyse les tendances du marché du travail afin de mieux informer les chercheurs d'emploi, les établissements de formation et le grand public.
À travers une analyse des publications « TOLOTR'ASA HO ANAO » du mois de juin 2026, plusieurs enseignements importants se dégagent :
• Les employeurs accordent une importance croissante aux compétences comportementales (soft skills) telles que la rigueur, l'organisation, le sens des responsabilités, l'esprit d'équipe et l'adaptabilité.
• Les compétences techniques et professionnelles demeurent essentielles pour répondre aux besoins du marché du travail.
• Les recruteurs privilégient de plus en plus les profils polyvalents, capables d'assumer plusieurs responsabilités et de s'adapter à différents environnements de travail.
• La maîtrise des outils numériques constitue désormais un atout recherché dans un nombre croissant de métiers.
• Les compétences en langues étrangères, notamment l'anglais, sont de plus en plus valorisées par les employeurs.
• L'expérience pratique, acquise à travers les stages, les emplois précédents ou les certifications, reste un critère déterminant dans les processus de recrutement.
• Les opportunités d'emploi concernent différents niveaux de qualification, allant du niveau secondaire à l'enseignement supérieur.
• Les employeurs accordent une attention particulière à la qualité du dossier de candidature (CV, lettre de motivation, attestations et références professionnelles).
• Le respect des règles de sécurité, de discipline et de professionnalisme apparaît comme une exigence récurrente dans plusieurs secteurs d'activité.
• Les offres analysées montrent que les employeurs recherchent avant tout des candidats capables de démontrer leurs compétences et leur savoir-être, au-delà du seul diplôme.
Ces résultats constituent un aperçu des attentes actuelles du marché du travail et peuvent aider les chercheurs d'emploi à mieux orienter leurs démarches de formation et d'insertion professionnelle.